- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miangona eo amin'ny sisintany any Moldavia, Slovakia, Polonina ireo mpitsoa-ponenana Okrainiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Moldavia, Okraina, Polonina, Repoblika Tseky, Rosia, Slovakia, Ady & Fifandirana, Fampandrosoana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Vonjy Voina, Zon'olombelona, Russia invades Ukraine

 

Fiara fitateram-bahoaka Chișinău-Odesa izay matetika mila adiny 4 vao tonga any amin'ireo tanàna roa ireo. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana

Raha nanomboka ny fanafihana ara-miaramila nanerana an'i Okraina i Rosia tamin'ny 24 Febroary, nandrava ny toby miaramila tao anatiny na akaikin'ireo tanàndehibe, dia Okrainiana marobe no nandray ny fiarany ary nanomboka niala ny toerana. Betsaka no nitady fialofana tany ambanivohitra izay noheverina fa azo antoka kokoa ary efa maro no nandefa zaza sy ray amandreny efa nahazo taona tany.

Ny hafa anefa mihevitra ny hiankandrefana hitady fialofana vonjimaika any amin’ny firenena mpifanolo-bodirindrina [1], indrindra any Moldavia, Slovakia ary Polonina, izay nametrahan'ny manampahefana any an-toerana haingana ny fotodrafitrasa handraisana ireo mpitsoa-ponenana an'arivony, angamba eo amin’ny mpitsoa-ponenana an'aliny eo.

Toerana manan-danja ho an'ny olona mandositra ny tanàna atsimo ao Odesa, misy mponina maherin'ny iray tapitrisa [2], izay nisy toby miaramila voadaroka baomba, ka niteraka fahafatesana [3] maro, i Moldavia. Maharitra adiny telo — amin'ny fotoana tsotra — no ahatongavana any Chișinău, renivohitr'i Moldavia.

Ity lahatsarin'ny Radio Free Europe ity no mampiseho ny fomba fiampitan'ny olona ny sisintany amin'ny fiara na amin'ny fandehanana tongotra fotsiny.

Miaina toe-javatra tahaka ny an'i Okraina ihany koa i Moldavia amin'ny maha-firenena mizarazara azy, satria eo ambanin'ny governemanta separatista izay tohanan'i Moskoa ara-miaramila, ara-politika ary ara-toekarena ny ampahatelon'ny faritaniny izay antsoina hoe Transnistria [4].

Slovakia no toeran-kaleha iray hafa, ho an'ireo any Okraina Andrefana na mifindra any, satria fantatra amin'ny lahateniny mpomba an'i Moskoa ihany koa i Hongria mpifanolo-bodirindrina izay mizara sisintany amin'i Okraina, ary tsy voatery mifankahazo amin'ny Okrainiana. Nanambara ny governemanta Slaovaky tao amin’ny tranokalan'ny Minisiteran'ny Atitany [5] hoe:

Vstup bude umožnený všetkým osobám, ktoré utekajú pred vojnovým konfliktom. Vstup na územie Slovenskej republiky bude umožnený po individuálnom posúdení aj osobám, ktoré nebudú mať platný cestovný doklad (biometrický pas).

Avela ho an'ny olona rehetra mandositra ny ady miaramila ny fidirana [ao amin'ny faritany Slaovaky]. Azo atao arakaraka ny fanombanana ny tsirairay ny fidirana ao amin'ny faritany Slaovaky ao anatin'izany ny olona tsy afaka manolotra antonta-taratasy manan-kery (pasipaoro biometrika).

Nanameloka [6] ny fanafihan'ny miaramila Rosiana ihany koa ny filoha Slaovaky Zuzana Čaputová [7] ary nandefa miaramila hanampy ny mpitsoa-ponenana. [8] Mizara sisintany mirefy 100 km [9] eo ho eo miaraka amin'i Okraina i Slaovakia, ary misy vondrom-piarahamonina mpiasa mpifindra monina [10] Okrainiana maro sy Okrainiana vitsy an'isa manan-tantara, toa an'i Repoblika Tseky any.

Safidy lehibe ihany koa i Polonina, raha jerena ny fifandraisana ara-tantara efa naharitra tamin'i Okraina, ny fisian'ny Okrainiana vitsy an'isa ary ny tantaran'ny fifindra-monina amin'ny asa, fa satria koa vao haingana no nisy ny fahatongavan’ny mpitsoa-ponenana Belarosiana, narahin'ny fampiasan’i Minsk ho fitaovana ireo mpitsoa-ponenana avy any Syria sy Iraka.

Toy ny nosoratan’ny gazety Poloney malaza Gazeta Wyborcza [11], fa mitombo isan'ora ny isan'ny Okrainiana mpitsoa-ponenana tonga amin'ny fiara amin'ny sisintany samihafa. Araka ny voalazan'ny mpitsoa-ponenana iray nanontaniana tao amin'ny lahatsoratra:

Aleks z żoną i dwójką kilkuletnich dzieci pochodzą z Charkowa, ale ostatnie dni spędzali we Lwowie. – O 5 rano zadzwonili znajomi, że jest wojna. Spakowaliśmy, co mieliśmy i ruszyliśmy w drogę. Jedziemy do Krakowa albo jeszcze dalej do Wiednia. Zobaczymy, co będzie dalej.

Avy any Kharkov [avaratr'i Okraina, akaikin'ny sisintany Rosiana] i Aleks sy ny vadiny ary ny zanany kely roa saingy nijanona andro vitsivitsy tany Lviv [tanàna Okrainiana any Andrefana]. “Tamin'ny dimy ora maraina, niantso anay ny namana nilaza taminay fa misy ny ady izao. Nangoninay ny entanay ary lasa izahay nandeha. Hankany Krakow [tanàna any atsimon'i Polonina] izahay ary avy eo ho any Vienna. Ho hitanay izay ho atao manaraka

Na dia manao safidy faran'izay sarotra aza ny Okrainiana tsirairay, na mijanona na miala, miankina betsaka amin’ny toerana haleha koa ilay safidy, ny habeny sy ny toetry ny fianakaviany, ny fananana pasipaoro sy visa. Mila miomana amin’ny fahatongavan’ny andiana mpitsoa-ponenana i Eoropa Afovoany ary mitaky fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana matanjaka izany avy amin'ny Vondrona Eoropeana mba hiatrehana ny andiana fifindra-monina goavana toy izany.