Hong Kong : Miatrika « krizy vao mimpongatra » ireo vahiny mpiasa an-trano satria feran'ny COVID-19 ny fahafahan-dry zareo hahazo trano fonenana sy ny fahalalahany hivezivezy

J fony tao amin'ny mpampiasa azy taloha. Sary an'ny Hong Kong Free Press. Nahazoana alàlana ny famerenana mamoaka azy.

Tamin'ny 17 Febroary 2022 ity lahatsoratra ity no nivoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press. Naverin'ny Global Voices navoaka ho ampahany amin'ny fifanarahana iray ho fiifampizaràna votoaty.

Ao Hong Kong, voatery natory an-dalambe nandritra ny andro roa nifanesy ny ramatoa iray Filipiàna, 35 taona, mpiasa an-trano, noho ny fandavàna ny fangatahany hahazo “visa”. Ary vao avy voatily ho mitondra ny COVID-19 indrindra izy. Niteraka onjam-pitserana ny toejavatra manjo azy, ary fitarainana marobe niely patrana momba ny tsy fisian'ny fahafaha-manoatra ho an'ireo mpila ravinahitra ao Hong Kong. Etsy andaniny, misy vondrona iray mpanohana ireo mpiasa mpila ravinahitra miresaka « olana vao mipongatra ».

Tamin'ny Alakamisy i J, izay maniry ny tsy hitonona anarana, dia nilaza tamin'ny HKFP fa tao amin'ny kianja iray ao amin'ny tanànan'i Yau Ma Tei izy no nonina hatramin'ny naha-voatily azy hoe tratry ny COVID-19 tamin'ny Talata lasa teo. Taorian'ny nandàvana ny fangatahany “visa”, voalahatra ho ny Alarobia ny sidina hiverenany any Filipina.

Tsy ahitàna soritraretina i J na kely aza, ary ny hôpitaly, feno hipoka, dia nangataka azy mba hihiboka any an-tranony. Kanefa ilay ramatoa tsy manana toerana haleha, noho izy nametraka fialàna tamin'ny asany farany vokatry ny faharatsian'ny fepetra fampiantranoana azy sy noho ny nandavana ny fahazoany taratasy vaovao ho entina miasa. Araka ny lalàna ao Hong Kong, tsy maintsy “miaraka mipetraka ” amin'ireo mpampiasa azy ny mpiasa an-trano.

Nangataka ny fanampian'ny federasiônan'ireo sendikan'ny mpiasa an-trano ao Hong Kong izy (Hong Kong Federation of Asian Domestic Workers Unions ou FADWU) izay nanome tranolay azy, kitapo fatoriana, maska maro, fitaovana fandiovana ary sakafo.

« Ngoly aho, tena mamirifiry be ny andro. Tena tsy haiko izay ho atao, » hoy ny nambaran'i J.

Notombanana fa hidina 10 degre Celsius ny maripàna ao Hong Kong mandritra ny faran'ny herinandro.

Tao anaty fanambaràna ho an'ny gazety nalefa ho an'ny Au Ka-wang, avy amin'ny Talen'ny Fifindramonina, ny FADWU milaza fa ny federasiôna dia niezaka nifandray tamin'ny Ivontoerana Fiarovana ara-Pahasalamana (CHP)  saingy voalaza fa ty mety tratra antso mihitsy ilay laharana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.