Tatitra avy eny an-kianja ataon'ireo Indôneziàna avy ao Okraina tratry ny fananiham-bohitra rosiàna

Sary an'ny mpampiasa @tinahartung tao amin'ny Unsplash, nampiasàna ny lisansa Unsplash

Ny Alahady 27 Febroary, nilaza ny governemanta indôneziàna fa tsy mbola manana drafitra horaisina avy hatrany hampitsaharana ny asan'ny masoivohony ao Kiev, solontena manaramaso ny momba ireo Indôneziàna 153 mipetraka ao Okraina.

Nambaran'ny Ministeran'ny Raharaha Ivelany (Kemlu) fa na eo aza ny  toedraharaha misy, manohy ny asany ihany ny masoivoho ho fanampiana amin'ny fanesorana maika ireo teratany indôneziàna. Hatramin'ny 1 Martsa, Indôneziàna 99 sy fianakavian'izy ireo mivantana niisa dimy no efa navoaka sahady nankao Pôlônina sy Moldova.

Andraman'ny Kemlu hatrany ny mamoaka Indôneziàna sivy avy ao Chernihiv  ary efatra avy ao Kharkiv, tanàna okraniàna roa manamorona an'i Bielôrosia sy Rosia, izay mbola iharan'ny daroka baomba henjana amin'izao fotoana izao.

Tamin'ny alàlan'ny kaontiny Instagram, ny masoivoho indôneziàna ao Kiev dia nandefa fanavaozam-baovao momba ny dingana famoahana mankany Moldova.

setelah koordinasi dengan Kemlu Pusat, diputuskan untuk mengevakuasi WNI segera setelah selesainya jam malam di Kota Kyiv, 28 Februari 2022. Hal ini juga dilakukan dengan mempertimbangkan keamanan fisik dan logistik. Perjalanan evakuasi bertepatan juga waktunya dengan dimulainya negosiasi antara Ukraina dan Rusia di Gomel, Belarus sehingga ada waktu jeda untuk kemanusiaan.

Dipimpin oleh Dubes RI Kyiv, Ghafur Dharmaputra dengan dukungan seluruh Tim KBRI Kyiv dan Atase Pertahanan RI Warsawa yang terakreditasi di Kyiv, Adi Triady, evakuasi dilakukan dengan konvoi 7 mobil jalan darat menuju perbatasan Ukraina dan Moldova. Jarak yang ditempuh dari Kyiv ke perbatasan Moldova sekitar 330 KM, melewati 10 checkpoints.

Fandrindràna iarahany amin'ny [Ministeran'ny Raharaha Ivelany], ny alin'ny 28 Febroary 2022 no tapaka ny hevitra fa hatao ny famoahana avy ao Kiev.Io fanapahankevitra io dia azo itarafana ny fitoniana ara-batana sy ara-pitaovana eny an-kianja. Narindra ilay famoahana mba hifanojo amin'ny fanombohan'ny fifampiraharahana eo amin'ny Okrainiàna sy Rosiàna ao Gomel, Bielôrosia, izay namorona lalantsara vonjimaika noho ny maha-olombelona (famoahana). Ambany fitarihan'ny masoivohon'i indôneziàna ao Kiev, sy miaraka amin'ny fanohanana feno avy amin'ireo mpiasa ao amin'ilay masoivoho ary ny Mpiandraikitra ny Fiarovana ny Masoivoho, namakivaky ny làlana 330 km nitety ny tanàna môldavy ireo fiara fito nitandahatra, nandalo toerana fisavàna niisa folo.

Nisy efatra ambiroapolo ireo teratany indôneziàna no nangataka hijanona ao Okraina noho ny resaka fianakaviana. Isan'ireny ny Indôneziàna iray Youtuber, Benni Sitanggang, mipetraka ao Ternopil, izay nijanona niaraka amin'ny vadiny, teratany okrainiàna mitondra vohoka sivy volana.

Tao anatin'ny fanavaozana Youtube nalefany tamin'ny 27 Febroary ho an'ireo mpiteny indôneziana manaraka azy no nanoritsoritan'i Sitanggang ny niainany manokana ireo andro taorian'ny nanombohan'i Putin ny ady tamin'i Okraina. Nalainy sary ireo arabe foana tsy misy olona ao Ternopil nefa izy milahatra hividy fanafody tao amina farmasia iray ao an-tanàna miaraka amin'ny vadiny bevohoka be, ny zanany vavy ary ny rafozambaviny.

Nisy anjomara fanairana tsy tapaka ny alin'iny. Nampitandrina anay ireny anjomara ireny ny amin'ny mety hisian'ny fanafihana an'habakabaka, mba hahafahanay mamonjy toerana azo antoka. [..]  Nikatona ny banky, araka izany dia eny amin'ireo GAB izahay no miezaka maka vola raha misy ny hamehana. […] Efa hatramin'ny Alatsinainy sy Talata no nipetraka ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina.

Tao an-tranony, notohizany ny fandraketana an-tsary miaraka amina feon'anjomara somary malefaka any ho any. Nomarihany fa ny fianakaviany dia nihevitra ny hiampita ny sisintany ho any Pôlônina raha sanatria tsy  mihatsara ny toedraharaha.

[…] Tiako ny mba hizara ny vaovao tsara fa ireo Indôneziàna nipetraka tao Odessa dia tonga soa aman-tsara ao Romania ary efa noraisin'ny Masoivoho Indôneziàna ao Romania an-tànana. Ny drafitra B ho anay dia ny ho any Pôlônina, satria nanaovana tolokevitra ho fiahiana anay izahay tao amin'ny sisintany, kanefa, miharatsy ny toedraharaha amin'izao fotoana izao satria efa tena tsentina be i Pôlônina. Feno ny fiarandalamby ary tapaka ny sasany amin'ireo tolotra fanomeny.

Fony nipoaka ny ady, marobe ireo vondrompiarahamonina am-pielezana no voatery niaritra fanavakavahana ara-poko sy fanilikilihana teny amin'ny sisintany. Tamin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, tsy misy tatitra fantatra momba izay fanavakavahana nanjo ny vondrompiarahamonin'ireo Indôneziàna am-pielezana.

Mandritra izany fotoana izany, tonga hatrany amin'ilay vondronosy ny fisampanan'ny ady. Manontany tena ny filoha indôneziàna, Joko (Jokowi) Widodo, raha tokony ho ahilika tsy hanatrika ny vovonana G20 i Rosia amin'ny Oktôbra 2022, ho toy ny tsindry iraisampirenena. Indônezia no filoha mitantana ny vovonana ary miatrika ireo antso ataon'ny fikambanambe iraisampirenena avy amin'ny lafy roa momba io resaka io, nefa i Putin efa nanambara ampahibemaso ny fikasany hanatrika ny hetsika. Atrehan'i Indônezia ihany koa ny tsy fahampiana maro ateraky ny ady sy ny fahatapahan'ny famatsiana, indrindra fa ireo paty malaza Indomie sy ny menaka fanendasana.


Raha te-hahazo vaovao misimisy kokoa momba io lohahevitra io, jereo ny fandrakofanay manokana ny  Rosia manani-bohitra ao Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.