- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ahoana ny fomba fahitan'ireo ‘Myanmar roa’ ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina

Sokajy: Azia Atsinanana, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Myanmar (Birmania), Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet, Myanmar Coup, Russia invades Ukraine

 

[1]

Mpikambana ao amin'ny Komity Hetsiky ny Fitokonana ho an’ny Demokrasia ao Dawei, Myanmar nanambara ny firaisankinany amin'i Okraina. Pikantsary [1] tao amin'ny lahatsary YouTube-n'ny Masoivohom-baovao Tachileik.

Nanohana ny fanafihan’i Rosia an'i [2] Okraina ny governemanta miaramila Myanmar naka ny fahefana [3] tamin'ny volana Febroary 2021. Nandritra izany fotoana izany, nifidy ny ‘eny’ tamin'ny fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana manameloka ny fihetsik'i Rosia ny National Unity Government (NUG na governemantan'ny Firaisampirenena). Misolo tena [4] ny antokon’ny fitondrana teo aloha sy ireo hery politika manohitra ny fitondrana miaramila ny NUG.

Nilaza [5] tamin'ny onjam-peo Voice of America ny fanohanan'ny fitondrana an'i Rosia ny mpitondratenin'ny fitondrana miaramila, Mazaoro Jeneraly Zaw Min Tun.

Number one is that Russia has worked to consolidate its sovereignty. I think this is the right thing to do. Number two is to show the world that Russia is a world power.

Voalohany, niezaka nanamafy ny fiandrianam-pireneny i Rosia. Heveriko fa izany no mety hatao. Faharoa, mampiseho amin'izao tontolo izao i Rosia fa firenena matanjaka eran-tany izy.

Nanana fifandraisana manokana i Rosia sy ny fitondrana miaramila. Taorian'ny fanonganam-panjakana tamin'ny taona 2020, iray amin'ireo firenena tokana eto amin'izao tontolo izao nanohy [6] nanao raharaham-barotra tamin'ny fitondrana miaramila i Rosia na dia teo aza ny fampiakaram-peo maneran-tany. Fanampin'izany, manamboninahitra miaramila ao Myanmar maherin'ny 7.000 no nahazo fiofanana ara-tafika sy vatsim-pianarana oniversite tany Rosia.

Tao amin'ny lahatsoratra iray navoaka amin'ny teny birmana tamin'ny 27 Febroary 2022,  nidera [7] ny filoha Rosiana Vladimir Potinina ho mpitondra manana vina ilay mpitondratenin’ny fitondrana miaramila Myanma Alin, mpanoratra mampiasa ny solon'anarana hoe “Myint Myat”. Nitanisa ny zava-misy any Okraina ilay mpanoratra mba hanakianana [8] ny governemantan'i Myanmar naongana sy ny mpitondra azy Aung San Suu Kyi, izay mbola nohazonina taorian'ny fisamborana azy nandritra ny fanonganam-panjakana.

Politicians and individuals who think they are big just because they can bluff people on human rights and democracy should understand by now that the security of our own people, the power of our country, and our own national interests are more important than human rights and democracy.

Tokony hahatakatra amin'izao fotoana izao ireo mpanao politika sy olon-tsotra mihevi-tena ho lehibe noho ny famitahany ny olona amin'ny zon'olombelona sy ny demaokrasia fa manan-danja kokoa noho ny zon'olombelona sy ny demaokrasia ny fiarovana ny vahoakantsika, ny herin'ny firenentsika ary ny tombontsoam-pirenentsika manokana.

Mifanohitra amin'ny nataon’ny fitondrana miaramila, namoaka fanambarana maneho firaisankina amin'ny vahoakan'i Okraina ny NUG.

Melohinay tanteraka ny fanafihana tsy am-piheverana an'i Okraina izay manimba ny satan'ny Firenena Mikambana sy ny lalàna iraisam-pirenena. Mivavaka ho an'ny vahoakan'i Okraina izahay eo am-piatrehana ny fijalian'izy ireo amin'ity fanafihana tsy ara-drariny ity.

Myanmar's NUG even co-sponsored the draft UN resolution condemning Russia. Speaking at the emergency special session of the UN General Assembly on the situation in Ukraine on March 2, Ambassador Kyaw Moe Tun explained [10] their position.

Niara-nanohana ny volavolam-panapahan-kevitry ny Firenena Mikambana manameloka an'i Rosia mihitsy aza ny NUG ao Myanmar.  Nanazava [10] ny fanapahan-kevitr’izy ireo ny ambasadaoro Kyaw Moe Tun raha niresaka tamin'ny fivoriana manokana vonjimaika nandritra ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana momba ny zava-misy any Okraina tamin'ny 2 marsa.

Myanmar understand and share more than others the suffering that the people of Ukraine are encountering. The people of Myanmar are facing similar suffering resulted from the inhumane acts, atrocities, crimes against humanity committed by the Myanmar military.

Myanmar stands in solidarity with the people of Ukraine. In doing so, Myanmar cosponsored the draft resolution and will vote YES.

Mahatakatra sy mizara mihoatra noho ny hafa ny fijaliana mahazo ny vahoakan'i Okraina i Myanmar. Miatrika fahoriana mitovitovy amin'izany ny vahoakan'i Myanmar vokatry ny fihetsika tsy maha-olombelona, ​​ny habibiana, ny heloka bevava natao tamin'ny maha-olombelona nataon'ny tafika Myanmar.

Mijoro ho firaisankina amin'ny vahoakan'i Okraina i Myanmar. Tamin'ny fanaovana izany, i Myanmar dia nanohana ny volavolan-dalàna ary hifidy ny ENY.

Tsy nanonona an'i Okraina ho namatsy [11] fitaovam-piadiana [12] ihany koa ny fitondrana miaramila tamin'ny herintaona ny NUG.

Nanamarika [13] ny tranonkalam-baovao tsy miankina Mizzima fa maneho ny fifandonana ara-politika ao Myanmar ny famaivain'ny fifandirana ara-politika ny fanambaràna nataon'ny fitondrana miaramila sy ny NUG.

The two very different approaches were a reflection of Myanmar’s split political and diplomatic status.

In one corner, the illegal Myanmar junta seeks to retain strong ties with Moscow due to their diplomatic and material support in form of fighter jets and helicopters.

In the other corner, the representative of the National Unity Government (NUG) Kyaw Moe Tun seeks to run with the pack and their Western backers – hence the “Yes” vote to rap the actions of Putin.

Taratry ny fizarazaran'ny sata ara-politika sy ara-diplaomatika ao Myanmar ireo fomba roa samihafa ireo.

Amin'ny lafiny iray, mitady hihazona fifandraisana matanjaka amin'i Moskoa ny fitondrana miaramila tsy ara-dalàna ao Myanmar noho ny fanohanan'izy ireo ara-diplaomatika sy ara-pitaovana amin'ny endrika fiaramanidina mpiady sy helikoptera.

Etsy andaniny, mikasa hanaraka ny fifandonana sy ny fanohanany ny tandrefana – noho izany hifidy ny “Eny” hanamelohana ny fihetsik'i Potinina ny solontenan'ny NUG Kyaw Moe Tun.

Ankoatra ny NUG, nanetsika hetsi-panoherana manohitra ny fananiham-bohitra ataon'ny Rosiana an'i Okraina ireo mpikatroka sy ny vondrona manohitra ny fitondrana miaramila.

Any amin'ny farany atsimon’i #Tanninthari [14] mankany amin'ny farany avaratr’i #Kachin [15] any #Myanmar [16] ary any #Yangon [17] mankany #Okraina [18],

asehon'ny tanora ny firaisankina manerana an'izao tontolo izao mandrava ny sakana amin'ny firazanana, fivavahana, fiteny sy ny sakan’ny sisintany.

#StandWithUkraine [19] Перемога за нами 🇺🇦🇲🇲 pic.twitter.com/GHHWJWrXbS [20]

Nampatsiahy [22] ny fanohanan'ny olom-pirenena Okraina maro ny hetsika tsy fankatoavana sivily tao Myanmar taorian'ny fanonganam-panjakana ny mpikatroka Thinzar Shunlei Yi.

Ukranians Activists, students & young people,

Myanmar's revolution stands with you.

We know our countries r facing unique hostile situations.Yet, facing evil dictators like Putin, #Myanmar can help exchange one or two since their tactics r almost the same.

Okrainiana mpikatroka, mpianatra ary tanora,
Mijoro miaraka aminareo ny revolisiona Myanmar.
Fantatray fa miatrika toe-javatra tsy manam-paharoa ny firenenay. Na izany aza, manoloana ireo mpanao didy jadona ratsy toa an'i Potinina, afaka manampy amin'ny fifanakalozana iray na roa i Myanmar satria saika mitovy ny paikadin'izy ireo.

Satria miray hina sy mifanohana ny mpanao didy jadona dia tsy maintsy mitady vahaolana iraisana hamahana izao olana iraisana izao eto amin’izao tontolo izao isika.

Mandritra izany fotoana izany, mandefa tsy tapaka ny vaovao farany momba ny zava-misy any Okraina ny Masoivoho Rosiana any Myanmar ary manizingizina [29] fa “mitongilana”, “diso”, ary tsy “mari-pototra” ny tatitry ny vaovao ao an-toerana milaza ny hetsika Rosiana ho fanafihana.

The Progressive Voice, vavahadin-gazety mpomba ny demaokrasia, nilaza [30] fa ny fanohanana omen'ny governemanta sy ny andrim-panjakana maro an'i Okraina dia tokony hitarina ihany koa amin'ny fanoheran'i Myanmar ny fitondrana miaramila.

Nilaza [30] ny The Progressive Voice, vavahadim-baovao mpomba ny demokrasia, fa tokony hitarina ihany koa amin'ny fanoheran'i Myanmar ny fitondrana miaramila ny fanohanana omen'ny governemanta sy ny andrim-panjakana maro an'i Okraina.

The situation in Ukraine has shown that the international community can act swiftly and in a largely united way, punish Russia for its violent actions. It is essential that Myanmar’s democratic resistance receives the same support and solidarity that Ukraine is currently receiving. The Spring Revolution will be won by the people. But, concrete, material support and punitive measures including oil and gas sanctions can further weaken the Myanmar military that is already stretched, under-resourced, and facing a determined and resolute resistance. Such timely coordinated actions from the international community, just like Ukraine is receiving, is the only piece missing that is needed for a final push that will fell the Myanmar military once and for all.

Mampiseho ny zava-mitranga any Okraina fa afaka mihetsika haingana sy miray saina ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena, manasazy an'i Rosia noho ny herisetra nataony. Tena zava-dehibe raha mahazo fanohanana sy firaisankina mitovy amin'ny azon’i Okraina i Myanmar  amin’ny fanoherana ara-demaokratika amin'izao fotoana izao. Ho azon'ny vahoaka ny Revolisiona Lohataona. Saingy, mety hampihena kokoa ny herin'ny miaramila ao Myanmar izay efa reraka, tsy ampy fitaovana, ary miatrika fanoherana hentitra ny fanohanana mivaingana sy ara-pitaovana ary ny fepetra fanasaziana, anisan'izany ny sazy momba ny solika sy ny etona. Ny hetsika voarindra ara-potoana toy izany avy amin'ny vondrom-piarahamonina iraisam-pirenena, tahaka ny atao amin'i Okraina, no hany singa tsy ampy ilaina amin'ny fanerena farany izay handrava ny miaramila ao Myanmar indray mandeha tsy miverina.


 

Ho fampahalalana misimisy kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny fitantaranay manokana momba ny Fanafihan'i Rosia an'i Okraina. [2]