Didim-pitsarana raharaha fanosoram-potaka ao Trinite sy Tobago sokajiana ho ‘tantaram-pampitandremana’

Fango Facebook amin'ny finday. Sary avy amin'ny Book Catalog ao amin'ny on Flickr, CC BY 2.0

Tamin'ny 25 janoary 2016, voasaringondringotra ilay mpandraharaha Trinidadiana Rafi Ali rehefa nisy nitory tamin'izay tsarainy ho “sarangotra fanevatevana tao amin'ny Facebook” natao tamin'ilay mpilalao cricket teo aloha ao Antilles sady lehiben'ny Fikambanan'ny Mpilalao any Antilles (WIPA) Dinanath. Ramnarine. Nanapa-kevitra ankehitriny ny Mpitsara Ambony, Maître Martha Alexander fa tokony handoa TTD 831,823,65 [122.549,25 dolara Amerikana] amin'i Ramnarine i Ali noho ny fandotoana ny lazany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanonerana ny saram-pitsarana an-dRamnarine.

Nomena onitra TT$831.823,65 noho ny fahavoazana nahazo azy ilay mpilalao eto Antilles, Dinanath Ramnarine rehefa nahita ny Fitsarana Ambony eto Trinite sy Tobago fa tratran'ny fanosoram-potaka nataon'ilay mpandraharaha sady mpilalao cricket tao amin'ny sehatra media sosialy, Facebook, izy tamin'ny taona 2016

Namoaka ny fanehoan-keviny momba an'i Ramnarine nandritra ny fotoam-piasany amin'ny maha-filohan'ny Orinasam-panatanjahantena eto Trinite sy Tobago (SPORTT) i Ali, izay mpikambana ao amin'ny Filankevitry ny Foibe Zonal ao amin'ny Filan-kevim-pitantanan'ny Cricket Trinidad sy Tobago (TTCB) nandritra ny 10 taona, sady filohan'ny Klioban'ny Esmeralda Cricket. Tamin'ny didim-pitsarana 21 pejy nataony, nanamarika (ny Maître) Alexander fa “tsy avy amin'ny fihantsiana, tsy azo hamarinina ary manaratsy ilay fanalam-baraka”:

The libelous comments aimed at and did succeed in hitting the claimant where the most irreparable damage could have been done – his prized reputation. […]

[The defendant] was uncaring also of the global reach of the social media platform that was Facebook […] of the wreckage that he would leave in the path of his libellous rampage, particularly the damage to the sporting industry.

Nikendry sy nahomby tamin'ny famelezana ilay mpitory izay mety nanaovana ilay fanimbana tsy mety arenina – ny lazany nahazoany loka – ireo fanehoan-kevitra manevateva. […]

Tsy niraharaha ihany koa [ny voampanga] amin'ny halavantanan'ny sehatra media sosialy maneratany ananan'ny Facebook […] ny amin'ny fahapotehana navelan'ny rangotry ny fanosoram-potaka, indrindra fa ny fahasimbana nihatra tamin'ny sehatry ny fanatanjahantena .

Tsy vao sambany i Ali no nanakorontana ny firahalahian'ny cricket. Tamin'ny Jona 2021, nilaza izy fa tsy ara-drariny ny nataon'ny tompon'andraikitry ny lalao tamin'ny kliobany. Nangataka ny hanomezana sazy ho an'i Ali noho ny filazany “mampihomehy” ny filohan'ny Filankevitry ny Mpitsara ao Trinidad sy Tobago, Lalman Kowlessar.

Na izany aza, manan-danja ao an-toerana ity raharaha ity, nametraka sazy avo dia avo amin'ny fanalam-baraka an-jotra, mihoatra noho ny tamin'ny tranga hafa vao haingana. Nitarika raharaha mitovy amin'izany i Alexander tamin'ny taona 2019 izay nahavoarohirohy ilay mpanao gazety Lasana Liburd, izay notsaraina ihany koa ho nanala baraka tamin'ny alalan'ny Facebook. Nandidy hanonerana TTD 550.000 [81.029,30 dolara Amerikana] ho an'i Liburd ny fitsaran'i Alexander. Tamin'io taona io ihany, nanome baiko ny lehiben'ny antoko politika Philip Edward Alexander ihany koa ny fitsarana mba handoa onitra TTD 700.000 mahery [eo ho eo amin'ny 103.128 dolara amerikana] ho an’ ilay mpandraharaha Andrew Gabriel noho ny fahavoazana tamin'ny fanalam-baraka azy.

Nampitomboan'ny fitsarana ny sazy efa ho 20 isanjato ny didim-pitsarana tamin'ny raharaha Ramnarine, ka nanazava ny fanapahan-keviny ny Maître Alexander tamin'ny filazana hoe:

[W]here the defendant acted deliberately, jeeringly and maliciously, it was felt that an award for exemplary damages was justifiable. It would serve to caution any defendant who uses Facebook or any other social media platform to libel and destroy a claimant’s reputation that he will feel the punitive arm of the court acting to deter such behaviour […] the court must send a message that such reckless abuse of social media platforms must stop.

Na dia nanao zavatra tamin'ny fomba niniana, naneso sy nanevateva aza ilay voampanga, dia tsapa fa ara-drariny ny fanomezana onitra mba ho alain-tahaka. Azo raisina ho fampitandremana ho an'izay voampanga mampiasa Facebook na sehatra media sosialy hafa ny hanala baraka sy handrava ny lazan'ny mpitory iray ka ho tsapany ny sandry manasazin'ny fitsarana mba hanakanana ny fihetsika toy izany […] tsy maintsy mandefa hafatra ny fitsarana fa tsy maintsy atsahatra ny fihoaram-pefy tsy am-piheverana toy izany amin'ny sehatra media sosialy.

Na dia voatsikera aza ny lalànan'ny heloka an-jotra ao Trinite sy Tobago noho ny fanjavozavoany sy ny mety ho sazy hampiharina amin'ny mpanao gazety sy ny mpamaky bantsilana, dia hita fa mazava tsara ny lazain'ny ankamaroan'ny mpahay lalàna momba ny tiany hotratrarina momba ny fanosoram-potaka. Nanamarika tao amin'ny bilaoginy ny orinasa mpahay lalàna Hamel-Smith hoe:

In the context of publishing posts on any social media platform and in order to avoid potentially being sued, it may be prudent to pause before posting and to ask:

Are my thoughts really necessary to be communicated this instant so as to be in a permanent form? (Deleting a post does not mean it was not seen or is not visible in a follower or friend’s feed which has not yet been updated).
Can someone identify whom I am posting about if I don’t name the person? (If yes, and the post is contentious, then it’s probably better to not post it).

Ao anatin'ny tontolon'ny famoahana ranty amin'ny sehatra media sosialy rehetra ary mba tsy ho voatory, dia mety ho fahamailona ny miato kely mialoha ny fandrantiana ary manontany:

Tena ilaina ve ny fampitàna ny eritreritro amin'izao fotoana izao mba ho amin'ny endrika maharitra? (Tsy midika hoe tsy hita na tsy hita ao amin'ny randram-baovaon'ny mpanjohy na namana izay mbola tsy nivoahan'ny vaovao farany ny famafana ranty iray).
Misy olona afaka mamantatra ve hoe inona no narantiko raha tsy manonona ilay olona aho? (Raha eny, ary mampiady hevitra ny lahatsoratra, dia tsara kokoa ny tsy mandranty azy).

Mandritra izany fotoana izany, Equitas Chambers niantso ny raharaha ho “tantara fampitandremana ho an'ireo izay mikirakira media sosialy hanaratsiana ny hafa”, ary nanoro hevitra ny mpiserasera mba “ho hendry”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.