WikiLeaks mamoaka ny #SaudiCables 

 

A leaked cable that shows the Saudi government paid MTV, one of the main TV stations in Lebanon $5 million, although it had asked for $20 million. Document from WikiLeaks

Telegrama tafaporitsaka mampiseho fa nandoa vola 5 tapitrisa dolara tamin'ny MTV ny governemanta Saodiana, iray amin'ireo fahitalavitra lehibe ao Libanona, na dia 20 tapitrisa dolara aza no nangatahiny. Antontan-taratasy avy amin'ny WikiLeaks

[Lahatsoratra tamin'ny taona 2015] Nanomboka namoaka antontan-taratasy mihoatra ny antsasaky ny tapitrisa tafaporitsaka avy amin'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao Arabia Saodita ny WikiLeaks. Antontan-taratasy amin'ny teny Arabo miisa 61.000, izay mampiseho ny ambadiky ny lalantsaran'ny fahefana Saodiana no efa hita amin’ny aterineto.

Mampiseho ny fifandraisana miafina avy amin'ny masoivoho Saodiana ny fampahalalana nambara, sy ny tatitra “tsiambaratelo tena saropady” avy amin'ny andrim-panjakana Saodiana hafa, anisan'izany ny Minisiteran'ny Atitany sy ny Sampan-draharahan'ny Fitsikilovana Ankapoben'ny Fanjakana. Betsaka kokoa no havoaka amin'ny herinandro hoavy, araka ny fanambarana an-gazety navoakan'ny tranonkala mpanao ampamoaka.

“Ny telegrama Saodiana dia mampiseho ny fiovaovana sy ny tsiambaratelon’ [ny] didy jadona izay tsy hankalaza ny faha-100 taonany fotsiny amin'ity taona ity, fa sady lasa loza mitatao ho an'ny mpifanolo-bodirindrina aminy sy ny tenany ihany koa,” hoy i Julian Assange, mpamoaka lahatsoratra WikiLeaks, araka ny fampitam-baovao.

Amin'izato tahirin-tsolika betsaka ananany, manana fahefana lehibe any Afovoany Atsinanana i Arabia Saodita ary mpiara-dia lehibe ho an'ny Tandrefana ao amin'ny faritra, na dia eo aza ny firaketana momba ny faharatsian'ny zon'olombelona ao amin'ny firenena. Manazava amin’ny antsipiriany ny fomba nanoroan'ny governemanta Saodiana hevitra ny governemanta Bahraini rehefa niatrika fikomiana malaza tamin'ny taona 2011 ny sasany amin'ireo antontan-taratasy.

Mampiseho ny fahalianan’i Arabia Saodita tafahoatra amin'ny fitantarana momba ny fikomiana Bahrainita sy ny anjara asany tamin'ny famolavolana fampielezan-kevitra ny sasany tamin'ireo antontan-taratasy tafaporitsaka.

Miditra amin'ny politikan'i Arabia Saodita amin'ny “fividianana ny fahanginan’” ny fampahalalam-baovao ao amin'ny faritra ny hafa. Mampiseho ny Doc83763 fa nandoa vola 5 tapitrisa dolara tamin’ny MTV, iray amin'ireo fahitalavitra lehibe ao Libanona, ny governemanta Saodiana. Nangataka famatsiam-bola avy any Arabia Saodita ihany koa ireo mpanao politika avy any amin'io firenena io, araka ny fiporitsahana.

Tamin'ireo antontan-taratasy miisa 60.000 voalohany tafaporitsaka, manodidina ny 1.500 no miresaka momba ny Iraniana na Iran amin'ny teny Anglisy sy Arabo, manasongadina ny fiahiahian’i Arabia Saodita amin'ny mpifanandrina aminy ao amin'ny faritra.

Manomboka amin'ny olana momba ny visa omen'ny fanjakana mahefa ho an'ireo mpihira vehivavy ka hatramin'ny politikam-paritra sy iraisam-pirenena ny fampahalalana avy amin'ny telegrama tafaporitsaka. Afaka manatsoaka hevitra maromaro momba ny fitantanan'ny fanjakana mahefa ny politikany ivelany ianao rehefa mamaky ireo antotan-taratasy tafaporitsaka.

Nampitandrina ny olom-pireneny ny governemanta Saodiana mba tsy hihevitra ny antotan-taratasy tafaporitsaka. Nisioka ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Saodiana:

Ry olom-pirenena tonga saina,

Aza aparitaka ireo antontan-taratasy mety atao hosoka ka hanampy ny fahavalom-panjakana hanatratra ny tanjony

Ry olom-pirenena tonga saina,

Fadio ny miditra amin'ny tranonkala rehetra misy tanjona hidirana amin’ny antontan-taratasy na vaovao tafaporitsaka, izay mety ho noforonina, miaraka amin'ny tanjona hanimba ny fiarovam-pirenena.

Aza adinoina ny manaraka ny Global Voices amin'ny fitantarana mikasika ireo antontan-taratasy tafaporitsaka, na mitsidika ny Bilaogy mivantana Global Voices Checkdesk ho an'ny fanavaozam-baovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.