- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Ny lalan-terin'i Japana mankany Rosia, ny fiverenan'ny vakoka afrikanina, ny fihafanan'ny fifandraisan'i Torkia sy i Armenia

Sokajy: Mediam-bahoaka
[1]

Wilbur May African Artifacts [2]” avy amin'i www78 [3] nampiasana lisansa CC BY-NC 2.0 [4].

Manomboka amin'i Japana ity fizarana ity, izay itantaran'i Nevin Thompson [5], tonian-dahatsoratra Japoney ny lalana ara-jeopolitika sarotra lalovan'i Japana [6] ao anaty krizin'ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina. Avy eo isika mizotra mankany amin'ny kaontinantan'i Afrika, izay iresahan'i Njeri Wangari [7] ao Afrika Atsimon'i Sahara ny adihevitra manodidina ny fiverenan'ny vakoka ara-kolontsaina Afrikana sy ny fomba tokony hampidirany izany ny tahirim-peo sy sary [1]. Faranantsika any Tiorkia izay anazavan'i Arzu Gebullayeva [8], tonian-dahatsoratra ao Torkia sy Kaokazy Atsimo, ny tantaram-pifandraisana mangatsiaka an'i Tiorkia [9] amin'i Armenia mpifanolo-bodirindrina aminy .

Mitondra ho anao ny vaovao any an-toerana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny Rakipeo Global Voices. Isan-kerinandro, mizara ny vaovao manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamoniny avy any ireo ao amin'ny vondrom-piarahamoninay sy ny fomba famolavolany ny tantarany avy amin'ny zava-misy eo an-toerana. Henoy ary izao ny vaovao manerantany atolotra anao isan-kerinandro avy amin'ny feo any an-toerana.

Raha nahafinaritra anao ity fizarana ity, azafady misorata anarana [10] ary lazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay amin’ny Twitter [11] ianao. Ny mozika ato amin'ity rakipeo “Voyage [12]” ity dia avy amin'ny feonkiran’i NikMartken ato amin'ny vondrom-piarahamoninay Global Voices midadasika.