- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tratran'ny fanafihana an'habaka ny governemanta Mozambikana

Sokajy: Afrika Mainty, Mozambika, Mediam-bahoaka

Nosoloin'ny mpisompatra filazana fa “Notafihan'ny Yemenita mpisompatra” miaraka amin'ny sarin-dehilahy iray mitazona fitaovam-piadiana sy sarondoha ny tranonkalan'ny governemanta. Saripika: Giovana Fleck/Global Voices

Notairi [1]n'ny vaovao i Mozambika fa nosimbain'ny vondrona mpisompatra solosaina ny vavahadin-tseraseran'ny governemanta isan-karazany tamin'ny 21 Febroary 2022. Nosoloin'ny filazana fa “notafihin'ny hackers Yemenita” ny pejy voalohany amin'ireo tranonkalan'ny governemanta [2], nampiarahana tamin'ny sarin'ny lehilahy iray mitondra fitaovam-piadiana sy saron-doha. Tsy mbola fantatry ny tompon’andraiki-panjakana ireo nanao azy ity na ny antony nahatonga azy ireo hanafika.

Tranonkala SENAMI ankoatra ny hafa nosomparan'ny Governemanta [?] [an'ny governemanta voasompatra?]. Handratra izany.

Araka ny vavahadim-baovao A Carta [5], izay fitaovana tranonkala rehetra an'ny governemanta Mozambikana dia tantanana (sy ampiantranon'ny) Ivotoeram-Pirenena Misahana ny Torohay sy Teknolojiam-Pifandraisana eto Mozambika (INTIC [6]), sampan-draharaha miandraikitra ny fandrindrana, ny fanopaza-maso ary ny fitsirihana ny sehatry ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao sy ny Serasera (TIC).

Raha nampiato vonjimaika ny asa rehetra teo amin'ireo habaka ny fanafihana, dia nilaza [7] ny Tale jeneralin'ny Ivotoerana Nasionalin'ny Governemanta Elektronika (INAGE), Hermínio Jasse, fa tafaverina amin'ny laoniny tamin'io andro io ihany ny vavahadin-tserasera rehetra.

O Director-Geral do Instituto Nacional do Governo Electrónico (INAGE), Ermínio Jasse, disse hoje em conferência de imprensa que os portais do Governo que foram alvo de ataques de “hackers” já se encontram operacionais. Na ocasião, o Director explicou que não houve perda de informação e que todo o conteúdo dos portais é de consumo público.

Nilaza androany tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety, Atoa Ermínio Jasse, tale jeneralin'ny Ivotoerana Nasionalin'ny Governemanta Elektronika (INAGE), fa efa miasa indray ireo vavahadin'ny Governemanta izay lasibatry ny fanafihan'ny mpisompatra. Nohazavain’ny Tale tamin’izany fa tsy nisy very ny torohay ary vonona ho an’ny daholobe avokoa ny votoatin’ny vavahadin-tserasera.

Araka ny filazan'ny tale jeneralin'ny INAGE, ny nihazakazahana [8] taorian'ny nahitana ny olana dia ny fanaovana “fizahana haingana” amin'izay fahasimbana. Nahatsikaritra ny fanadihadiana fa tsy voakitikitika ny votoatin'ny habaka, na dia nilaza ary ireo mpisompatra fa nalaina ny angon-drakitra ary hamidy amin'ny vidiny mora. Hatreto, tsy misy porofo manamarina izany filazana izany, ary zara raha fantatra na tsy misy na inona na inona momba ny tena fivoahan'ny angon-drakitra toy izany.

Na izany aza, naharitra [7] 24 ora ihany ny vahaolana. Ny marainan'ny ampitson'io, 22 Febroary, lasa tsy azo niasa intsony indray ireo tranonkala ireo — tamin'ity indray mitoraka ity, nandefa fangatahana vidim-panavotana ho takalon'ny angon-drakitry ny tranokalan'ny governemanta ireo mpisompatra. Tsy mbola fantatra kosa na mbola ho tafaverina indray ireo ary inona no fepetra horaisina hisorohana ny fanafihana ho avy.

Momba ity lohahevitra ity, nilaza [9] ny talen'ny Orinasam-Pirenena misahana sy Siansa sy ny Vangongo Teknolojia (ENPCT), Julião Cumbane, fa avy amin'ny tsy fahampian'ny fanomanan'ireo andrim-panjakana Mozambikana amin'ny fiarovana ny lahatahirin-dry zareo no fototr'olana.

GOVERNO de Moçambique sob ATAQUE CIBERNÉTICO?!?!… Nós andamos insistentemente dizendo às instituições e empresas (públicas e privadas) que DEVEM ter CÓPIAS de SEGURANÇA dos seus DADOS e SISTEMAS INFORMÁTICOS em lugar seguro e somos IGNORADOS por quem nos deviam ouvir. E agora?

Tratran'ny fanafihana an'habaka ny GOVERNEMANTA ao Mozambika?!?!… Ikirizanay ny miteny amin'ireo andrim-panjakana sy orinasa (fanjakana na tsy miankina) fa TSY MAINTSY manana KOPIAN'NY DATA sy ny RAFI-TSOLONTSAINA amin'ny toerana azo antoka ry zareo fa TSY NORAHARAHIAN'ireo izay tokony hihaino anay. Ankehitriny ary?

Olana lehibe tato anatin'ny taona vitsivitsy ny tsy fandriampahalemana an-jotra, araka ny nambaran'ny Konfederasionan'ny Fikambanana Ekonomika ao Mozambika (CTA) tao amin'ny pejy Facebook [10]-ny:
ATENÇÃO AOS E-MAILS COM LINKS MALICIOSOS
A CTA vem através deste comunicar que o seu domínio de e-mail foi clonado e estão a ser enviados e-mails com links maliciosos. Por favor, não clicar nesses links enquanto decorre um trabalho interno de limpeza. Logo que estiver concluído iremos informar. Obrigado pela compreensão.

MITANDREMA AMIN'NY E-MAILS MANAFIN-DROHY SOMPATRA

Mampilaza ny CTA amin'ny alalan'ity (fanambaràna ity) fa nisy nanao klôna ny valanareo imailaka ary nisy nandefa ny misy rohy manafina fisomparana. Aza kitihina ireo rohy ireo raha mbola eo an-dalana ny asa fanadiovana anatiny. Raha vantany vao vita izany dia ampahafantarinay anareo. Misaotra anareo amin'ny fahazoana.