- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maika hiditra ho mpikambana Vondrona Eoropeana i Georgia

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Rosia, Zeorzia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Russia invades Ukraine

Mpikatroka manofahofa ny sainan'i Zeorzia sy ny Vondrona Eoropeana nandritra ny fihetsiketsehana tao Tbilisi. Photo: OC Media. Nahazoana alalana.

Nivoaka voalohany [1] tao amin'ny OC Media ity lahatsoratra ity. Ny endrika nasiam-panovana no navoaka etoana araka ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Nangataka [2] tamin'ny fomba ofisialy ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana (EU) i Georgia tamin'ny 3 marsa lasa teo, araka ny fiantsoan'ny praiminisitra Irakli Garabishvili azy io ho “dingana lehibe iray hafa eo amin'ny lalana ampidirana an'i Georgia ho Eoropeana” .

Tao anatin'ny fanambaràna [3] iray navoaka tao amin'ny tranokalan'ny governemanta tamin'io andro io ihany, nilaza i Garabishvili hoe: “[Ity] no sehatra iray mamadika pejy vaovao eo amin'ny tantarantsika ary manohy ny ezaka nataon'ireo razambentsika, izay nilofo ny hidiran'i Zeorzia ho ao amin'ny fianakaviana Eoropeana iraisana.”

Taorian'ny [4] fanapahan-kevitr'i Okraina hangataka [5] ho mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana tamin'ny 28 Febroary tao anatin'ny fanafihan'ny Rosiana ny fireneny, nanambara [6] ny fikasany manokana ny governemanta Zeorziana hangataka ho mpikambana tamin'ny 2 Marsa.

Maneho kihon-dalana izao hetsika izao ho an'ny Antokon'ny Nofinofy Zeorziana [7] eo amin'ny fitondrana, izay vao haingana no nanizingizina [8] fa tsy hanafaingana ny raharaha hangataka ho mpikambana amin'ny taona 2024.

Tonga izao fiovan-kevitra izao noho ny fanerena [9] mihamafy avy amin'ny mpanohitra ao an-toerana, sy ireo mpanao fihetsiketsehana an'arivony maro [10] nivory teo ivelan'ny parlemanta hatramin'ny nanombohan'ny fananiham-bohitra Rosiana, nitaky ny hanaovan'i Zeorzia bebe kokoa izay hanampiana an'i Okraina. Anisan'ny fitakian'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fandefasana fangatahana [11] avy hatrany any amin'ny EU:

Andro faha-9 hatramin'ny nanombohan'ny fihetsiketsehana Tbilisi.
Nitohy androany ny fanangonana fanampiana.
Miandrandra ny antson'ny filoha Zelensky mivantana amin'ny 8 ora alina ny olona. Misy efijery lehibe telo napetraka tao Rustaveli, izay efa mihidy.#StandWithUkraine️

Tamin'ny famelabelaran-kevitry ny antoko tamin'ny 2 Marsa, nanakiana [15] ny governemanta Okrainiana ny filohan'ny Antokon'ny Nofinofy Zeorziana, Irakli Kobakhidze, tamin'ny fiantsoana ny masoivohony [16] tany Zeorzia hody ny omalin'io, ary niantso izany hoe tsy vitan'ny “tsy azo hamarinina fotsiny”, fa tena “tsy mitombina mihitsy”.

Ho fiarovana ny fijoroany, dia nolazain'ny filoha Zelensky tamin'ny lahateny an-dahatsary [17] ny “fihetsika tsy mendrika” nataon'ny governemanta Zeorziana amin'ny sazy iraisam-pirenena ahatra amin'i Rosia – izay nisafidianan'i Georgia tsy hohatevenin-daharana [9] — mbamin'ny fanapahan-keviny hanakana ny sidina [16] izay nokasaina hitondra Zeorziana mpirotsaka an-tsitrapo hiady any Okraina.

Nanohitra toy izao i Kobakhidze: “Raha ny tsy fametrahana sazy no anton'ny fampiantsoana ny ambasadaoro, dia tiako ny mampahatsiahy anao fa firenena maromaro no nandà ny hametraka sazy, anisan'izany i Moldavia, Torkia, Armenia, Azerbaijan, Israely sy ny hafa, tsy nampanantsoin'ny manampahefana Okrainiana anefa ny ambasadaorony any amin'ireo firenena ireo.” Niampanga [18] ny fanoheran'ny firenena ihany koa izy ho fikasana hampisy ady amin'i Rosia.

Tamin'ny taona 2014, nanao sonia [19] fifanarahana fiaraha-miasa tamin'ny Vondrona Eoropeana i Georgia “momba ny fampiraisana ara-toekarena sy ny fifanakaikezana ara-politika”, ary koa ny fifanakalozana ara-barotra malalaka. Mety hanamafy ny fiarovany manoloana an'i Rosia ny mety haha-mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana ary hanome ny firenena tombontsoa ara-toekarena amin'ny alàlan'ny fidirana amin'ny tsena tokana ao Eoropa.


Raha hijery torohay bebe kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny fitantarana manokana anay Rosia manani-bohitra an'i Okraina [20].