- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miatrika hoavy manjavozavo ny Koala rehefa nampidirina tao anatin'ny lisitry ny biby tandindonin-doza

Sokajy: Oseania, Aostralia, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Voina
[1]

Miampita eto ny Koalas: Sary orizinaly namboarina avy amin'ilay mpisera Flickr [1] Aaron Jacobs (CC BY-SA 2.0)

Tsy volana tsara ho an'ny mponina koala any Aostralia ny Febroary. Raha niarahaba ny fahatongavana tao amin'ny seranam-piaramanidina niaraka tamin'ireo koala nibosesika ny minisitry ny Fizahantany Aostraliana Dan Tehan taorian'ny fisokafan'ny [2]sisintany iraisampirenena tamin'ny 21 febroary 2022, angamba tokony ho niresaka tamin'ny mpiara-miasa aminy, minisitry ny tontolo iainana Sussan Ley aloha izy. Folo andro talohan'izay, niatrika vaovao mampalahelo momba ny marsupial malaza ny firenena.

Nitatitra [3] ny tranokalam-baovao New Daily hoe:

Koalas will be listed as endangered, instead of vulnerable, across much of Australia’s eastern seaboard to try to protect dwindling populations.

But conversation groups warn the listing – which covers Queensland, NSW and the ACT – won’t be enough to bring the marsupial populations back from the brink.

Ho tafiditra anatin'ny lisitry ny tandindonin-doza, fa tsy ho marefo ny Koalas, manerana ny ankamaroan'ny morontsiraka atsinanan'i Aostralia mba hiezahana hiaro ny mponina mihavitsy.

Saingy mampitandrina ireo vondrona fifanakalozan-dresaka fa ny lisitra – izay mandrakotra an'i Queensland, NSW ary ny ACT – dia tsy ho ampy hampiverina ny mponina marsupial avy any amin'ny faratendrony.

Nanoritsoritra [4] izany ho “fitsabahana mampalahelo nefa ilaina aroso hiarovana ny marsupial malaza any Aostralia kanefa mihena isa hatrany” ny Biraon'ny Mpiaro ny Tontolo Iainana.

Nanaraka ny tolo-kevitry ny Komity Siantifika momba ny Karaza[m-biby sy zavamaniry] Tandindinon-doza ny fanambaràna. Nitranga izany fotoana fohy taorian'ny nanapahan'ny governemanta federaly hevitra hanome famatsiam-bola 50 tapitrisa AUD ho fiarovana ny koala.

Ho an'ireo vaovao amin'ireo zavaboary tsara jerena ireo, tsy orsa ny koalas [5]. Ny koala dia hita eo akaikin'ny morontsiraka atsinanana sy atsimo any Queensland, Nouvelle-Galles Atsimo, Victoria, ary Aostralia Atsimo. Sahala amin’ny kangoroa, dia mitaiza ny zanany, antsoina hoe joey, ao anaty paosiny izy ireo.

Nifamahofaho ny valin-teny mikasika ny fanomezana famatsiam-bola. Tao amin'ny The Conversation [6], manampahaizana telo nilaza fa tsy ampy ny ezaka fiarovana amin'izao fotoana izao:

…until the problems of habitat loss and land clearing are addressed, national koala populations will continue to dwindle.

The primary driver of koala population decline is the clearing of its habitat. No amount of money can save koalas unless we tackle this.

…mandra-pivaha ny olana momba ny fahaverezan'ny toeram-ponenana sy ny (fanajariana) ny tany,  dia hihena hatrany ny isan'ny koala nasionaly.

Ny tena mahatonga ny fihenan'ny isan'ny koalas dia ny fanesorana ny toeram-ponenany. Tsy misy vola mahavonjy ny koala raha tsy mamaha izany isika.

Fandrahonana

Miseho amin'ny endriny maro ny fandrahonana [7]. Atao fahirano amin'ny lafiny maro ny fonenan'izy ireo, indrindra noho ny fanajariana ny tany hanaovana fambolena, fiompiana ary fitrandrahana. Manitsakitsaka ny faritanin'izy ireo ihany koa ny fivelaran'ny tanàn-dehibe.

Ankoatra izay, rahonan'ny hain-tany sy ny doro tanety izy ireo, izay lasa miha-matetika noho ny fiharatsian’ny toetr’andro. Manova ny ala ny fiakaran'ny maripana, mampihena ny famatsiana sakafo sy ny kalitaony.

Mamono ny isan'ny koala ihany koa ny fifandonana amin'ny fiara sy ny fanafihan'ny biby masiaka sy ny biby ompiana.

Valiny

Ho fanampin'ny famatsiam-bola avy amin'ny governemanta federaly, dia misy ireo fandaharan'asa fanarenana sy fanentanana maro ho an'ny daholobe ataon'ny fikambanana ara-panjakana sy tsy miankina ho setrin'ny fandrahonana.

Mandany vola an-tapitrisany ny fanjakana mampiantrano ireo koala mba hiarovana ireo zavaboary atahorana ho lany tamingana. Taorian'ny doro tanety 2019-2020 [8], nanangana fandaharan'asam-piarovana ny governemantan'ny News South Wales. Saika niteraka fisarasarahana teo amin’ny fitondram-panjakana izany, ka nandrahona [9] ny hiala amin’ny fiaraha-mitantana mihitsy ny Antoko Nasionaly any ambanivohitra.

Iray amin'ireo fikambanana tsy miankina lehibe indrindra manao ny anjarany amin'izany fiarovana izany ny Hopitaly Koala, tantanin'ny Koala Conservation Australia (KCA):

Matory tsara, saingy mila ny fanohananao ny fahavaratra. Amin'ny fandraisanao ny koala anay, dia manampy amin'ny famatsiam-bola ny asanay amin'ny fiarovana ny koala ianao. Tsindrio azafady ny rohy eto ambany mba hitondra fiovana marina amin'ny fiarovana ny biby koala.
Misaotra tamin'ny fanohananao 💚

Manazava ny asan'izy ireo amin'ny antsipiriany bebe kokoa ny lahatsary manaraka:

Mba hampitomboana ny isan'ny koala, mampiditra ireo koala any amin'ny faritra vaovao ireo fikambanana ireo ary mamindra azy ireo eo anelanelan'ny faritra vitsy sy be mponina, saingy matetika mampiady hevitra ireo fomba ireo. Niteraka olana amin'ny habetsahan'ny mponina [13] ny fampidirana ireo koala tao amin'ny Nosy Kangaroo any Aostralia Atsimo. Mifanohitra amin'izany, namono koalas maro ny doro tanety tamin'ny taona 2020 tany, ka nisy ny tombantombana [14] fa nihena ho 8.500 ny isan'ny koala tao amin'ilay nosy raha 48.000 talohan'ny doro tanety.

Adihevitra

Na izany aza, mampametra-panontaniana matetika ny fahombiazan'ny fandaharan'asa momba ny fiarovana. Manontany [15]ny fampiasana ireo tetikasa famindran-toerana ny Australia Koala Foundation (AKF):

But rather than there being too many koalas, the AKF believes there are too few trees.

These Koalas were placed in habitat that was not good enough in the first place, as a result of translocations.

Saingy noho ny fisian'ny koala be loatra, mino ny AKF  fa vitsy loatra ny hazo.

Napetraka tao amin'ny toeram-ponenana tsy dia tsara ireo Koala ireo tamin'ny voalohany, vokatry ny famindran-toerana.

Mpanao sariitatra ao amin'ny Guardian Australia nampiseho hatsikana mahatsiravina [16] mahazatra fanaony taorian'ny fanambaran'ny minisitra:

“Ny zavatra tsara indrindra momba ny drafitra fanarenana dia tsy misy olona miraharaha afa-tsy ireo mpiaro tontolo iainana sy mpahay siansa reraka vitsy an'isa”
Tsy manelingelina intsony ny orsa koala, biby tsy misy ilana azy indrindra eto Aostralia! | Alika voalohany any amin'ny Volana

Hetsika media sosialy

Mpanao gazety mpisotro ronono Neil Naessens nikendry ireo izay heveriny ho omena tsiny:

Niainga tamin'ny “Marefo” ny #Koalas [19] mankany amin'ny “Tandindomin-doza” araka ny lalàna nasionaly momba ny tontolo iainana eto Aostralia. Na dia mampanahy aza izany, ny zavatra TENA manafintohina dia ny tombotsoa ara-barotra (fitrandrahana, fiompiana, arina sy etona sns) no minia mitondra ny fandrahonana ho lany tamingana.

Notsenain'ny fanesoana tao amin'ny media sosialy ny fampahalalam-baovao nataon'ny minisitry ny fizahantany:

Miarahaba ireo fahatongavana iraisam-pirenena toy ny mpamono olona maromaro miandry ao amin'ny fiantsonan'ny fiara maizimaizina ny minisitry ny Fizahantany

Dan Tehan ao amin'ny seranam-piaramanidina. Manome koalas kilalao ho an'ny vao tonga izy ireo! Azonao atao ny miloka fa tsy manana marika amin'ny hoe “karazana atahorana ho lany tamingana” izy ireo.

Tsy mpankafy ny governemanta federaly ankehitriny i Kailas Wild, izay niasa tamin'ny famonjena koala may tao amin'ny Nosy Kangaroo tamin'ny taona 2020:

Eh! @sussanley [24] mampanantena anao fa haka sary miaraka amiko ianao amin'ny manaraka rehefa tsy maintsy hamono koala may isika

Amin'ny volana vitsivitsy mialoha ny fifidianana nasionaly, tsy mahagaga raha maro ny olona miziriziry amin'ny fihetsika ara-politika rehetra:

Tao anatin’ny 10 taona izay, nahita varavarana mihodikodina an'ny minisitry ny tontolo iainana izay tsy nanao na inona na inona isika. Saingy, amin'izao ankatoky ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana izao, toa hitantsika izy ireo misafosafo Koala isaky ny roa andro 🐨 🤔

Milaza ny tombatombana [30] sasany fa mitondra vola betsaka 3.2 lavitrisa dolara US ho an'ny toekaren'i Aostralia isan-taona ny fizahan-tany koala ary miteraka [31] asa hatramin'ny 30.000. Loharanon’ny rehareha ara-toekarena sy ara-kolontsaina manerana ny firenena izy ireo. Mampalahelo fa mivarotra ity zavatra malaza ity ny Café Local Italian [32] any Sandringham, Victoria:

Biscuit koala mofo masiaka. Avy amin'ny mpanoratra.

 Toa mety raha ny 3 marsa no Andro Maneran-tany ho an’ny Biby mpirenireny [33].