- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maneho ny ahiahiny momba ny Volavolan-dalàna mikasika ny Zon'ny mpamorona any Kenya ireo vondrona ara-panatanjahatena manerantany

Sokajy: Afrika Mainty, Fanampenam-bava, Fanatanjahantena, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka

“Fidio izay tompon'andraikitra: adihevitra mivantana amin'ny fahitalavitra miaraka amin'ireo kandidà ho Filohan'ny Vaomiera manaraka #TellEUROPE” avy amin'ny Parlemanta Eoropeana [1]  nahazo lisansa CC BY-NC-ND 2.0

Nanoratra taratasy misokatra [2] ho an'ny governemanta Kenyana ny fiaraha-mientan'ny fikambanana ara-panatanjahantena manerantany tamin'ny Desambra 2021, maneho ny ahiahin'izy ireo momba ny Volavolan-dalàna Fanitsiana ny Zon'ny mpamorona (copyright) ao Kenya eo anatrehan'ny parlemanta Kenyana amin'izao fotoana izao, ary manamarika fa mety hahatonga ny votoaty ara-panatanjahantena ho sarotra idirana ao amin'ny firenena izany.

Manahy ny Fiaraha-mientana [3]fa hamela ny fampandrenesana fanesorana ho azo foanana [4] ny fanovana natolotra hafoanana ny fizarana 35B, 35C ary 35D momba ny Lalàna mifehy ny Zon'ny mpamorona. Ahafahan'ny tompon'ny zon'ny mpamorona sy ireo tompon'ny zo mifandraika amin'izany hifehy ny asan'izy ireo sy ny fahafahana manao izany amin'ny sehatra an-tserasera ny fampandrenesana fanesorana. Araka ny filazan'ny mpandinika, hahatonga ny fanaovana piraty votoaty hiroborobo [5]ilay fanitsiana.

Ampiasain'ny tompon'ny zon'ny mpamorona maneran-tany ny fampandrenesana fanesorana mba hanerena ireo sehatra an-tserasera hanaisotra votoaty mandika ny zon'ny mpamorona .

Raha lany ho lalàna ny volavolan-dalàna fanitsiana, dia hanohitra ny fironan'izao tontolo izao i Kenya. Miaro ny zo fananana ara-tsaina an'ireo tompon'ny zon'ny mpamorona amin'ny sanganasan'izy ireo ny fampandrenesana fanesorana [6]. Zava-dehibe ho an'ny tompon-jo ara-panatanjahantena izy ireo, izay manaisotra votoaty tsy nahazoana alalana, izay tena ilaina amin'ny fiarovana ny lanjan'ny fanatanjahantena alefa mivantana. Matahotra ny fanitsiana ny sasany sao mety hahatonga ny Kenyana saranga antonony ho very fialam-boly ara-panatanjahantena ny fanitsiana satria mety hanaisotra ny serivisiny ny sehatra ara-botoaty.

Any amin'ny faritra sasany amin'izao tontolo izao, indrindra any Eoropa, nohamafisina mba hifehezana bebe kokoa ny tontolon'ny fanatanjahantena alefa mivantana [7] ny lalànan'ny zon'ny mpamorona sy ny fampandrenesana fanesorana. Mety hanakana an'i Kenya tsy handray anjara amin'ny programa Fifanarahana momba ny Fitomboana sy ny Hirika ao Afrika – African Growth and Opportunity Agreement [8] (AGOA) ilay volavolan-dalàna. Iray amin'ireo fepetra fanampiny amin'ny fanavaozana izany izay mitaky fanoloran-tena voaporofo amin'ny fiarovana ny zon'ny mpamorona ho fepetra voalohany takiana amin'ny sonia, manohintohina ny fahatokisan'ny mpampiasa vola [9].

Nilaza ny filohan'ny Fiaraha-mientan'ny Tompon'ny Zo Ara-panatanjahantena – Sports Rights Owner Coalition [10] (SROC) Mark Lichtenstein fa fa “manahy mafy” ny amin'ny mety ho fiovana amin'ny Lalànan'ny Zon'ny mpamorona ao Kenya ireo mpikambana ao aminy. Firaisankin'ireo vondrona ara-panatanjahantena iraisampirenena sy nasionaly maherin'ny 50 ny Fiarahamientana, misolo tena ny sasany amin'ireo fitsipika sy fifaninanana ara-panatanjahantena malaza manerantany, toy ny English Premier League, London Marathon, World Tennis Association (WTA), UEFA, Rugby World Cup, ankoatra ny hafa. .

Ny volavolan-dalàna fanitsiana ny zon'ny mpamorona 2019, dia mirakitra fitsipika avy amin'ny fifanarahana amin'ny Aterineto tamin'ny taona 1996 an'ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fananana Ara-tsaina (WIPO), izay mikendry ny fanakanana ny fidirana sy fampiasana tsy nahazoana alalana ireo sangan'asa famoronana. Araka ny filazan'ny Tale Mpanatanteraka ao amin'ny Kenya Copyright Board (KeCOBO), Edward Sigei [11]:

Take-down notices are a critical tool for copyright holders and related rights holders to fight digital content piracy by controlling the distribution and economic viability of their work and how it is accessed online. 

Fitaovana manan-danja ho an'ny tompon'ny zon'ny mpamorona sy ny tompon'ny zo mifandraika amin'izany ny fampandrenesana fanesorana mba hiadiana amin'ny fanaovana piraty ny votoaty ankihy amin'ny alàlan'ny fanarahamaso ny fitsinjarana sy ny fahavelomana ara-toekarena ny sangan'asan'izy ireo ary ny fomba hidirana amin'izany amin'ny aterineto.

Ny KeCOBO no tompon-daka amin'ny Mpiara miombon'antoka miady amin'ny Piraty- Partners Against Piracy [12] (PAP), fiarahamiasa amin'ireo fikambanan'ny indostrian'ny orinasa mitovy hevitra sy tompon'ny zon'ny tsirairay mba hanampy amin'ny ady amin'ny piraty. Tonga nanohana ny fanambaran'ny Fiahara-mientan'ny Tompon'ny Zo Ara-panatanjahatena ny PAP. 

Across the world, they help to safeguard the intellectual property rights of sports rights owners. If rights owners cannot request that pirated sports content is taken down immediately, that will threaten the future of live sports broadcasts in Kenya. Why would international sports media allow sports broadcasts in Kenya, if they have no way of stopping them from being pirated?

Manampy amin'ny fiarovana ny zo momba ny fananana ara-tsaina an'ireo tompon-jo ara-panatanjahantena manerana izao tontolo izao izy ireo. Raha tsy afaka mangataka ny hanesorana avy hatrany ny votoaty ara-panatanjahantena niharan'ny piraty ireo tompon-jo, dia hanohintohina ny hoavin'ny fampitam-baovao mivantana momba ny fanatanjahatena any Kenya izany. Nahoana no avelan'ny fampahalalam-baovao ara-panatanjahantena iraisam-pirenena ny fandefasana ara-panatanjahantena any Kenya, raha tsy manana fomba hanakanana azy ireo tsy ho hiharan'ny piraty izy ireo?

Manjaka any Kenya sy Afrika amin'ny ankapobeny ny fanjifana votoaty tsy ara-dalàna — indrindra ny fanatanjahan-tena — izay nitarika ny KeCOBO namolavola fomba fiasa amin'ny sehatra isan-karazany [13] hiadiana amin'ny piraty, ny heloka an'habaka, ary ny votoaty tsy ara-dalàna.

 John Kiarie [14],  mpanao lalàna Kenyana, izay mipetraka ao amin'ny Komitin'ny TIC an'ny Parlemanta Kenyana, namoaka matoan-dahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “”Manova ny fandrahonana ny Zo momba ny Fananana Ara-tsaina ny Lalàna momba ny Zon'ny Mpamorona [15]. Nomarihiny fa maneho “fihemorana lehibe indrindra eo amin'ny tantaran'ny zon'ny mpamorona ireo tolo-kevitra fanafoanana ireo ary mitovy amin'ny fanalana ny herim-piarovan'ireo mpanoratra Kenyana sy ireo tompon-jo”. Nampiany koa fa manjakazaka ny “fanitsakitsahana ny zon'ny mpamorona an-jotra, na dia ankihy (nomerika) aza ankehitriny ny ankamaroan'ny votoaty ara-barotra, ka mahatonga ny Lalàna ho tena manahirana.”

Nasongadin'ny Fiaraha-mientan'ireo Tompon-jo Ara-panatanjahantena bebe kokoa fa manamafy fa tsy mampahalemy ny fampiharana ny fampandrenesana fanesorana, indrindra ny votoaty alefa mivantana ireo mpanapa-kevitra ara-politika ny Eoropa. Nanambara ihany koa ny Fiaraha-mientana fa raha hampiharina ny volavolan-dalàna fanitsiana, dia mety hisy voka-dratsy manimba na ho an'ny toekarena Kenyana na ho an'ny mpanjifa Kenyana izany. Ireo tompon-jo avy amin'ny fanatanjahantena sy ny indostrian'ny famoronana hafa no azo inoana fa tsy hanome alalana mihitsy ny votoatin'izy ireo any amin'ny sehatra manome vahana ny piraty — ka mandà ny mpanjifa tsy hijery ny fanatanjahan-tena sy ny fandaharana ankafizin'izy ireo amin'ny fahitalavitra araka izany.

Ny “parlemanta Kenyana ao Nairobi” avyamin'nyi *SHERWOOD*, nahazo alalana teo ambanin'ny CC BY-SA 2.0 “Kenyan parliament in Nairobi” by *SHERWOOD* is licensed under CC BY-SA 2.0

Tamin'ny 16 Febroary 2022, notakiana ny Parlemanta Kenyana mba hanafoana ny volavolan-dalàna fanitsiana niaraka tamin'ny mpanohana ny Fanitsiana, Gladys Wangahe [16], ramatoa mpanao lalàna mikasa ny hanafoana tanteraka ireo tolo-kevitra.

 Nisy ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter momba ny fanovana nokasaina araka ny aseho etsy ambany;

 Ny tolo-kevitra fanafoanana ny fizarana 35B, 35C & 35D, amin'ny alàlan'ny volavolan-dalàna (Fanitsiana) momba ny zon'ny mpamorona 2021 dia mandika ny Lalàm-panorenan'i Kenya #HandsOffSection35B [17] Lalàna momba ny zon'ny mpamorona —

Matahotra ihany koa ny PAP fa mandika ny fepetra momba ny zo fananana ara-tsaina ao amin'ny Lalàm-panorenan'i Kenya ilay volavolan-dalàna, izay lazainy fa mitovy amin'ny zo hafa mikasika ny fananana