- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Krizy, fitsidihan'ny mpanjaka, ary ny fiantraikan'ny valan'aretina tamin'ireo Latina sembana

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Jamaika, Sri Lanka, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, COVID-19, Global Voices Podcast

 

Sri Lanka Colombo [1]” avy amin'i Mal B [2]. Nampiasana lisansa CC BY-ND 2.0 [3].

Ny fizarana anio dia hiresaka ny fandraisana ny Andriambavy sy ny Andriandahy avy any Cambridge tany Karaiba, anisan'izany ny hetsi-panoherana sy ny fitakiana fanonerana, arahin'ny fijerena ny krizy ara-bola ao Sri Lanka. Hofaranantsika izany amin'ny tantaran'ireo vehivavy Latina sembana sy ny zavatra niainan’izy ireo nandritra ny valan'aretina.

Mitondra ho anao ny vaovao any an-toerana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny Rakipeo Global Voices. Isan-kerinandro, mizara ny vaovao manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamoniny avy any ireo ao amin'ny vondrom-piarahamoninay sy ny fomba famolavolany ny tantarany avy amin'ny zava-misy eo an-toerana. Henoy ary izao ny vaovao manerantany atolotra anao isan-kerinandro avy amin'ny feo any an-toerana.

Raha nahafinaritra anao ity fizarana ity, azafady misorata anarana [4] ary lazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay amin’ny Twitter [5] ianao. Ny mozika ato amin'ity rakipeo “Voyage [6]” ity dia avy amin'ny feonkiran’i NikMartken ato amin'ny vondrom-piarahamoninay Global Voices midadasika.