- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maninona i Maosko no milaza hoe ilaina ny “fanalàna amin'ny Nazi” ao Okraina?

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Tantara, Russia invades Ukraine

Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube an'ny BBC [1] nilazan'ny minisitra rosiàna misahana ny raharaha ivelany hoe “Hiantohanay ny fanalàna amin'ny Nazi ao Okraina, nijaly be loatra isika teo ambanin'ny nazisma.”

 Lazain'i [2] Rosia fa ny fananiham-bohitra ataony ao Okraina dia amin'ny anaran'ny “денацификация” na “fanalàna amin'ny Nazi”. Nahoana i Maosko no mampiasa matetika io fomba filaza io? Ao anatin'ny tadidy iraisan'ny Sovietika sy ny taorian'ny sovietika, ny Ady Lehibe Faharoa, izay nantsoana tamin'ny fiteny Rosiàna hoe “Великая Отечественная Война” na “Ady Lehiben'ny Fitiavan-tanindrazana”, dia singa iray fototry ny maripanondroana.

Ny ady, izay tamin'ny Jona 1941 [3] no nanomboka ho an'i Maosko, no nitarika tamin'ny fahafatesan’olona 26 tapitrisa, [4] raha kely indrindra, nanerana ny Firaisana Sovietika, efa ho ny 15 isanjato [5]tamin'ny vahoakany. Na ohatra aza nataon'i Stalina sonia ny fifanarahana iray niarahana tamin'i Hitler, tamin'ny 1939, [6] hanilihana izay rehetra mety ho hetsika ara-tafika hamelezana an'i Alemaina– sy, ao anatin'ny fivoaran-draharaha, hanapaka an'i Pôlônina — taty aoriana kely dia takany fa io dia nitondra azy nanao hadalàna nahadiso kajy azy, toy ny nataon'ireo mpitondra eorôpeàna hafa tamin'ny raharaha Tsekôslôvakia tamin'ny 1938. [7] Nony farany, nirotsaka an-tsehatra feno nanatevina laharana ny ady nandrava an'i Alemaina ‘nazi’ sy Japàna ny Firaisana Sôvietika. 

Ny halehiben'ny faharavàna tao amin'ny faritany sôvietika, indrindra fa tao Bielôrosia sy Okraina, nefa koa tany amin'ireo faritra eorôpeàna tao Rosia, ary ireo an-tapitrisany maty vokatr'izany, no vokatra ara-tantara nivoatra ho lasa anganom-pirenena momba ny fitiavan-tanindrazana, izay milaza fa ny Firaisana Sôvietika no “nanavotra an'i Eorôpa” [8]. Raha ny marina, raha namoy olona, miaramila ary vondrona mpanohitra marobe ny vahoaka sôvietika — na nanerana an'i Eorôpa izany na tany amin'ny toerana hafa erantany — samy nandray anjara tamin'ny fandresena an'i Hitler daholo ireny.   

Na izany na tsy izany, notohizana hatrany sy nohamafisin'i Rosia mahaleotena io anganongano io tamin'ny alàlan'ireo kabary ofisialy, hatramin'ny hoe tamin'ny alàlan'ny media — indrindra fa ny radio sy televiziôna [9] — izay ny fandaharana, andian-tantara TV, tafa iarahana amin'ireo bekotro maroholatra, sarimihetsika, podcasts, ary fanadihadiana momba ny herimpon'ny sôvietika nandritra ny Ady Lehibe Faharoa no mibahana toerana.

Mandray anjara betsaka amin'ny fanindrahindràna ny ady sy ny fitaovampiadiana io votoaty io, ary mamaritra ny ‘nazi’ ho ny ratsy faratampony fotsiny. Ao anatin'izay fitantaràna izay, tsy misy toerana ho an'ireo fahafatesana an-tapitrisa nanjo ny vahoakan-dry zareo vokatry ny nataon'i Stalina [10] sy Mao Zedong [11]. Ny niafaràny, io ady io dia nambolena mba ho toy ny fanoitra faran'izay matanjaka ho an'ny fihetsehampo lalina izay mihevitra fa adidy maoraly ny fandraisana fitaovam-piadiana ho “fiarovan-tanindrazana [12]”. Vokany, misy fahatokisana tanteraka amin'izay lazain'ny fanjakàna, ary tsy misy mihitsy afaka atao hametrahana fanontaniana momba izay manosika ny ankilany. Io no nitranga nandritra ny ady voalohany tao Tsetsenia [13], izay mbola Putin ihany no nitarika azy tamin'ny 1994 hatramin'ny 1996.  

Ny niainan'ny Okrainiàna ny nazisma

Amin'ny naha-eny ambavahady azy amin'ny adin'ny Nazi sy ny Sôvietika, Okraina, toa an'i Bielôrosia, dia nizaka betsaka tamin'ny vokatry ny Ady Lehibe Faharoa, namoy olona 18 tapitrisa, na 18 isanjato [5]tamin'ireo niaina tao anatin'ny Okraina Sôvietika tamin'izany fotoana izany. Toy ireo sisa avy tao amin'ny Firaisana Sôvietika,  nikolokolo ny anganongano be herimpio tahaka izany izy, tamin'ny alàlan'ireo famokaran'ny media, amin'ny fiteny rosiàna sy okrainiàna, momba ireo fahavoazana nampivaloharika nandritra izany fotoana izany.

Fa ny tsy itovian'i Okraina amin'i Rosia dia ny hoe: mifanohitra amin'i Maosko, taorian'ny nirodanan'ny Firaisana Sôvietika tamin'ny 1991, dia nomen'i Kiev sehatra ny fahamaroan'ny fanehoankevitra momba ny lasany tao anatin'ny Firaisana Sôvietika, tamin'ny fanekena ireo zavanisy ara-tantara, toy ny Holodomor [14], ary hatramin'ny fankahalàna Jiosy nataon'ny Okrainiàna [15] sy ny Sôvietika, raha i Rosia indray namboly fiankohofana iray vaovao tamin'i Stalina.

i Okraina maoderina, toy ireo rehetra firenena eorôpeàna, dia manana fironana mankany amin'ny farany havanana, ny hetsika Nazi amin'ny endriny vaovao, mitambatra manodidina ny Andian-tafika Azov [16]. Mitovitovy amin'izay, i Rosia dia manana vondrona maro manindrahindra ny ideôlôjia Nazi amin'ny endriny vaovao ary manofana ireo vahiny [17] izay mifampizara izany fomba fijeriny izany. Tsy dia nenjehina loatra [18] ireo trangana fanenjehana Jiosy tao Rosia.

Tamin'ny alàlan'ny fifidianana tsy nitanila natao tamin'ny May 2019, nifidy ihany koa an'i Volodymyr Zelensky i Okraina, filoha iray izay, toy ireo marobe mpiray firenena aminy, manana mari-panondroana ara-kolontsaina sy ara-pitenenana be pitsopitsony. Iray amin'ireny singa ireny ny maha-jiosy, izay tsy dia asehosehony loatra [19] saingy matetika nampiasainy tato ho ato mba hangatahana ny fanohanan'izao tontolo izao [20]. Nisy ampahany tamin'ny fianakaviany maty tany amin'ilay Famonoana Tambabe (Holocaust) [21]

Anatin'ireo izay mandositra ny daroka baomban'ny Rosiàna amin'izao fotoana izao dia misy ireo Jiosy avy ao Okraina [22] izay, miaraka amin'ireo marobe hafa, voa mafy vokatry ny ady ho ana andiantaranaka iray hafa.  Mandritra izany fotoana izany, 70 isanjaton'ny Rosiàna [23] no manohy manohana ireo hetsika ataon'ny governemantany amin'ny anaran'ny “fanalàna amin'ny Nazi”.