Rakipeo: Ny lalan-terin'i Japana mankany Rosia, ny fiverenan'ny vakoka afrikanina, ny fihafanan'ny fifandraisan'i Torkia sy i Armenia

Wilbur May African Artifacts” avy amin'i www78 nampiasana lisansa CC BY-NC 2.0.

Manomboka amin'i Japana ity fizarana ity, izay itantaran'i Nevin Thompson, tonian-dahatsoratra Japoney ny lalana ara-jeopolitika sarotra lalovan'i Japana ao anaty krizin'ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina. Avy eo isika mizotra mankany amin'ny kaontinantan'i Afrika, izay iresahan'i Njeri Wangari ao Afrika Atsimon'i Sahara ny adihevitra manodidina ny fiverenan'ny vakoka ara-kolontsaina Afrikana sy ny fomba tokony hampidirany izany ny tahirim-peo sy sary. Faranantsika any Tiorkia izay anazavan'i Arzu Gebullayeva, tonian-dahatsoratra ao Torkia sy Kaokazy Atsimo, ny tantaram-pifandraisana mangatsiaka an'i Tiorkia amin'i Armenia mpifanolo-bodirindrina aminy .

Mitondra ho anao ny vaovao any an-toerana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny Rakipeo Global Voices. Isan-kerinandro, mizara ny vaovao manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamoniny avy any ireo ao amin'ny vondrom-piarahamoninay sy ny fomba famolavolany ny tantarany avy amin'ny zava-misy eo an-toerana. Henoy ary izao ny vaovao manerantany atolotra anao isan-kerinandro avy amin'ny feo any an-toerana.

Raha nahafinaritra anao ity fizarana ity, azafady misorata anarana ary lazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay amin’ny Twitter ianao. Ny mozika ato amin'ity rakipeo “Voyage” ity dia avy amin'ny feonkiran’i NikMartken ato amin'ny vondrom-piarahamoninay Global Voices midadasika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.