- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rakipeo: Ahoana no fomba fijerin'ny ilabolantany atsimo ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Latina, Azia Atsimo, Azia Atsinanana, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Global Voices Podcast, Russia invades Ukraine

 

Sary natolotr'i Ameya Nagarajan

Ato amin'ity famerenana indray ny Rakipeo Global Voices ity no hiresahan’ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny efitrano famoaham-baovaonay ny mety ho fiantraikany na tsia amin’ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina any Amerika Latina, Azia Atsimo, Azia Atsimo Atsinanana ary Afrika atsimon'i Sahara. Inona no eritreretin’ny olona any amin'ireo faritra ireo momba ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina? Manantena ny governemantany hihetsika ve izy ireo sa tsia? Inona avy ireo fiantraikany maharitra ho an'ireo faritra ireo – toy ny dona amin'ny vidin-tsolika sy ny hanoanana maneran-tany?

Mitondra ho anao ny vaovao any an-toerana avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao ny Rakipeo Global Voices. Isan-kerinandro, mizara ny vaovao manan-danja indrindra ao amin'ny vondrom-piarahamoniny ireo vondrom-piarahamoninay anatiny sy ny fomba famolavolany ny tantarany avy amin'ny zava-misy eo an-toerana. Henoy ary izao ny vaovao manerantany atolotra anao isan-kerinandro avy amin'ny feo any an-toerana.

Raha nahafinaritra anao ity fizarana ity, azafady misoratra anarana [1] ary lazao amin'ny namanao ny momba anay! Afaka manjohy anay amin’ny Twitter [2] ianao. Ny mozika ato amin'ity rakipeo “Voyage [3]” ity dia avy amin'ny feonkiran’i NikMartken ato amin'ny vondrom-piarahamoninay midadasika Global Voices.