(Lahatsoratra taona 2019)

Fananganana nataon'ny mpanakanto Taiwaney Shake, ary nahazoana aingam-panahy tamin'ny sarin'ny Tank Man naseho tao afovoan'i Taipei. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.
30 taona izay no lasa hatramin'ny nisandratany sy nianjeran'ny Hetsiky ny Demaokrasia 89 (八九民运) tao Shina izay niafara tamin'ny Fandripahana nalaza ratsy tao amin'ny Kianjan'ny Tiananmen tamin'ny 4 Jona 1989.
Tamin'io andro io, nanao famoretana feno habibiana tamin'ny fihetsiketsehana notarihin’ny mpianatra ny miaramila Shinoa nitaky ny fanavaozana demaokratika. Nanombatombana ny Vokovoko Mena Shinoa fa sivily miisa 2 700 no maty, saingy nilaza ny loharanom-baovao hafa fa mihoatra noho izany ny isan'ny maty. Nitatitra ny antontan-taratasy tsiambaratelon'ny governemanta amerikana navoaka tamin'ny 2014 fa araka ny fanombanana anatiny nataon’ny Shinoa dia sivily miisa 10.454 farafahakeliny no maty.
Tsy mbola niaiky ampahibemaso ireo zava-nitranga na nitantara ny zavatra nataony tamin'ny fanadihadiana mahaleotena ny Antoko Kaomonista ao Shina. Tsy misy firesahana momba ny Hetsika Demaokrasia 89 tao amin'ny boky fianarana tantara ary tsy mbola nandre momba ilay vono olona ny ankamaroan'ny mpianatry ny oniversite any Shina.
Nitatitra momba ny olana nandritra ny ampolo taonany mahery ny Global Voices. Tsaroana amin'ity taona ity ny faha-30 taona nitrangan’ny vono olona tamin'ny 4 Jona mba hanatanterahana ny adidintsika amin'ny tsy fanadinoina ireo zava-nitranga ireo, na dia eo aza ny ezak’ i Beijing handà ny fahamarinana ny fisian'izany ara-tantara.
Niteraka fanenjika tsy an-kijanona an-tserasera ny fanapahan-kevitr’i Beijing hanivana ny filazana rehetra na ny fanakonana resaka momba ny 4 Jona. Tamin'ny volana aprily, nisy doka vahiny [mg] nahitana ny sarin'ny Tank Man nivezivezy fotoana fohy tao amin'ny media sosialy Shinoa talohan'ny nanafoanana azy. Manazava ny fomba fialan'ireo Shinoa mpisera ny sivana sy ny fomba nahatongavany amin’ny fahaiza mamorona hiresahana ankolaka ny hetsika nefa tsy manonona izany amin'ny anarany ny iray amin'ireo tantaranay, kanefa rehefa tratra izy ireo, eo no ho eo ny sazy ary henjana [mg]. Izany rehetra izany dia tao anatin'ny tontolo tena mampidi-doza ary saika tsy tanteraka mihitsy ny fahazoana vaovao tsy voasivan'ny Rindrin’Afo Lehiben’i Shina amin'ny sivana an-tserasera.
Miteraka loza ho an’ny tena manokana ihany koa ny fanehoan-kevitra mitsikera ao amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy ivelan'i Shina, araka ny azonao vakiana ato amin'ity tantara ity [mg]. Ary matetika miafara amin’ny fandrahonana sy fisamborana ny fanehoana fomba fijery hafa tsy mifanaraka amin'ny fomba fijerin'ny Antoko, na dia tafiditra ao anatin'ny Marksisma aza, araka ny famariparitanay eto [mg]. Aparitak’i Beijing eran-tany [mg], anisan'izany i Hong Kong ity sivana mahery vaika ity.
Na izany aza, mitohy ny adidy amin’ny fampahatsiahivana ny olona sy ny mpisera manerana an'izao tontolo izao. Vavolombelona mivantana no miteny amin’ny antsafa mampihetsim-po, raha ireo mpanao gazety be herim-po ao Hong Kong kosa nitantara ny tantarany manokana mikasika ny 4 Jona [mg]. Ahitana ny kopia mitovy amin'ny marika mampiavaka ny hetsika, ilay Andriamanitry ny Demokrasia [mg] eny amin'ny toerana ho an’ny daholobe ihany koa ao Hong Kong. Ao Taiwan, misy ny fametrahana ny zavakanto manan-danja [mg] ao afovoan'i Taipei hanomezam-boninahitra ny zava-nitranga tamin'ny taona 1989. Nampiasa hatsikana, zavakanto, ary kisarisary mahatsikaiky an-tserasera ihany koa ireo mpisera manerantany, anisan'izany ireo mpisera Reddit [mg] mba hitazonana ny fahatsiarovana ny hetsika Shinoa manohana ny demaokrasia ho velona.
Afaka mamaky bebe kokoa ireto tantara manaraka ireto ianao eo am-panohizanay ity pejy ity:
Record crowd commemorates Tiananmen Massacre at Hong Kong candlelight vigil
Tiananmen commemorations: an inconvenient truth for Beijing, a dire warning for Hong Kong and Taiwan
30 years after the Tiananmen Massacre: An interview with survivor Zhou Fengsuo
China's Censored Histories: Commemorating the 30th anniversary of the Tiananmen Square Massacre
Chinese authorities go after citizens for using VPNs, skirting online censorship
Nofenoin'ireo mpiserasera sary-sy-soratra momba ny sivana ao Shina ny Reddit