- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olomangan'ny hira feminista manerana an'i Afrika ho fankalazana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Vehivavy

Sokajy: Afrika Mainty, Afrika Atsimo, Angola, Cote d'Ivoire, Etiopia, Gabòna, Ghana, Kenyà, Malawi, Mali, Namibia, Nizeria, Tanzania, Zimbaboe, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Mozika, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina
Côte d'Ivoirian singer Dobe Gnahore; "Dobet Gnahoré" by ND-Photo.nl is marked with CC BY-NC-ND 2.0.

Mpihira avy ao Côte d'Ivoire “Dobet Gnahoré [1]” avy amin'i ND-Photo.nl [2] izay voamarika ho CC BY-NC-ND 2.0 [3].

Rehefa nanatevin-daharana izao tontolo izao hankalaza ny andron'ny vehivavy iraisampirenena ny sehatra tsimitsahaketrika Apple Music tamin'ny taona 2019, dia tsy nisy na dia iray aza vehivavy afrikana tao anaty fandaharan-kira Apple’s Global Feminism [4]. Nampihiratra ny maso sy niteraka resabe momba ny fanavakavaham-bolon-koditra sy ny fitongilanana eo amin'ny indostrian'ny mozika ny tsy nahitana ireo mpihira feminista monina eto Afrika. Herintaona monja talohan'io, namoaka ny lisitry ny mozika afrikanina [5] taona 2018 ity goavambe teknolojia ity. Ny lisitra tamin'io fotoana io anefa dia nahitana mpihira vehivavy afrikanina fanta-daza, anisan'izany i Teni (Teniola Apata) teraka Nizeriana izay fariparitana matetika [6] ho ilay kintan'ny mozika Afrikana Tomboy Feminista.

Koa satria manatevin-daharana an'izao tontolo izao ny Global Voices amin'ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy [7] amin'ity taona ity izay manana farangoteny ofisialy #BreakTheBias [8] izay mikatsaka ny hanafaka amin'ny tontolon'ny fitongilanana, fitsarana antendrony sy ny fanavakavahana, dia ankalazainay ny zava-bitan'ireo mpihira Afrikana Feminista mpisava lalana izay miantso ny fivelaran'ireo Afrikana vehivavy namany amin'ny alalan'ny fandaharankira.

Na miteny hanohitra ny fanararaotana ara-nofo, ny didipoitram-behivavy (FGM), ny fankalazana ny maha-lahy sy maha-vavy, na ny fampiroboroboana ny miralenta, ho an'ireo mpihira Afrikana feminista ireo, ny mozika no fitaovam-piadiana faratampony indrindra [9].

Jereo ny fandaharankira Spotify [10] eto ambany ahitana ireo hira malazan'ny mpanakanto toa an'i Fatoumata Diawara, Cesária Évora, Shishani Vranckx, Thandiswa Mazwai, sy ny maro hafa!