- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Songadina Global Voices Martsa 2022

Sokajy: Mediam-bahoaka, vondrom-piarahamonina, Blaogim-Piarahamonina GV, Fankalazana
[1]

Tavan'ny lehilahy iray nohosorana vovoka miloko nandritra ny fetiben'ny ririnina tao Holi [2], Chennai, India tamin'ny 2015. Fanao isaky ny tapaky ny volana Martsa (Tetiandro Gregoriàna), ny Holi dia niandoha avy any amin'ny tanibe Indiàna saingy hajain'ireo vondrompiarahamonina avy any atsimon'i Azia monina ampielezana manerana ny tany. Sary an'i [1] Well-Bred Kannan (WBK Photography) [3] (CC BY-NC-ND 2.0) [4]

Isaorana daholo ianareo GVers rehetra tamin'ny fandraisanareo anjara  tamin'iny Martsa 2022 iny! Ireto ny sasany tamin'ireo songadina nandritra iny volana iny:

Fiovàn'ny mpitantana: Tamin'iny Martsa iny, niàla tamin'ny andraikiny naha-mpitantana ny GV azy ry Tanya Lokot [5], izay nitazona ny toeran'ny Mpamoaka lahatsoratra tao Eorôpa Afovoany mba hifantoka bebe kokoka amin'ny fikarohana ho an'ny Advox; Paolo Sorbello [6], lehiben'ny famoahan-dahatsoratra tao Azia Afovoany; ary ny Tale nisahana ny Tetikasa sy ny Fampivoarana tato amintsika Alex [7] Esenler [7], izay lasa nanatevina laharana ny OpenArchive ka hitazona ny toerana maha-Talen'ny Fandaharanasa sy ny Asa. Giovana Fleck [8] no nisolo toerana an'i  Alex hitarika ny Fanarahamaso ny Media Sivika.

Tamin'ny Martsa koa isika dia nandray an'i Sindhuri Nandhakumar [9] ho eo amin'ny toeran'ny tale misahana ny asa fikarohana ho an'ny Advox sy ny mpandrindra ny famoahan-dahatsoratra ao amin'ny Fanarahamaso ny Media Sivika; ary i Zhar Zardykhan [10], izay misolo an'i Paolo amin'ny toeran'ny Lehiben'ny Famoahan-dahatsoratra ao Azia Afovoany.

Arahabaina ireto mpandray anjara manaraka ireto, izay namoaka ny asa fandikàny na ny  tantara voalohany nosoratany ho an'ny GV tamin'ny Martsa 2022 iny:

Alaa Siddique [11], Amal Anwar [12], Ameya Nagarajan [13], Ana Clara Borone [14], Andrea Nunes [15], Dana Santander [16], Danae Flores [17], Dima Samaro [18], Dounia Latorre [19], Elizabeth Francisca Alfandi Silva [20], Ghaith Mahfoud [21], Giannis Tsiougkos [22], Giorgos Kassiteridis [23], Ioana Dobre [24], Kanav Narayan Sahgal [25], Laís Martins [26], Latisha Harry [27], Marcel Talafa [28], Maria Kouziou [29], ​Mariela Fredes Perez [30], Marwa Hussein Ali ElSayed [31], Mohamad Shehab [32], Mohamed Ghareeb Kord [33], Natalie Van Hoozer [34], Noa Beau Rijkers [35], Oguljamal Yazliyeva [36], Olga Solovyeva [37], Pavel Kutsev [38], Reyhan Topal [39], Rocío González [40], Shirin Rahman [41], Sophie Vandenberghe [42], Stéphanie Zeukeu [43], Tabatha Auguste [44], Triantafyllos Zacharakis [45], Upasana Rana [46], Zahraa Haj Najeeb. [47]

[48] Lehibe ny fiverenan’ny Global Voices Podcast [48] tamin'ny 18 Martsa! Eo ambany fitantanan'ilay tsy manaiky lembenana Ameya Nagarajan, [13]ireo fizaràna roa voalohany dia nibanjina ny Fananiham-bohitra ataon'i Rosia ao Okraina araka ny fahitàn'ny tapany atsimon'izao tontolo izao azy [49], sy ny  fitsidihana ratsy vintana nataon'ny mpanjaka Britanika tao Karaiba, ny krizy ao Sri Lanka, ary ny fiantraikan'ny valanaretina amin'ireo Latinas manana fahasembanana. [50]

 

Fivoahan'ireo GVers teny anaty media sy kaonferansa ary ireo zavabita hafa:

Ny talen'ny Advox Nanjala Nyabola [51] no isan'ny iray tamin'ireo “olona 12 sangany” voatendry tamin'ny Martsa ho ao anatin'ny mpanolotsaina ambony ao amin'ny Firenena Mikambana, rantsana iray vao najoro mba hisian'ny fiarahamiasa marolafy tena mahomby [52]. Hiaraka ao anatin'ny filankevi-pitantanana ny filoha fahiny tao Liberià, Ellen Johson Sirleaf ary ny Praimisitra fahiny tao Soeda, Stefan Löfven.

22 Febroary: Ny lehiben'ny famoahan-dahatsoratra ao Azia Atsimo-Atsinanana, Mong Palatino, [53] dia nandray anjara tamina adihevitra iray momba ny aterineto sy ny fahalalahana maneho hevitra, niarahana tamin'ny Picture People.

15 Martsa: Ny talen'ny famoahan-dahatsoratra, Filip Noubel, [54] dia nandray anjara tamina vondrona iray niresahana ny fandisoana vaovao ao Azia, nokarakarain'ny Luminate.

17 Martsa: Filip Noubel nanao kaonferansa iray momba an'i Rosia, Okraina ary Shina, tao anatin'ny tetikasa “Sampanan-dàlana Fanoherana ny Fandisoana Vaovao” an'ny  Metamorphosis Foundation [55].

25 Martsa: Filip Noubel nanao kaonferansa ho an'ireo mpianatra tao amin'ny  Anjerimanontolon'i New York momba ny fandrakofana ataon'ny GV ny ao Okraina.

27 Martsa: Younguang Mro, mpanoratra sady mpikaroka avy ao amin'ny vondrompiarahamonina Mro, Bangladesh, izay noresahana tao anaty lahatsoratra iray tato amin'ny GV [56] ny bokiny fisavàna làlana momba ny fitsipi-panoratana ny fiteny Mro, dia nitafa tao amin'ny onjampeo aostraliàna ABC. Ary niseho tanaty fahitalavitra nanao asan'ny mpandika teny ny mpamoaka lahatsoratra ao Azia Atsimo, Rezwan [57].

31 Martsa-3 Aprily: Ny Fanontaniana&Valiny niarahana tamin'i Marisa Petricca [58], Global Voices amin'ny fiteny Italiana [59], momba ny zavatra niainany tamin'ny fitantanana sy ny fandraisany anjara tao anatin'ny vondrompiarahamonin'ny mpandika lahatsoratra GV no fototry ny asa fikarohana iray natolotr'i Marina Manfredi, mpianatra ao amin'ny Anjerimanontolon'i Bologne, tao amin'ny Kaonferansa Atisa X [60] nokarakarain'ny Anjerimanontolon'i Kalifôrnià, Santa Barbara.

Isan'ny tantara navoaka tao amin'ny GV tamin'ny GV amin'ny teny anglisy [61] ny Martsa 2022: 117 (nitombo raha 88 tamin'ny Febroary)

Isan'ny asa fandikàna sy tantara voalohany navoaka tao amin'ny tranonkala Lingua ny Martsa 2022: 490 (nitombo, raha 434 tamin'ny Febroary)

Ny tranonkala Lingua 10 mavitrika indrindra tamin'ny Martsa 2022:

  1. Global Voices Espaniôla [62]                                  122
  2. Global Voices teny Malagasy [63]                            48
  3. Global Voices Rosiàna [64]                                        42
  4. Global Voices στα Ελληνικά [65]                             40
  5. Global Voices Okraniàna [66]                                  40
  6. Global Voices  Italiàna [67]                                       32
  7. Global Voices Frantsay     [68]                                 31
  8. Global Voices Arabo [69]                                           30
  9. Global Voices Pôrtiogey [70]                                    29
  10. Global Voices Nerlandey [71]                                  13
  11. Global Voices Bangla [72]                                           11

Fitambaran'ny jeripejy (tranonkala rehetra) tamin'ny Martsa 2022: 592,651 5 (nitombo raha 558.328 tamin'ny Febroary)

Lahatsoratra 10 voalohany araka ny jeripejy tamin'ny Martsa 2022 (izay lahatsoratra vao haingana ihany):

    1. プーチン政権下、タタール人は民族としての独自性を取り戻せるのか [73] by Elmira Lyapina, translated into Japanese by Motoko Saito (19,050 views)
    2. Ho avy ny tontolo tsy misy Potinina, fa afa-miaina anaty tontolo tsy misy Rosia ve isika? [74] an'i Abel Polese (13.100 jeripejy)
    3. Japàna miatrika ny olan'ny “Mega Solar” [75] an'i Justin Aukema (7,039 views)
    4. In the Czech Republic, ‘private sanctions’ increase Russophobia [76] by Global Voices Central and Eastern Europe (6,308 jeripejy)
    5. Hetsika lehibe fandikan-teny Shinoa: Mampihanjahanja propagandy Shinoa sa manaparitaka fankahalana? [77] an'i Oiwan Lam (6,233 jeripejy)
    6. Silent and uneasy: Armenia’s response to the Russian invasion of Ukraine [78] an'i OC Media (4,597 jeripejy)
    7. Yugoslavia wasn't a Soviet ally—so why does that misconception persist in Western media? [79] an'i Filip Stojanovski (4,441 jeripejy)
    8. Following invasion of Ukraine, Russia declares war on its citizens [80] an'i Roman Shemakov (4,265 jeripejy)
    9. Ukrainian Dispatches 1: Fleeing Kyiv with family and pets  [81] an'i Abel Polese (4,140 jeripejy)
    10. ‘Untimely’ death of soca singer Dexter ‘Blaxx’ Stewart leaves Trinidad & Tobago in mourning [82] an'i Janine Mendes-France (3,974 jeripejy)

Ireo firenena 15 voalohany nahitana ny olona nitsidika ny tranonkala GV  tamin'ny Martsa 2022:

  1. Etazonia
  2. Japàna
  3. Alemaina
  4. Brezila
  5. Fanjakana Mitambatra
  6. Frantsa
  7. Espaina
  8. Kanadà
  9. Italia
  10. Meksika
  11. Filipina
  12. Kôlômbià
  13. India
  14. Aostralia
  15. Rosia