- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Handeha hiaraka hiady amin'ny herisetra amin'izao Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy izao

Sokajy: Azia Atsimo, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Nepal, Rosia, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona, Ny Tetezana - The Bridge
International Women's Day logo, public domain. [1]

Fangon'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy, azon'ny rehetra ampiasaina.

Talata 8 martsa ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy ary hisy ireo hetsika fankalazana manerana izao tontolo izao. Ny lohahevitra amin'ity taona ity dia #BreakTheBias [2],  natao hakana sary an-tsaina ny “tontolo tsy misy fitongilanana, fitsarana an-tendrony ary fanavakavahana.” Na dia manome fanantenana ho an'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy aza ity fialantsasatra ity, dia fampahatsiahivana ihany koa ny trangan-javatra miseho eny rehetra eny amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, izay misy na andro inona na andro inona, ary mila vahana amin'ny fomba ifotony.

Mankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy amin'ny hetsika lehibe, sy ara-panjakana tarihin'ny vehivavy i Nepal. Manana andro tsy iasana ny vehivavy, ary miseho amin'ny famoriam-bahoaka ny manampahefam-panjakana mba hanao fanambaràna momba ny fanoloran-tenan'ny firenena amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy. Misy ny hira, ny dihy ary ny fahatsapana fibodoana ny arabe. Vahiny an-jatony no miara-mivory ao anatin'ny fihetsiketsehana manafotra momba ny firahavaviana. Mahatsiaro manafaka ny fety, saingy nankalazaina tamin'ny fomba hafa ihany koa izy io raha oharina amin'ny ambin'ny taona, rehefa sarotra ny mahazo izany karazana fahafahana izany.

Na dia manana lalàna liam-pandrosoana aza i Nepal, dia mbola fiarahamonina mpandala ny nentin-drazana sy patriarika ihany izy. Eny rehetra eny ny fanorisorenana. Tsy azo antoka ny mandeha an-tongotra na mandeha fitateram-bahoaka amin'ny alina ho an'ny vehivavy na ankizivavy. Izany no mahatonga ny fidinana an-dalambe tena manome hery, na dia mandritra ny iray andro fotsiny aza. Manjaka manerana an'i Nepal ny karazana herisetra rehetra mihatra amin'ny vehivavy, anisan'izany ny fanolanana, ny fampirafesan'ny vady ary ny herisetra an-tokantrano. Misy ny fanekena an'izany fihetsika izany noho ny hoe ampahany amin'ny kolontsaina fotsiny izany, miampy ny tsy fahampian'ny fahatsapana momba izay lazaina ho fanararaotana ara-batana na am-bava.

Araka ny angon-drakitra nomen'ny Polisy Nepaley [3], tao anatin'ny telo volana tamin'ny taona 2021, dia nahatratra 4.773 ny tranganà herisetra nihatra tamin'ny vehivavy sy ny ankizy. Ny 88 isanjato amin'ireo dia herisetra an-tokantrano na fanolanana. Na dia misy aza ny lalàna napetraka miaro ny vehivavy amin'ireo heloka bevava ireo, dia tsy mahafantatra ny zony, na matahotra handeha any amin'ny polisy ny ankamaroan'ny vehivavy.

Ireo mananotena — izay mahatratra antsasaka tapitrisa eo ho eo ao Nepal [4]— no tena marefo indrindra. Miatrika fanilikilihana sy fanavakavahana goavana izy ireo. Noho ny tsy fisian'ny vady, miatrika fanamby maro [5] ny mananotena, anisan'izany ny tsy fahazoana ara-dalàna ny fananan'ny vadiny nodimandry, manome lalana vitsivitsy mankany amin'ny fahantrana.

Satria mivondrona hankalaza ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny olona maneran-tany, dia tokony hisaintsaina ny amin'ny maha-vehivavy antsika isika mandritra ireo 364 andro hafa amin'ny taona. Tsy maintsy miara-miasa amin’ny fampitoviana marina ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina isika, izay miainga amin’ny fanafahana amin’ny herisetra.

Fun Run, Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy any Nepal, taona 2019. Sary nahazoana alalana.

Ao anatin'ny fiaraha-mientan'ireo mpikatroka an'arivony momba ny zon'ny vehivavy manerantany aho izay miaro ho an'ny fifanarahana iraisam-pirenena hampitsaharana ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy sy ny tovovavy [6] ho dingana manan-danja voalohany. Tsy hanome fiarovana ihany ho an'ireo sisa velona sy niharam-boina ny Fifanekena iraisam-pirenena vaovao fa ho an'ireo mpikatroka lohalarahana koa, manome famaritana iraisana mikasika izay sokajiana hoe herisetra mihatra amin'ny vehivavy sy ny tovovavy, ary manome fanofanana ho an'ny polisy, mpitsara sy ireo mpitsabo mikasika ny fomba hamantarana sy hitantanana ireo tranga ireo. Hampitovy ny fomba fitateram-baovao sy mampiroborobo ny tamberina andraikitra izany. Raha famantarana ny fifanekena iraisam-pirenena hafa, manana fahafahana hahita famatsiam-bola ilaina ity iray ity mba hiantohana ny fampiharana tsara ireo firotsahana an-tsehatra manohitra ny herisetra, ka tsy an-taratasy fotsiny izany.

Ahitana hetsika mavitrika momba ny fiarovana ny zon'ny vehivavy [7] hatramin'ny arivo taona ny zana-kaontinanta Azia Atsimo. Saingy tsy tahaka ny ao Eoropa, Amerika, sy Afrika, satria tsy misy ny seha-pitsarana ara-paritra miaro ny vehivavy sy ny tovovavy amin'ny herisetra, ka mahatonga anay ho marefo kokoa. Maherin'ny 37 isanjaton'ny vehivavy ao Azia Atsimo [8]no niharan'ny herisetra teo am-pelatanan'ny sakaizan'izy ireo.

Ao Afghanistan, manohy mampisy fiantraikany mandravarava [9] amin'ny vehivavy sy ny tovovavy ny fialàn'i Etazonia sy ny fiverenan'ny Taliban. Any Bangladesh, maherin'ny 70 isanjaton'ireo [10] vehivavy manambady sy tovovavy no niatrika karazana fanararaotana ara-nofo ataon'ny sakaiza. Pakistan no mbola firenena faha-enina mampidi-doza indrindra [11] manerantany ho an'ny vehivavy. Ary any Sri Lanka, misy vehivavy iray voaolana isaky ny 90 minitra, kanefa tsy misy vokatra ara-pitsarana.  [12]

Amin'izao 8 martsa izao, tokony hanangana fiaraha-mientana eo amin'ireo firenena isika mba hametraka soritra iadiana amin'ny herisetra. Tsy tokony arovana ny fenitra sy ny fomban-drazana izay mampidi-doza ho an'ny vehivavy. Mila fenitra iraisam-pirenena isika, amin'izay tsy misy ny fisafotofotoana momba ny fampitsaharana ny herisetra an-tokatrano, ny fanolanana sy ny endrika fanararaotana hafa.

Miara-miasa amin'ireo sisa velona sy mihaino ny tantaran'izy ireo aho. Indraindray aho afaka manampy azy ireo hiala amin'ny krizy, ary indraindray aho manana fahatsapahana tafahoatra ho tsy mahavita manampy. Na izany aza, mivandravandra ny loza mety hihatra amin'ireo mpikatroka vehivavy [13]. Mila lalàna iraisampirenena izahay mba hananana tahirim-piarovana farany.

Raha te-#BreaktheBias (handrava ny fitongilanana) sy hitondra ny fitovian'ny lahy sy vavy tokoa isika, dia mila fanovana manan-danja. Tsy manohana ny zava-bitan'ny Fifanekena momba ny Fanafoanana ireo Endrika rehetra mampiroborobo ny Fanavakavahana ny vehivavy [14], mbola misy eny rehetra eny, manerana ny fivavahana, ny kolontsaina sy ny foko ny fitsarana an-tendrony sy ny fanavakavahana atao amin'ny vehivavy. Tsy misy toerana tsy voakasika. Hametraka fenitra ifanekena hiarovana ny vehivavy sy ny tovovavy amin'ny herisetra ny fifanekena vaovao manerantany maneho taratra ny soatoavina manerantany.

Tsy fomba ratsy hanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny vehivavy ny fivoriana, ny seho an-tsehatra an-dalambe sy ny famoriam-bahoaka manome voninahitra ny fifandraisantsika amin'ny maha vehivavy. Saingy tsy ampy ny andro iray, na dia voahitsakitsaka mandritra ny taona aza ny zon'ny vehivavy. Rehefa tsy misy intsony ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy sy ny tovovavy, dia hisy zavatra tena hankalazaintsika tokoa.

Upasana Rana no Mpitantana Ambony ny Fandaharan'asa ao amin'ny Vehivavy ho an'ny Zon'olombelona ao Nepal. Iray amin'ireo vondrona mpikarakara mitarika ny tapatapak'ahitra ho avy izay hatao any Kathmandu amin'ny 15 – 16 Martsa izy, Manakoako avy ao Azia Atsimo hatrany amin'izao tontolo izao: Fenitra Iraisam-pirenena hiadiana amin'ny Herisetra mihatra ny Vehivavy sy Tovovavy (Resonating from South Asia to the World: Global Norms to Address Violence Against Women and Girls) [7].