- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nodimandry teo amin'ny faha-92 taonany i Sonny Ramadhin, mpilalao cricket ary mpanimpy nikoizana tao Antilles

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fanatanjahantena, Filazana manjo, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka
[1]

Sarin'ilay Trinidadiàna mpanipy baolina, Sonny Ramadhin, izay nodimandry tao Angletera tamin'ny 27 Febroary 2022. Pikantsary nalaina avy amina lahatsary YouTube, tatitry ny vaovaon'ny “Trinidad and Tobago Television (TTT)” nomeny lohateny hoe  ‘Cricket – manome voninahitra an'i Sonny Ramadhin i Antilles.’

1950 tamin'izany. Sonny Ramadhin [2], mpanipy baolina niezinezina tamin'ny tànana havanana, taranaka Indiàna Tasinanana —  ilay voalohany tamin'ireo mpilalao avy amin'ny foko nisy azy voafidy ho ao anatin'ny ekipa criket tao Antilles — no nanomboka nanoratra ny tantara. Vao teo amin'ny faha-21 taonany monja, ny 8 Jona, tsy ela akory tao amin'ny kianja filalaovana cricket-n'ny Old Trafford [3] ilay Trinidadiàna no nanomboka ny andrana [4] fanombohany [5]. 12 andro monja taorian'izay, ny asan-tarika nataony niaraka tamin'ilay namany mpanipy baolina Alf Valentine [6], ary ny vely kanonta mafonjan'ireo “three Ws” [7] malaza (Frank Worrell, Everton Weekes ary Clyde Walcott) no nanampy nitondra ny fandresena  voalohany nanoloana an'i Angeltera [8] azon'ny Antilles tao Lord’s [9]. Saika azon'ilay tarika daholo ireo andiana lalao cricket fitsapàna [10], ny voalohany vitan-dry zareo lavitra an'i Karaiba.

Satria izy sisa no hany velona tamin'ireo mpikambana tao anatin'izany tarika izany, nandona mafy tokoa ireo mpankafy cricket [11] ny vaovao momba ny fodiamandrin'i Ramadhin tamin'ny 27 Febroary, teo amin'ny faha-92 taonany. Ny zafikeliny lahy, Kyle Hogg, izay mpilalao cricket ihany koa saingy efa nitsahatra, nanoratra tao amin'ny Twitter hoe:

Andro manjombona – dadaben'ireo dingana goavana

Tena namirapiratra ny vanimpotoana nilalaovany cricket, arahan'ireo antontanisa mampitolagaga [2]— 158 wickets tanatina lalao fitsapàna 43  — nefa tsy misy velively olona hanadino ireo fiandohana namirapiratr'i Ramadhin, indrindra fa ny vondrompiarahamonin'ireo avy any Antilles monina ao [14]Londona. Ny zavabitany aza, niaraka tamin'i Valentine, dia nitondra aingampanahy ho an'ilay hira malaza nataon'i Lord Beginner [15], “Victory Calypso,” [16] izay nitanisa ny “ireo namana keliko tsy foiko, Ramadhin sy Valentine“.

Teo am-pahafantarana ny fodiamandriny, ny filohan'ny Cricket ao Antilles, Ricky Skerritt, dia naneho fiarahamiory [17], tamin'ny fiantsoana an'i Ramadhin hoe  “iray tamin'ireo goavana mpisava làlana” ho an'ny fanatanjahantena ao amin'ny faritra:

Marobe ny tantara nambara momba ireo zavabitany nampitolagaga [ampahany tamin'ny ] “spin twins” tamin'ny cricket [fony] i Angletera sambany lavon'i Antilles tany lavitry ny tanindrazan-dry zareo. Io fitetezana nanana ny naha-izy azy io dia tafiditra ho isan'ny lova manankarena ho an'ny cricket-ntsika […] Omentsika voninahitra i Sonny Ramadhin noho ny fandraisany anjara nampitolagaga tamin'ny cricket teto Antilles.

Ampahany amin'ny lova navelan'i Ramadhin amin'ny naha-mpisava làlana azy ny zavamisy hoe ny fisiany tao anatin'ny tarika dia namotika ny sakan'ny volonkoditra. Tao anaty antsafa [18] iray niarahany tamin'ny UK Guardian tamin'ny 2020, hoy izy:

Nahatsiaro nirehareha aho, satria tamin'izany andro izany ny Indiana tsy dia nanana vintana betsaka loatra. Mpilalao mainty sy fotsy hoditra ihany, nefa nosokafako ny varavarana. Taoriako dia nisy maro ireo nahay izay tonga tamin'izany.

Avy any Guyane, nohamafisin'ny [19] Berbice Cricket Board fa i Ramadhin no nanokatra ny làlana ho an'ireo mpilalao hafa manana fiaviana indiàna mba hahita fahombiazana miaraka amin'ny ekipan'ny cricket ao Antilles.

Trinidadiàna mpanao pôlitika i Tim Gopeesingh, nanampy hoe [20]:

[T]amin'ny ohatra velona nasehony,  dia nasehony antsika rehetra tamin'izany, sy ankehitriny, ny fomba ahafahana mandingana ny fahasamihafàna ara-poko, ara-jeografika, ara-pinoana ary ara-tsaranga, amin'ny alàlan'ny asa ilofosana, ny fitsipika, ny fahavononana ary ny faniriana ho ny goavana indrindra ao anatin'ny sehatra nofinidinao.

Shamfa Cudjoe, minisitry ny fampiroboroboana ny tanora sy ny fanatanjahantena ary ny fiarahamonina ao Trinidad & Tobago, nahatsiaro an'i [21] Ramadhin ho toy ny  “hery iray goavana tamin'ny alàlan'ny fahaizany manodinkodina ny baolina amin'ny lafy roa”:

Tamim-pireharehana no nisoloany tena ity firenena ity sy nahatonga azy ho aingampanahy ho an'ireo marobe mpilalao cricket sy mpankafy fanatanjahantena, na teto amin'ny firenena izany na teo amin'ny iraisampirenena. Tena olona goavan'ny cricket tokoa izy.

Ramadhin dia teraka ny 1 May 1929 tao amin'ny vohitra atsimon'i Esperance. Zanaka indiana mpiasa voafehina fifanarahana arak'asa, vao roa taona monja izy no maty ireo nahitàny masoandro, namela azy ho ambany fiahin'ireo mpikambana hafa tao anatin'ny fianakaviana. Teo amin'ny faha-13 taonany, niasa tao amin'ny toerana fambolena fary tao Palmiste izy, ka tao amin'izany toerana izany dia matetika izy no nanankin'ny mpifehy ny fikarakaràna ny kianja filalaovana cricket, araka ny tantara [22]. Io no namelona tao anatiny ny fitiavana ilay lalao ary tao no nampitomboany ny traikefany [20], ka nony farany nanandramany ho ao anatin'ny ekipan'ny Antilles nandritra ireo fisedràna tamin'ny 1948; voafantina [22] izy ny taona nanaraka an'io. Misy sarivongana [23] iray ho fanomezana voninahitra azy ny kianja iray ao amin'ny faritr'i Palmiste, toerana nandavahan'i Ramadhin voalohany teo amin'ny sehatry ny cricket.

Ireo namany, [24] mpiara-milalao ary mpankafy dia samy nahatsiaro ilay goavan'ny fanipàzana baolina ho “olona manetry  tena sy mahafinaritra,” [25] ary tena nafàna fo tamin'ny fanatanjahantena, na dia taorian'ny nanoloana [26] azy tamin'i Lance Gibbs [27]  aza, teny anelanelan'ny lalao fitsapàna nifanandrinan'i Antilles tamin'ny Aostralia tany amin'ny 1960. Tamin'ny Jona 1957 [28] anefa no tena nanomboka ireo fanamby fitsapàna cricket nataon'i Ramadhin, nandritra ny fitsapàna iray nifanandrinana tamin'i Angletera [29], fotoana nampiasan'ireo mpively roalahy Peter May [30] sy Colin Cowdrey [31] ny fepetran'ny tongotra alohan'ny wicket (LBW) ho tombondahiny ho azy ireo [26] tamin'ny fampiasàna ireo fiarovan-tongotra hanakanana izay baolina tsy vitan-dry zareo ny handona azy. Taty aoriana dia novàna ny lalànan'ny LBW, ary dia io koa no fanombohan'ny fiafarana ho an'i Ramadhin, izay tsy nilalao intsony ho an'ny Antilles taorian'izay fitetezana farany tany Aostralia izay.

Nanambady vehivavy britanika izy taty aoriana, June Austerberry, niteraka roa ary nonina tany Angeletera, ary nanohy tany ny filalaovana ny county cricket [29]. Rehefa nitsahatra izy dia  nitantana ilay toeram-pisotroana White Lion tao Delph, tanàna iray ao Greater Manchester niaraka tamin'ny vadiny, toerana falehan'ireo mpankafy cricket matetika mba hitady azy.

Nandritra ireo taona farany niainany, lasa filohan'ny Friarmere Cricket Club i Ramadhin, izay nandefa izao bitsika izao momba ny fodiamandriny:

Mandria am-piadànana Atoa Filoha, tena namoy lehilahy iray mendri-kaja izao tontolo izao. Tsy misy tena mahafaritra ny halehiben'ny fitiavan'ity klioba kelintsika ity anao