Fepetra ho an'ny valanaretina no nampiasaina hanaparitahana ny fitokonan'ireo vehivavy mpiasa tao Kambodza

Mpiasa mitaky ny hamotsorana ireo mpiara-mitokona aminy izay nampangaina ho mandrisika fanaovana heloka bevava. Sary avy amin'ny bitsika Twitter an'ny Ivontoerana Kambodziàna ho an'ny Zon'Olombelona.

Voampanga ho nampiasa fahatany ireo fepetran'ny COVDI-19 ireo manampahefana Kambôdziàna mba hamotehana ny fitokonan'ireo mpiasa ao amin'ny Naga World Casino, izay vehivavy no ankamaroany.

Ny 18 Desambra 2021, mpiasa nihoatra ny 1.300 noroahan'ny  NagaWorld tao Phnom Penh no nikarakara fitokonana iray hitakiana fanonerana sy fameranana amin'ny asany ireo 365 mpikambana anaty sendika.

Isanandro no natao ny fitokonana mandra-pilazan'ireo manampahefana fa nisy iray tamin'ireo mpiasa no voatily ho nitondra otrikaretina COVID-19 ary nitanisa io tranga io ho entina manaparitaka ilay fihetsiketsehana tamin'ny 5 Febroary. Tsy ela dia notakiana ny tsy maintsy hanaovana fitiliana COVID-19 ireo rehetra mpandray anjara. Ireo voatily ho ‘negatifs’ dia nahazo baiko hihiboka an-trano, raha ireo izay voatily fa efa mitondra ny otrikaretina kosa dia nasaina nijanona tamina toerana efa voatokana hanokana-monina azy ireo.

Nampanontany tena an'ireo mpanohana ny sendika ilay baiko satria amin'ny ankapobeny ny fihibohana an-trano dia tsy fepetra natao ho an'ny vahoaka izay ‘negatif’ ny valin'ny fitiliana COVDI-19 nataony. Mino ry zareo fa tanjona amin'io ny hampiato ilay fitokonana sy hisorohana ny sendika tsy hahazo ny fanohanan'ny vahoaka.

Na ireo manampahaizana manokan'ny Firenena Mikambana aza dia miahiahy momba ireo antony navoitran'ireo manampahefana kambodziàna nentina nanaparitaka ny fitokonana:

Manapaka ny fitohizan'ny fitokonana iray io, izay natao araka ny lalàna. Ny tena mbola manpanahy fatratra aza, dia ny fahelan'ny valin'ireny fitiliana ireny sy ny fomba fitondra amin'ny ankapobeny mampiseho hoe hatraiza no tadiavin'ireo manampahefana hizorana mba hanoherana ny zo hanangana fikambanana, halalaka maneho hevitra ary hifamory.

Nefa isisihan'ireo manampahefana ao Phnom Penh ny hoe miteraka fahavoazana ho an'ny daholobe ilay fitokonana:

Nanao antso avo tamin'ireo mpitokona ny ao amin'ny  Lapan'ny Tanàna mba hampitsahatra ireo hetsika tsy ara-dalàna. Mbola nanitsakitsaka ihany ry zareo mody nilaza fa hikarakara fitokonana mba hitadiavana vahaolana momba ny asa tamin'ny alàlan'ny fampiasàna ny tambajotra sôsialy sy ireo fitaovana hafa mba hamoriana olona, ary tsy niraharaha ireo fepetra ara-pahasalamàna kanefa efa amin'ny tarehimarika telo izao ny fifindran'ny otrikaretina Omicron eny anaty fiarahamonina.

Tany am-piandohan'ny Febroary, tafakatra tamin'ny avo indrindra ny tarehimarika voarakitra momba ny tranga vaovaon'ny COVID-19 tao Kambôdza, izay ambaran'ireo manampahefana fa noho ny fitavozavozana tamin'ny fametrahana ireo fepetra ara-pahasalamàna.

Imbetsaka nandraman'ireo mpikambana avy amin'ny sendika ny hamerina ilay fitokonana tamin'ny 23 sy 24 Febroary, saingy vetivety ny nanosehan'ny pôlisy azy ireo ho any anaty fiarabe talohan'ny nitondrana azy ireo ho any amin'ireo toerana fanokana-monina.

Lazain'ireo mpiasa fa efitrano maloto no misy ao amin'ilay ivontoerana fanokana-monina

Tato anatin'ny volana roa farany, niaritra karazana fandemena isankarazany ireo mpitokona.Voalohany indrindra, nolazain'ireo manampahefana mpiadidy ny tanàna fa tsy ara-dalàna ilay fitokonana. Ny 31 Desambra, mpikambana 8 avy amin'ny sendikà no nosamborina sy nampangaina ho mandrisika ny olona hanao heloka bevava. Tamin'ny fotoana nanoratana, mbola voatazona any izy ireo.

Ireo vondron'ny fiarahamonina sivily manaraka ilay fitokonana dia naneho ny hatezerany manoloana ny fomba fitondra ireo vehivavy mpiasa eo am-pelatanan'ireo manampahefana:

Efa im-betsaka ary amin'ny fomba tsy takatry ny saina ireo vehivavy mpitokona no lasibatry ny ezaka ataon'ny fanjakàna ho fanaparitahana ilay fitokonana am-pilaminana. Nandritra ny Janoary, nosakanana an-jambany ireo mpitokona tsy hahazo mandeha any amin'ireo trano fivoahana teny akaikin'ny toerana nanaovany fitokonana, izay averina sokafana isanandro rehefa lasa mody ireo mpitokona. Efa im-betsaka no tsy navelan'ireo manampahefana nody ireo mpitokona raha tsy efa latsaka ny alina, ary matetika izy ireo no misy manaraka rehefa nomena alàlana handao ny toerana.

Taorian'ny filàm-baniny nanjo ny mpanaop gazety iray teo am-panangonana vaovaon'ilay fitokonana, ireo vondrona media koa dia nametraka fitarainana momba ny pôlisy.

Raha tokony ho niaiky ny fangatahan'ireo mpiasa, nalaky be ny fanjakàna tamin'ny fitsaràna ilay fitokonana ho toy ny fihetsiketsehana tohanan'ny vahiny mba hanetsehana “revôlisiôna miloko” ao Kambodza. Nolavin'ireo vondrona mpiaro zon'olombelona izany, tamin'ny fanomezana fanohanana ho an'ireo mpiasa.

Ny tranonkalam-baovao  VOD amin'ny fiteny anglisy dia nitafa tamin'i Mam Sovathin, mpiasa iray miandry fahasitranana any amina ivontoerana iray fanokana-monina, izay nivoady fa hanatevina laharana ireo mpiara-miasa aminy mba hamerina ny fitokonana amin'ity volana ity:

Vantany vao salama eo izahay, dia hanohy ny fitokonana mandra-pahazo fanapahankevitra avy amin'ny NagaWorld. Tsy misy tokony hatahorana, satria tsy nanao ratsy izahay, na nisy nanakana anay tsy hiditra aza ireo ministera voakasik'izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.