- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Mbola henoko ny feon'izy ireo': Vehivavy telo niasa ho an'ireo marefo indrindra tao Jamaika

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge

Ankavia miankavanana: Maître Nancy Anderson, Dr. Glenda Simms (sary avy amin'i Emma Lewis, nahazoana alalana) ary Evelyn Smart, mpiara-manorina ny Caucus Politikan'ny Vehivavy Jamaika (sary avy amin'i Carol Narcisse, nahazoana alalana). Niady ho an'ireo marefo sy tsy manana zo, any Jamaika sy any ivelany ireo vehivavy tsirairay ireo.

Navoaka voalohany tao amin'ny bilaogin'i Petchary [1], hita eto ambany eto ny dika nasiam-panovana tamin'ity lahatsoratra ity rehefa nahazoana alalana.

Toa fotoana tsara indrindra hanomem-boninahitra ireo vehivavy telo nijoro ho an'ny rariny — ho an'ny lahy na vavy — ao Jamaika sy any ivelany ny volana marsa, volana ankalazana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy [2].

Mampihomehy fa na efa namoy ny ainy aza ireo olona ireo, dia mbola henoko manakoako ao an-dohako ny feon'izy ireo. Malemy sy miziriziry ny feon'ilay mpisolovava sady mpiaro ny zon'olombelona Nancy Anderson [3], miaraka amin'ny feo nipoitra avy amin'ny lantom-peony “Jamaikana”, teraka tany Michigan ary tonga tao Jamaika tamin'ny taona 1969 ho mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny Peace Corps an'i Etazonia. Nanana fihomehezana kely sy vazivazy manesoeso ihany koa koa izy.

Nandray anjara tamina raharaha lehibe maro momba ny zon'olombelona i Anderson tany amin'ny fari-piadidiana eo an-toerana sy isam-paritra. Izy no nisolo tena an'i Shanique Myrie [4], izay nahomby tamin'ny fitoriana ny governemanta Barbadiana noho ny fitazonana tsy ara-dalàna, tamin'ny raharaha iray malaza [4] nohenoina tao amin'ny Fitsarana Karaibeana.

Ankoatra ny maha-feo matanjaka azy ho an'ny rariny, mpanoro hevitra sy mpampianatra mahafinaritra izy, nanentana ireo mpisolovava vao haingana tao amin'ny Sekolin'ny Lalàna Norman Manley [5]. Niahiahy manokana momba ny fahorian'ireo voafonja tao amin'ny fonjantsika izy – tsy antony “sexy” manokana, fa izay noraisiny lalina — ary tsy nanao fisehosehoana mihitsy izy. Nodimandry ny 29 Novambra 2021 i Anderson.

Vehivavy iray hafa izay tsy hohadinoiko mihitsy ny feony dia ny Dr. Glenda Simms [6]. Feo lalina sy mafy orina izy io, ary somary farina kely indraindray, kanefa mahalasa lavitra. Na dia toa mampatahotra ny sasany aza izy, dia nafana sy nanana fihetseham-po avo lenta ity vehivavy matanjaka avy any ambanivohitr'i St. Elizabeth [7] ity.

Tamin'ny taona 2005 izy no iray tamin'ireo voalohany nanomboka niresaka momba ny fanondranana olona an-tsokosoko tao amin'ny nosy, ary nahatonga ny polisy hampitsahatra ny “tsena” isan-kerinandro ho an'ny tovovavy hiasa amin'ny toeram-pandihizana any atsimo andrefan'i Jamaika [8]. Tamin'izany fotoana izany, vitsy dia vitsy ny Jamaikana no nahalala fa nitranga izany, na ny loza aterak'ity varotra mahafaty ho an'ireo vehivavy marefo indrindra ity. Amin'ny maha-filohan'ny Biraon'ny Raharaha Misahana ny Vehivavy [9] azy, dia niara-niasa akaiky tamin'ny praiminisitra vehivavy voalohany tao Jamaika, Portia Simpson-Miller [10] izy. Fanompoana, miaraka amin'ny renintsoratra “F” ny fiainany; maty tamin'ny alin'ny taom-baovao taona 2021 izy, teo amin'ny faha-82 taonany.

Nodimandry tamin'ny 11 Marsa 2022 teo amin'ny faha-93 taonany i Evelyn Smart [11], mpiara-manorina ny Jamaica Women's Political Caucus (JWPC). Tsaroako ny fanoloran-tenany lehibe tamin'ny JWPC sy ny fanomezana vahana ny vehivavy mba handray ny toerana ara-politika

Nifantoka sy tapa-kevitra izy – ary tena “mpampianatra” (amin'ny fomba tsara) ny feony. Avy aminy no nianarako zavatra betsaka momba ny satan'ny vehivavy Jamaikana; tahaka ny “likkle” tamin'ny tsanganany izy saingy “tallawah” [12]tamin'ny fanahy.

Amiko, ny famoizana vehivavy telo feno fanoloran-tena tao anatin'ny fotoana fohy no manoritra fotsiny ny zava-misy fa, na andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy na tsia, dia tokony hankalaza ny vehivavy tsara isika rehefa mihaona amin'izy ireo; mankahery sy manohana azy ireo na aiza na aiza ary amin’ny fotoana rehetra azontsika atao.

Araka ny nolazain [13]‘i Ava DuVernay [14], mpamokatra sarimihetsika Afrikana-Amerikana, “Aza miraharaha ny valindrihana fitaratra ary ataovy ny asanao. Raha mifantoka amin'ny valindrihana fitaratra ianao, mifantoka amin'izay tsy anananao, mifantoka amin'ny fetra, dia ho voafetra ianao.”

Heveriko fa hanaiky ny hevitro ireo vehivavy telo ireo. Na ahoana na ahoana, henoko ny feon'izy ireo mamporisika ny taranaka vehivavy ho avy mba hanohy amim-pahasahiana ny lalana izay nandraisan-dry zareo anjara famolavolana.