- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rahonan'ny masoivoho Rosiana ao Skopje horaiketina ireo tsy mitovy hevitra amin'ny fironana ofisialy an'i Kremlin, lazaina ho ‘Russophobes (mankahala Rosia)’

Sokajy: Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, GV Mpisolovava, Russia invades Ukraine

Sary natambatra avy amin'ny siokan'ny masoivoho Rosiana sy ny pejy voalohany amin'ny famoahana “Fankahalana Rosiana amin'ny paikadin'i Kremlin: Fitaovam-piadiana mandripa-bahoaka.” Sary avy amin'ny Meta.mk, nahazoana alalana.

Ity tantara ity dia navoakan’ny Meta.mk [1] tany am-boalohany. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panovana araka ny fifanarahana fifampizaràna votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation.

Ny masoivoho Rosiana any Skopje no hany tany amin'ny faritr'i Balkans nandika an-tsoratra sy nampita ny “fampitandremana” avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao amin'ny Federasiona Rosiana (MFA) momba ny firongatry ny “Fankahalana Rosiana” izay manipika fa “voarakitra an-tsoratra amim-pitandremana ny trangan-javatra rehetra toy izany.”

Na dia nametra sy nosakanan'ny [2] andrim-panjakana ao amin'ny Federasiona Rosiana aza ny fidirana amin'ny sehatra tambajotra sosialy Facebook sy Twitter ho an'ny olom-pireneny, dia mbola mampiasa azy roa ireo ny MFA Rosiana.

Namoaka [3]ity fanambarana manaraka ity tamin'ny 5 martsa tamin'ny 17:55 CET ny Twitter ofisialin'ny MFA Rosiana. Ora vitsivitsy taty aoriana, tamin'ny 23:03 CET, dia nadika tamin'ny teny Makedoniana izany ary nanatsonga ny sioka [4] avy amin'ny horirantava ofisialin'ny masoivoho Rosiana ao Skopje.

“Mahatsikaritra ny haben'ny fankahalana Rosiana tsy nisy toy izany tao amin'ireo firenena vahiny maromaro ao anatin'ny tontolon'ny hetsika miaramila manokana ao Okraina izahay.

❗ Mampitandrina izahay fa voarakitra tsy misy tavela ny trangan-javatra toy izany.”

Iray andro talohan'izay, tamin'ny 4 Martsa, namoaka lalàna mandràra amin'ny sazy henjana noho ny “fanaparitahana vaovao hosoka tamin'ny fomba tsy nahy” momba ny hetsiky ny tafika Rosiana ny parlemanta Rosiana (Duma [7]), izay ahitana sazy an-tranomaizina hatramin'ny 15 taona, araka ny tatitry [8]ny Truthmeter.mk .

Namoaka sazy onitra isan-karazany noho ny “fanalam-baraka ny tafika mitam-piadiana ao amin'ny Federasiona Rosiana (RF)” ihany koa ny parlemanta Rosiana. Ho tompon'andraikitra amin'ny antso ampahibemaso mitaky ny fandraràna ny fampiasana ny tafika mitam-piadiana RF ny olom-pirenena.

Tafiditra ao anatin'ilay lalàna vaovao ny fepetra fanivanana [9] manokana mikasika ireo hetsika ataon'ny tafika mitam-piadiana Rosiana amelezana an'i Okraina, mandràra ny fampiasana ny teny hoe “fananiham-bohitra” sy “ady”, manoro hevitra amin'ny fampiasana ny voambolana ofisialin'i Kremlin hoe “hetsika miaramila manokana” irery ihany.

Niteraka fanehoan-kevitra fihantsiana an-jatony avy amin'ireo olom-pirenena Makedoniana voatevateva ny lahatsoratry ny masoivoho Rosiana ao Skopje, manomboka amin'ny fanambarana tsy finoana ka hatramin'ny fiteny maloto ka hatramin'ny fanehoana fanohanana an'i Okraina voatafika, ary koa (manohana) ny vahoaka Rosiana miaritra didy jadona.

Tena mino an'ireo zavatra adikanao sy avoakanao ireo ve ianao? Manontany izany aho amin'ny maha-mpankafy ny zavakanto sy literatiora Rosiana ahy. Izany eo ihany, aza misalasala mandrakitra ahy koa.

Ao anatin'ireo fanehoan-kevitra maro naneho hatezerana, naneho fanohanana ny fitondrana Kremlin ihany koa ireo sioka maro avy amin'ireo izay milaza tena ho anisan'ny antoko politika Levica, anisan'izany ny fikasana hanaratsy mpanao gazety [11]sy mitabataba [12] amin'ny fananganana lisitra mainty izay hitarika ho amin'ny famafana (ain'olona).

Fandrahonana sy fiampangana ny “Fankahalana Rosiana” ho fitaovam-piadiana fampielezan-kevitra

[13]

Pejy voalohan'ny fandalinana “Russophobia amin'ny paikadin'i Kremlin. Fitaovam-piadiana famotehana faobe” nataon'i OSW (2015). Fampiasana ara-drariny.Front page of the study “Russophobia in the Kremlin’s strategy. A weapon of mass destruction” [13] by OSW (2015). Fair use.

Nampitandrina ireo mpandinika Eoropeana nandritra ny taona maro fa anisan'ny andiam-pitaovam-piadiana propagandin'i Kremlin ny fiampangana ny “Fankahalana Rosiana”. Ohatra, nilaza ny fanadihadiana “Russophobia amin'ny paikadin'i Kremlin. Fitaovam-piadiana famotehana faobe”  [13] navoakan'ny foibem-pandinihana taranja tatsinanana Poloney (OSW) tamin'ny Novambra 2015 hoe:

Building up an image of Russophobic countries is currently instrumental in shaping a neo-imperial political identity among the citizens of the Russian Federation, mobilising them in the face of real or alleged threats, and also serves as a form of restoring psychological comfort to them in the face of the failure of the Kremlin’s actions (as in Ukraine, for example). The mythologised stereotype of Russophobic countries also remains a crowning argument and a simple explanation for the ongoing tensions in relations between Russia and the West.

Fitaovana lehibe amin'ny famolavolana ny mari-panondroana ara-politika neo-imperialy eo amin'ny olom-pirenen'ny Federasiona Rosiana ny fananganana ny endrik'ireo firenena mankahala Rosiana (Russophobic), manetsika ireo olom-pirenena manoloana ny fandrahonana tena misy na heverina ho izany, ary atao toy ny endrika famerenana amin'ny laoniny ny fampiononana ara-tsaina ho azy ireo ihany koa manoloana ny tsy fahombiazan'ny hetsika ataon'i Kremlin (toy ny any Okraina, ohatra). Mbola mijanona ho tohan-kevitra manan-danja sy fanazavana tsotra momba ny fifanolanana eo amin'ny fifandraisan'i Rosia sy ny Tandrefana ihany koa ny fitsarana an-tendrony navadika ho angano momba ireo firenena mankahala Rosiana.

Efa namoaka fandrahonana mivantana ho an'ny olom-pirenen'ny Repoblikan'i Makedonia Avaratra ny masoivoho Rosiana ao Skopje taloha.

Taorian'ny raharaha Skripal [14] sy ny fandroahana mpiasan'ny masoivoho iray noho ny firotsahany tamin'ny hetsika nihoatra ny sata ara-diplaomatika, nanambara [15]ny masoivoho Rosiana Oleg Shcherbak fa tsy tokony hiditra ao amin'ny OTAN i Makedonia, ary raha misy ny “fifandonan'i Rosia sy ny OTAN, mety ho lasibatra ara-drariny i Makedonia.”

Nandritra ny fihaonambe manokana ho an'ny haino aman-jery natao tamin'ny 29 Martsa 2018 tao Skopje, nanambara [16] ny masoivoho Shcherbak hoe:

“By joining [NATO] the Republic of Macedonia will become part of this military machinery and part of aggression against Russia. This will make you a target of retaliatory strikes by Russia. Is this really necessary for you and your children? Besides, joining NATO will lead to limiting your sovereignty and limiting your foreign policy…”

“Amin'ny fidirana amin'ny [OTAN] ho lasa ampahany amin'ity milina miaramila ity ny Repoblikan'i Makedonia ary ampahany amin'ny herisetra atao amin'i Rosia. Hahatonga anao ho lasibatry ny famelezana valifaty ataon'i Rosia izany. Tena ilaina ho anao sy ny zanakao ve izany? Ankoatra izany, ny fidirana amin'ny OTAN dia hitarika amin'ny famerana ny fiandrianam-pirenenao sy ny famerana ny politikanao momba ny raharaham-bahiny… “

Nandritra ireo volana nanaraka, nanohy namoaka fampitandremana [17]manohitra ny fampidirana ao anatin'ny rafitry ny firaisankina Eoropeana i Shcherbak. Tamin'ny volana Aogositra 2018, nosoloin'i [18] Sergey Bazdnikin ho masoivoho Rosiana izy.

[19]

Pikantsarin'ny macedonia.mid.ru tamin'ny 6 martsa 2022. Sary avy amin'ny Meta.mk.

Tamin'ny fotoana namaranana ity lahatsoratra ity, tsy azo idirana [20] ny tranokalan'ny Masoivohon'ny Federasiona Rosiana ao Skopje .

Mandritra izany fotoana izany ihany, mbola azo idirana ny pejiny Facebook. Mitovy amin'ny fandrahonana ao amin'ny Twitter, mirakitra lahatsoratra misy fampitandremana [21] ihany koa ny pejy Facebook fa ny zava-nitranga rehetra toy izany dia ho “voarakitra tsara an-tsoratra” na horaketina, raha toa ka hafindra any amin'ny tompon'andraikitra mahefa kosa ireo fitaovana mifandraika amin'izany mba hanaovana tombana ara-pitsarana, ka ireo izay hita fa meloka no ho tompon’andraikitra araka ny lalàna misy ankehitriny.


 

Raha mila fanampim-baovao bebe kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny fitantarana ataonay manokana Rosia manafika an'i Okraina [22]