‘Fiovàna lehibe ny fifankatiavan'ny samy vehivavy,’ hoy ilay Meksikàna feminista

Sary: Hetsipanoherana tamin'ny 8 Martsa 2019 tao an-tananan'i Meksikô/Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0)

Tao Meksika, nahasarika ny sain'ny olona an'arivony maro ny fankalazana ny 8 Martsa, Andro Erantany ho an'ny Vehivavy. Iainana mandavantaona ny herisetra ao Meksikô, nihoatra ny 30.000 ireo Meksikàna namoy ny ainy noho ny herisetra tamin'ny 2021 monja. Vehivavy ny betsaka tamin'ireo tra-doza. Nitombo hatramin'ny 137 isanjato ny trangam-pamonoana vehivavy teo anelanelan'i 2015 sy 2020, ary fito ampahafolon'ny ankizivavy sy vehivavy mihoatra ny 15 taona no niharan'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy hoy ny  Anjerimanontolo Nasiônaly Miahy Tena ao Meksika (UNAM).  

Vehivavy iray Meksikàna mpikatroka feminista, izay ny fijoroana vavolombelona nataony dia vavolombelon'ny toedraharaha sarotra atrehan'ireo vehivavy ao Meksika, no milaza amin'ny Global Voices momba ny fiainany andavanandro amin'ny maha-mpikatroka ho an'ny zon'ny vehivavy azy. Ho fiarovana azy, hosoloina amin'ny solonanarana ôfisialy “Hormiguita” (Vitsika Kely) ny anarany. Any ivelan'ny tananan'i Meksikô izy no mipetraka.

Efa hatramin'ny 2020 i Hormiguita no mpikatroka feminista mavitrika. “Nanomboka tamin'ny valanaretina no niandoha izao rehetra izao,” hoy izy manazava. “Nandray fanapahankevitra ny hihetsika ny morras.” Ny Morras, teninjatovo meksikàna ilazàna ny tovovavy, dia ampiasaina anatin'ity toedraharaha ity hamaritana ireo tovovavy izay mavitrika amin'ny hetsika feminista.

Ho an'i Hormiguita, “Fiovàna lehibe ny fifankatiavan'ny samy vehivavy,  fanoherana izany, ary fanomezanao ny tenanao ny fahafahana miaina ny andro tsirairay miaraka amina vina iray hafa.”

Teo anoloan'ny Bellas Artes Palace no fihetsiketsehana voalohany nataony, ao afovoan'ny renivohitra. Hazavainy anefa fa tsy faly ireo mpivarotra amoron-dàlana. “Natao anay daholo na ny fikasihan-tànana na ny vava ratsy, araka izany dia tsy niverina tamin'io faritra mampididoza io intsony izahay mba hisorohana ny fisiana fifandonana hafa.”

Helohin'ireo Meksikàna feminista ny tsy fahaizamanao sy ny tsy fandraisana andraikitry ny governemanta meksikàna momba ireo olan'ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy ary ny fikirakiràna taratasy tafahoatra mifandraika amin'ny fanaovana tatitra tranga iray, izay mampiseho ny tsy fisian'ny fiahian'ny governemanta an'ilay olana. 4 isanjato monja amin'ireo trangana famonoana vehivavy no tonga eny amin'ny fitsaràna, ary io haavon'ny tahan'ny tsimatimanota io no iray amin'ireo olana fototra toherin'ireo feminista.

Hazavan'i Hormiguita fa rafitra sarotra ny fandrindràna ireo diaben'ny feminista, izay afaka jerena amin'ny haben'ireo diabe tao Meksikô, satria afaka tonga hatrany amin'ny 20.000 ireo mpanao hetsipanoherana.

“Taty aoriana aho tonga saina hoe fikambanambe iray sy mandatehezana tokana no nikarakara ireo fivoriambe. Maherin'ny 10 hatramin'ny 15 tany ireo vondrona tafakamban'ireo fivoriambe ary, ankoatra izay, afaka miantehitra amina tambajotram-panohanana goavana izahay, izay nanampy nampiray ireo vondrona feminista avy amin'ireo fanjakana manerana an'i Meksika.” Lazain'i Hormiguita fa amin'ny ankapobeny ny fijerin'ny olona an'ireo feminista dia toy ny misaratsaraka ary matetika misy tsy fitovian-kevitra ao anatin'ny hetsika, saingy hamafisiny fa “tanjon'izy ireny hatrany ny hifampitsinjo”

Tamin'ny 2020, ho fanoherana ny herisetra mifototra amin'ny maha-lahy na maha-vavy, dia nisy ireo feminista mpanao hetsipanoherana nametaka hafatra tamin'ny loko mena teo amin'ny varavaran'ny Lapa Nasiônaly, izay nampiasaina ho toy ny biraon'ny governemanta federaly notarihan'i Andrés Manuel López Obrador (AMLO), ilay avy amin'ny elatra havia. Herintaona taorian'io, navadik'ireo mpanao hetsipanoherana ho toy ny tsangambato fahatsiarovana an'ireo vehivavy rehetra niharam-pamonoana ny fefy, izay najoro hiaro ny rindrin'ilay lapa. Tamin'ity taona ity, naverin'ny governemanta nasiana fefy indray ny lapa.

Misy koa ireo hetsipanoherana any amin'ireo faritra hafa ao amin'ny firenena. Tao Guerrero, fanjakana iray any atsimon'i Meksika, nirotsaka hifaninana ho governora i Félix Salgado Macedonia, voaheloka ho mpanolana. Ny Morena, antoko pôlitika eo amin'ny fitondràna, nanohana ampahibemaso an'i Salgado Macedonia. Tamin'ny Febroary 2021, nanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny Fitsaram-panjakana misahana ny Fifidianana ry zareo feminista tao Guerrero, nanoherana ny fiarahamiasan'izy io tamin'ny fanekena ny firotsahan'ilay pôlitisiàna: “Raha tsy misy ny fandàvana, dia hisy ny revôlisiôna,” hoy ny hiakan-dry zareo. Volana vitsy taty aoriana, nandeha tany amin'io fanjakana io i AMLO, toerana itrangan'ny fanondranana tsy ara-dalàna sy ny fampivarotantena ireo ankizivavy. Nohamaivaniny ilay olana, tamin'ny filazàna fa “tsy ilaozan'izay tsy hisy haningana” sy tamin'ny fanindriana mafy ny hoe “any anatin'ireny vondrompiarahamonina ireny dia misy soatoavina ara-kolontsaina, môraly sy ara-panahy marobe.”

Nohazavain'i Hormiguita ny antony nahatonga azy nisafidy ny tsy hanome ny tena anarany: “Nitory imasom-bahoaka [olona ambony manampahefana] avy tao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa nisy ahy aho taorian'ny nialàko tao, ary voamariko fa marobe ireo ankizivavy no nizaka ny zavatra nozakaiko tao amin'io sekoly ambaratonga faharoa io. Avy eo, nisy ireo olona ambony manana lenta akademika, mpampianatra, ary mpianatra no nanomboka nandrahona sy nila vaniny tamiko. Notondroina aho ary notsiniana satria ny zavamisy fotsiny hoe ianao mitatitra izay rehetra hadisoana ara-drafitra dia efa ijoroan'ny olona hanohitra anao.”

Io zava-niainany io no nanosika an'i Hormiguita ho lasa feminista fanta-bahoaka any amin'ny faritra misy azy. “Io toejavatra io no ilay vanja nandrehitra ny afo, satria nanomboka nandefa hafatra tamiko nangataka fanampiana momba ny fanalànjaza ieren-doza ireo ankizivavy [avy ao amin'ny manodidina] [amina toejavatra voafaritra manokana ihany no ekena ny fanalànjaza ao Meksika], na mba hitoroka mpanao herisetra, na hangataka torohevitra. Avy eo, naharay fandrahonana aho avy amin'ireo nanao herisetra tamin'ireo ankizivavy ireo ihany, ary koa niatrika ilay mpanao herisetra tamiko manokana, fa dia niaro azy daholo ireo olona manodidina ahy akaiky.”

Nefa vao mainka niharatsy hatrany hatrany ireo fandrahonana. “Nandefa hafatra tamiko ry zareo ary niantso ahy tamin'ny telefaona mihitsy aza, sy niteny tamiko hoe ‘Ho avy hanolana anao izahay’, ‘Hofongorinay tsy hisy ianao’ , ‘Hainay ny toerana fonenanao’, sady tanisaina ny adiresiko.” Nanehoan'i Hormiguita hevitra ihany koa ny nahatsapany sy ireo mpiaramiasa aminy hoe manara-maso an-dry zareo ireo mpiasam-panjakana sy ny pôlisy.

Ambaran'i Hormiguita amintsika ny momba izay tena zotra fototr'ireo fitakian'ny feminista ho an'ny 2022: “Ho an'ity 8M ity, mikarakara hetsipanoherana am-pilaminana izahay, ary koa hijery izay mety ho fahafahana manomboka fifampiresahana an-databatra hitakiana ny hanaovana ny fanalànjaza ho ara-dalàna eto Meksika.”

Na eo aza ny fahasahiranana maro sy ny fandrahonana, tsaroany ny fanohanan'ny vondrompiarahamonin'ireo mpikatroka. “Tsapako ny firahavaviana eo anivon'ny feminisma, satria mifanampy izahay, ny sakafoko isanandro dia ny manampy ireo ankizivavy hitatitra io trangana fanolanana ary manaraka ireo finakaviana miatrika ny fitsaràna ho an'ireo trangana famonoana vehivavy; izay ataoko ankehitriny, dia tsy ho ahy fa ho an'ireo taranaka ho avy.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.