- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tanora Montenegrin mamoaka hira manohitra ny ady, ho an'ireo ankizy ao Okraina

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Montenegro, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Vonjy Voina, Zavakanto & Kolontsaina, Russia invades Ukraine

Komnen Vuković sy Milica Radan. Sary: avy ao amin'ilay lahatsary YouTube [1] navoakan'ny Vijesti. Fampiasàna ara-drariny.

Nivoaka voalohany [2] tao amin'ny Meta.mk ity lahatsoratra ity. Dika nokiraina no averina avoaka etoana eo ambanin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty nifanaovan'ny Global Voices sy ny Orina Metamorphosis. 

Ny 17 Martsa, ireo tanora Montenegrin mpihira, Milica Radan sy Komnen Vuković, niaraka tamin'ny antokom-pihira D-mol [3], dia namoaka lahatsary iray ho an'ilay hiran-dry zareo manohitra ny ady “Vratite nam snove” (“Avereno ny nofinofinay”), natao manokana ho an'ireo ankizy ao Okraina.

Ilay hira dia hafatra iray mitaky ny hampitsaharana ny ady izay nanomboka tamin'ny 24 Febroary, andro nanaovan'i Rosia ny fananiham-bohitra tao Okraina [4], ary ho fampiroboroboana ny fiaraha-miory amin'ireo ankizy miaritra ny mafy. Misy dika amin'ny fiteny anglisy ao anatin'ilay lahatsary.

…Zaustavite bombe, vratite nam snove,
suncokrete naše što se mraka plaše.
Mi smo vojska sunca, armija smo sreće
zbog nas planeta mirno nek se okreće.

Atsaharo ny daroka baomba, avereno ny nofinofinay,
ny tanamasoandronay, izay matahotra haizina.
Izahay no tafiky ny masoandro, izahay no tafiky ny hasambarana,
Noho ny aminay no ihodinan'ny planetan'ny fandriampahalemana.

Lahatsary navoakan'ny [5]Vijesti, mpanonta gazety malaza, TV ary tranonkala, izay isan'ireo media mpitari-kevitra ao Montenegro.

Marijana Kadić Bojanić no nanoratra ny tonon'ny hira, raha an'i Danijel Alibabić kosa ny mozika.

Tanaty antsafa iray ho an'ny Balkansmedia.org, Kadić Bojanić dia nilaza [6] fa ny sary ampitain'ny ady ao Okraina — ankizy tafasaraka amin'ireo havan-tiany, trano rava, laharan'olona mpitsoaponenana, ny hirifiry, ny fisalasalàna — dia mamoha ao anatiny ilay alahelo faran'izay lalina indrindra, ary koa nanaitra ny faniriana hanao zavatra, na dia kely monja aza, izay mety handrisika ho amin'ny fahatakaran'ny olona rehetra ny finiavana tsara sy hanosika azy ireny hiroso hiasa.

Slike stradanja vratile su mi i potisnuta sjećanja na ono što smo mi sa područja ex Yu preživljavali devedesetih godina kada je i moje spokojno i bajkovito djetinjstvo bilo prekinuto užasima rata.

Sa druge strane –   u samom korijenu nastanka medija u kojima radim je anti-ratni aktivizam – od Monitora, preko novine, televizije, portala Vijesti i Centra za istraživačko novinarstvo – osnivači su uvijek dizali glas protiv nepravde i agresije moćnih. Sve to je uticalo da pjesmu napišem, skoro pa u jednom dahu, dok sam sa koleginicama i kolegama pripremala akciju pomoći djeci Ukrajine…

Ireo sarina fangirifirana dia namerina tamiko ireo fahatsiarovana voafafa momba izay niaretanay rehetra mponina tao amin'ilay faritra Yôgôslavia taloha, nandritra ny andian-taona 1990 fony nifarana noho ny horohoro vokatry ny ady [7] ny fahazazàko tony sy feno nofinofy (angano).

Etsy ankilany, ny media iasàko dia manana fàka ao anatin'ny fikatrohana manohitra ny ady, ilay mpanaramaso isankerinandro Monitor, ary hatramn'ny gazety, Tv sy vavahadin-tserasera anaty aterineto Vijesti sy ny Ivontoerana ho an'ny Asan-gazety Fanadihadiana. Nanandratra ny feony hatrany ny mpanorina azy ireo, nanohitra ny tsy rariny sy ny herisetran'ny matanjaka. Izany rehetra izany dia nanosika ahy hanoratra ilay hira, indray mifaoka tsy miverina, tamin'ny fotoana nanomànako niaraka tamin'ireo namako ny hetsika fanampiana iray noho ny maha-olona ho an'ireo ankizy ao Okraina…

Ilay hira “Vratite nam snove” dia nolalaovina voalohany [8] tao amin'ny Fetibe Iraisampirenena natokana ho an'ny Hiran'ankizy “Zlatna Pahulja” (“Golden Snowflake”) tao Rožaje [9].

Manana lovantsofina efa 28 taona ilay fetibe, ary tamin'ity taona ity dia natao tamin'ny [10]4 sy 5 Martsa, fitambarana seho roa amin'ny alina, ny voalohany ho an'ireo eo an-tanàna, ary ny faharoa ho an'ireo mpisehatra iraisampirenena, anasongadinana ireo ankizy avy amn'ireo firenena  manodidina.

Ampiasain'ny Vijesti ilay hira mba hampiroboroboana ireo hetsika noho ny maha-olona hanampiana an'i Okraina. Ny voalohany dia takariva fakàna tombony tao Podgorica [11] tamin'ny 10 Martsa, izay nahazoana fanomezana nitentina 10.000 euros.

Noho ny fangatahan'ireo mponina ao an-toerana, nisy hetsika tsy misy hafa amin'io [12] nokarakarain'ireo fikambanana sivily tao an-tanànan'i Bijelo Polje [13] tamin'ny 23 Martsa, ho toy ny fomba iray hanampiana ireo Okrainiàna mpitsoaponenana nampiantranoina tao amin'izany tanàna izany hatramin'ny nisian'ny fananiham-bohitra rosiàna. Amin'izao fotoana izao, ny hôtely iray ao an-toerana dia mampiantrano fianakaviana 14 [14] misy olona 36, izay nisaotra ireo olompirenena ao an-toerana sy ireo mpandraharaha noho ilay hetsika.


Raha mila vaovao misimisy kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny fandrakofanay manokana ny  “Rosia manani-bohitra ao Okraina [4]” [Angl.]