- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Inona no mahatonga ny fahanginan'India amin'ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina?

Sokajy: India, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Ny Tetezana - The Bridge, Russia invades Ukraine

 

Sary nampindramin'i Giovana Fleck

Rehefa mipetraka amin'ny sehatra iraisampirenena ianao, dia matetika no tsy maintsy misolo tena ny firenenao amin'ny fomba ara-bakiteny mihitsy. Na mpiara-mianatra any an-tsekoly manontany resaka hetsi-panoherana izany na ny lehibeko manontany ny fomba fijerin'ny fireneko amin'ny toe-draharaha ara-politika, matetika aho no mahita ny tenako anontaniana hanazava an'i India sy ny safidiny. Ka efa nivonona aho tamin'ny herinandro rehefa nanafika an'i Okraina i Rosia ary nanomboka niresaka momba ny fanehoan-kevitry ny firenenay tsirairay avy izahay rehetra tao amin'ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices.

Tsy nanantena anefa aho hoe na izaho aza tsy manankambara. Nangina sy mailo i India, nijoro ery anjoro manantena fa ho hadinon'ny rehetra fa misy ao an'efitrano. Lasa ny fanontaniana hoe — tsy eo amin'ny manodidina ahy ihany, fa na aiza na aiza — nahoana? Nahoana i India no tsy miandany? Tokony hiandany amin'ny hery demaokraty ilay antsoina hoe demaokrasia lehibe indrindra eran-tany, miaraka amin'i Eoropa Andrefana sy Etazonia. Na i Rosia na i Okraina dia samy niantso mivantana an'i India, nangataka azy hijoro. Eny, niantso ny fampitoniana [1] ny fifandranitana i India ary naneho ny alahelony fa tsy nahita vahaolana ara-diplaomatika i Rosia sy i Okraina, saingy tsy nivadika tamin'ny fijoroany tsy naneho safidy [2] nandritra ny latsa-bato nataon'ny Firenena Mikambana, iray amin'ireo firenena miisa 35 nanao izany, miara-dalana amin'ny ankamaroan'ny firenena ao Azia Atsimo. Nanomboka isika nandre tatitra [3] momba ireo mpianatra indiana miezaka mandositra an'i Okraina voatazona an-tsisintany voalaza fa noho ny fijoroan'i India ao amin'ny Firenena Mikambana.

Amin'ny maha-olona tena anti-imperialista ahy, manohitra ny ady sy ny fibodoana, ary manohitra ny fampiasana fitaovam-piadiana sy hery ara-miaramila, dia miady mafy aho hamantatra tsara ny fihazohazon'India, sy ny fihetseham-poko misaritaka. Amin'ny lafiny iray aho sosotra amin'ny zava-doza mihatra amin'ny sivily ao Okraina, amin'ny olona izay tsy lavitra ahy. Tsy manana alonalona aho momba an'i Vladimir Potinina, na ny vìna ananany na ny fomba fiasany. Saingy leo ihany koa aho amin'ny fiarahamonina sy ny kolontsaina manerantany izay variana loatra amin'ny Tandrefana sy ny tombontsoan'ny Etazonia sy ny firenena Eoropeana Tandrefana vitsivitsy izay tsy mahalala menatra mitady vola tafahoatra amin'ny resaka vaksiny sy ny fanavakavahana anaty valan'aretina.

Toy izany koa, mahatsiravina ny zavatra atao amin'ny tsy Eoropeana isan'andro, matetika saika atosiky ny fitaovam-piadiana sy bala tandrefana ara-bakiteny. Ireo governemanta izay miantso ny hanaratsiana an'i Rosia ho devoly sy manambara an'i Okraina ho maritiora no mivarotra ny teknolojian'ny fanaraha-maso sy fitaovam-piadiana amin'ny governemanta tsy demaokratika hampiasana azy ireny amin'ny olom-pireneny — fa volontsôkôlà sy mainty ny vatana teny amin'ny faritra itontonan'ny tifitra. Rehefa diso fiantsoana hoe Okrainiana ilay zazavavy kely nifanandrina tamin'ny miaramila [4], dia maherifo izy. Fa rehefa Palestiniana hay izy dia nalefa tany am-ponja [5].

Noho ny halavirana ara-jeografika misy anay, mitolona amin'ny fiahiana ny fifanandrinana ao Okraina aho ary misahana azy toy ny hoe io no hany ady mitranga amin'izao fotoana izao, toy ny hany fibodoana feno herisetra (toa an'i Yemen [6], Palestina [7], Kashmir [8], Ethiopia [9], Syria [10], Libya [11], Myanmar [12], ary Papua [13]) misy. Amin'ny maha-olom-pirenen'ny fiarahamonina taorian'ny fanajanahantany ahy, dia mihinginingina aho amin'ny fametrahana fa izao tontolo izao dia tsy maintsy manao laharam-pahamehana avy hatrany ny tanjona sy ny olan'ny tandrefana fotsy hoditra mihoatra noho ny [anay]. 

Eny indray ary, avela eo aloha ny amin'ny fifandroritan-tsaiko manokana, fa inona ny dikan'ity ady ity ho an'India sy ho an'ny Indiana? Iray aloha, tsy tena manana soavaly izahay amin'ity hazakazaka ity. Samy tsy fandrahonana ara-batana ho anay na i Okraina na i Rosia, saingy raha mifantoka any Eoropa Atsinanana izao tontolo izao, dia toa manan-tombony amin'ny fahafinaretana mijery azy ity i — Shina — firenena tena mety hampisy fandrahonana ho anay mivantana. Ka rehefa avy izany fotoana izany, dia horaisinay avokoa izay mpiaradia rehetra azonay raisina.

Nirenireny tanaty Ady Mangatsiaka tsy nampiseho fiandaniana mibaribary India, niezaka ny tsy hirona amin'ny atsy na ny aroa [14]. Saingy tsy manome voninahitra ny fifandraisana akaiky nanananay [15] tamin'ny URSS nandritra ireo taompolo voalohany nijoroana amin'ny naha-firenena anay ity zava-misy ara-jeopolitika ity. URSS no nivarotra anay fiaramanidina mpiady sy fiara mifono vy anay; URSS no nanome fitaovana sy fiofanana ara-tsiansa anay; URSS no nandefa ny fandikan-teny [16] taka-bidy an'i Tolstoy, Dostoyevsky ary Pushkin, ary ny boky hafa ho an'ny ankizy izay nitomboan'ny ankizy Indiana maro teo anelanelan'ny taona 1960 sy 1980. Nihalehibe aho tamin'ny famakiana tantara mahatsiravina tany amin'ny toeram-pitrandrahana malachite nataon'ireo mpanoratra Rosiana izay tsy haiko tononina anarana, Baba Yaga sy ny tranony misy tongotr'akoho, orsa, ranomandry ary mofo mainty. Rehefa nimenomenona momba ny fianarana matematika aho dia nahazo boky iray avy amin'ny reniko antsoina hoe “Maths with Mummy [17]”, izay nahaliana ahy avy hatrany na dia tsy nitsahatra niresaka momba ny “roubles” sy “kopecs” aza izy ireo, na inona na inona mety ho izy; Tsaroako hatrany ilay ankizilahy teo amin'ny fonony tamin'ny satroka manga manjavozavo, nipetraka teo ambony tilikambon-tarehimarika nitazona famakin-dranomandry (pick glace).

Nianatra namaky teny rosianina tamin'ireo boky torolalana momba ny zavamaneno nampiasainy nandritra ny taona maro ny reniko, jeofizisiana nahazo diplaoma tamin'ny taona 1972. Ny iray tamin'ireo namako aza moa dia nantsoina hoe Misha mihitsy, izay anarana biby famantarana [18] Lalao Olaimpika 1980 tany Moskoa. Ny hany mba nisian'i Etazonia dia hoe toerana nipetrahan'ny dadatoako sy nenitoako (mivady iray) izay mitsidika mitondra ny bokin'i Judy Blume, Barbies ary Sony Walkman — nandona ny fiainako ny fotoana voalohany nikasihako ireo marika amerikana ireo teo amin'ny fiainako. Ny rafitra ara-kolontsaina tamin'ny fahazazako sy ny fahatanorako dia nifandray lalina kokoa tamin'ny Firaisana Sovietika noho ny tamin'i Etazonia.

Nandritra ny fotoana teo amin'ny fitondrana an'i Khrushchev, nanome fanampiana ara-toekarena sy ara-tafika lehibe an'i India ny URSS — navelany hamokatra fiaramanidina MiG teto mihitsy aza izahay, izay zavatra tsy avelan-dry zareo ho an'i Shina. Ny URSS dia nanohana an'i India tamin'ny fifandirana momba ny faritany ary nanaporofo fa mpiara-dia mafy sy azo nitokisana. Mametraka izany tsara ny fomba fijery iray vao haingana tao amin'ny BBC : “Ankoatra izay, sarotra ho an'i Delhi ny tsy mijery ny tantaran'ny fiaraha-miasa ara-diplaomatika amin'i Rosia nandritra ny am-polony taonany maro. Nametrahan'i Moskoa vato tsy azo ivalozana ny fanapahan-kevitry ny Vaomieran'ny fandriampahalemana (UNSC) momba an'i Kashmir nifandirana taloha mba hanampiana an'i India hitazona azy io ho ho an'ny andaniny roa.”

Nanao ahoana ihany koa ny fandehan-javatra ara-jeopolitika. Nandritra ny Adim-Panafahana an'i Bangladesh [19] tamin'ny taona 1971, nisafidy ny hanohana an'i Pakistan Atsinanana ny governemantan'i Indira Gandhi, fihetsika izay noheverin'i Etazonia tamin'ny fomba mampihivingivin-doha indrindra, noho i Etazonia niorina mafy tao amin'ny zoron'i Pakistan. (Ady izay nandavan'ny antokon'ny fitondrana tao anatin'ny demokrasia ny voka-pifidianana mafonja noho ny firazanana hafa an'ireo mpandresy — ary niandany tamin'ny antokon'ny fitondrana teo i Etazonia.) Nampihitsoka [20] ny toe-draharaha tao amin'ny Helodranon'i Bengal izay fototry ny fitantarana toa angano [21] any India izany: poritra teo anelanelan'ny andian-tsambo (mpiady) amerikana notarihan'ny sambo mpitondra voromby mpiady USS Enterprise [22] sy ireo sambo britanika tany amin'ny Ranomasina Arabo, niantso vonjy tamin'i URSS ny andian-tsambon'ny Tafika an-dRanomasina Indiana Atsinanana, nandefa andian-tsambo fanohanana ny tafika an-dranomasina i URSS nahafahan'ny praiminisitra Indira Gandhi hiatrana.

Nilaza izao [23] ny bilaogy War is Boring raha niresaka io toe-draharaha io:

Indeed, a Soviet naval task force from Vladivostok consisting of a cruiser, a destroyer and two attack submarines under the command of Adm. Vladimir Kruglyakov intercepted Task Force 74 in the makings of a deadly Cold War standoff. Kruglyakov gave a rousing account in a T.V. interview of “encircling” the task force, surfacing his submarines in front of the Enterprise, opening the missile tubes and “blocking” the American ships.

Eny tokoa, nanakana an-dalana ny Task Force 74 tsy hampisy ra mandriaka amin'ny ady mangatsiaka mahafaty ny tafika an-dranomasina sovietika avy any Vladivostok izay ahitana sambo mpitatitra iray, sambo mpandrava iray ary sambo mpisitrika mpanafika roa teo ambany fitarihan'ny Amiraly Vladimir Kruglyakov. Nanome fitantarana mampientanentana i Kruglyakov tamin'ny antsafa tamin'ny fahitalavitra momba ny “fanodidinana” ny hery manokana, famoahana ho hita maso ny sambo mpisitrika hifanatrika amin'ny Enterprise, manokatra ny fantsona balafomanga ary “manakana” ny sambo amerikana.

Tsy tamin'io fotoana io ihany no nanohanan'i Etazonia an'i Pakistan — samy tonga tonga tao an-tsaiko na ny Operation Cyclone [24] na ny fampidirana an'i Pakistan tao amin'ny fiaraha-miombon'antoka ara-tafika CENTO [25] — ankilan'ny tsy fanasaziana azy ireo mihitsy noho ny fampiatranoana an'i Osama Bin Laden (na dia toa faly aza ny nanafay an'Iraka noho izany fahotana mitovy amin'izany) sy ny tolo-tanana [26] rehetra nomeny ary mbola tohizany omena ireo mpitolona Islamika. Manahiran-tsaina [27] an'India avokoa ny firaketana an-tsoratra toy izany amin'ny hiarahany dia amin'i Etazonia, indrindra amin'ny fotoana iray izay mety ho vokatry ny krizy ny fanamboaran'i Shina sy i Etazonia fefy sy ametrahana an'i Rosia indray ho “bandy ratsy loha indrindra”. Mandritra izany fotoana izany, i Rosia no mpiara-miombon'antoka voalohany indrindra amin'ny fiarovana an'i India, manome anay ny rafitra fiarovana balafomanga S-400 izay ilainay raha toa ka mikendry anay ny iray amin'ireo mpifanolo-bodirindrina aminay — sady tsy nampanantena [28] ny hanaisotra sazy i Etazonia raha toa ka midoboka aty aminay ireo.

Na eo aza izany, tsy afaka manohana an-karihary ny Rosiana i India, satria tsy mahazaka miamboho amin'i Etazonia. Amin'ny ankapobeny ny tsy fironana [29] dia heverina ho fanohanana mangingina, raha manome fanararaotana ho an'India sy i Etazonia hifanakalo hevitra sy hiady hevitra misokatra.

Na izany aza, mbola misy ireo [30] ato amin'ny firenena mihevitra fa tokony handray fijoroana ara-moraly izahay amin'ny resaka fiandrianam-pirenena voahitsakitsaka, ary tsy diso izany, fa fijoroana manao ahoana no ataonay, izay nibodo sy nifehy an'i Kashmir nandritra ny am-polony taona maro, no tsy maintsy mijoro amin'izany hevitra fandresen-dahatra izany?

Ary raha izany no ijoroan'India eo an-jorontrano, ka rehefa miera hiala hampiasa ny efitra fandroana ihany vao misarika ny fifantohan'ny hafa, manantena fa hipoaka izany rehetra izany, saingy mahafantatra ihany koa fa mety tsy hisy izany. Ho ahy, dia manohy mipetraka mihenjana anaty maniry ny hamaranana ny ady aho, saingy tsy mitombina manoloana ny fijoroan'India, mila manome ny fifantohako sy ny ahiahiko amin'ny Tandrefana ary maniry amim-pahatezerana fa hanody zavatra ho anay ho setrin'izany.


 

Fandravahana avy amin'i Giovana Fleck

Raha te-hahita torohay bebe kokoa momba ity lohahevitra ity, jereo ny pejy manokana amin'ny Rosia manafika an'i Okraina. [31]