- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mivondrona ho fanohanana an'i Okraina ny Zeorziana raha sahirana hamaly ny solombavambahoaka

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Rosia, Zeorzia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Russia invades Ukraine

Zeorzia manohana an'i Okraina. Sary avy amin'i Mariam Nikuradze, OC Media. Nahazoana alalana ny fampiasana ny sary.

Navoaka voalohany [1] tao amin'ny OC Media ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fiarahamiasa momba ny votoaty.

Nanao diabe nanamorona ny Araben'i Rustaveli afovoany ireo mpanohana an'i Okraina tamin'ny Alakamisy 24 Febroary, nanao tohivakan'olombelona, nanofahofa saina Okrainiana, ary nandrehitra afo mavo sy manga teo ivelan'ny tranoben'ny Parlemanta ao Tbilisi. Nisy famoriam-bahoaka nifanandrify tamin'izany natao teo ivelan'ny Masoivohon'i Okraina ao Tbilisi.

Tbilisi amin'izao fotoana izao. An'arivony no manao tohivakan'olombelona hanehoana ny fanohanana an'i Okraina.

Tbilisi amin'izao fotoana izao 🇬🇪🇺🇦

An'aliny no manao diabe ho firaisankina amin'i Okraina ✊#StandWithUkraine [2] #Україна [5]

📷 Euronews Georgia

Ny marainan'ny alakamisy, nisy fihetsiketsehana ihany koa tany amin'ireo tanànan'i Kutaisi, Batumi [8]Zugdidi [9], Gori, sy Poti [10].

Taorian'ny fitakian'ireo vondrona mpanohitra maromaro, nilaza ny filoha Zeorziana Salome Zurabishvili fa hampiantso fivoriana tsy ara-potoanan'ny parlemanta izy amin'ny Zoma 25 Febroary ho setrin'ny krizy.

Nosoritana ny fampitoviana [11] tamin'ny ady 5 andro tamin'ny taona 2008 [12] nifanaovan'i Rosia sy Zeorzia tany amin'ireo faritra roa mpisintaka, Ossetia Atsimo sy Abkhazia tany Zeorzia. Nirongatra ny fihenjanana rehefa naneho ny fahalianany tamin'ny fidirana tao amin'ny OTAN i Georgia tamin'ny taona 2008, ka niafara tamin'ny ady namoizana ain'olona an-jatony, olona an'aliny nifindra toerana, ary nahatonga ireo faritany roa ireo tao anatin'ny ady nivaingana. Nandritra izany fifandonana izany, nosoniavina  ny fifanarahana fandriampahalemana ahitana teboka enina [13]teo amin'i Rosia sy Zeorzia tamin'ny 16 Aogositra 2008. Ny filoha Frantsay, Nicolas Sarkozy, tamin'izany fotoana izany no nifampiraharaha tamin'izany amin'ny maha filohan'ny Vondrona Eoropeana azy. Folo andro taty aoriana, nankatoa an'i Abkhazia sy Ossetia Atsimo i Rosia, ka nahazo fanamelohana mielipatrana avy amin'ireo mpitarika tandrefana.

Nisioka ny Filoha Zeorziana tamin'ny Alatsinainy 21 Febroary hoe:

Manameloka mafy ny “fankatoavan” i Rosia ny faritr'i Donetsk sy Lugansk any Okraina 🇺🇦, namerina ny tranga izay nitarika ny fibodoana ny 20%-n'ny faritaninay. manohana ny Filoha Zelensky ary manohana ny fahamarinan-toerana sy ny fandriampahaleman'i 🇺🇦.

Giorgi Gakharia [15], praiminisitra teo aloha sady mpitarika ny mpanohitra ankehitriny Ho an'ny Antoko Zeorzia nanoratra fa ” tsy tokony hamerina ny fahadisoana efa nisy tamin'ny taona 2008 [ny] Tandrefana. Tsy maintsy mihetsika ireo mpiara-dia ankehitriny! We #StandwithUkraine![mijoro miaraka amin'i Rosia izahay]

Ny antoko Droa, notarihin'i Elene Khoshtaria, kosa nandritra izany, nanentana ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanome fitaovam-piadiana ho an'i Okraina sy hampitombo ny sazy ho an'i Rosia.

“Mamporisika ireo mpiara-miombon'antoka iraisam-pirenena izahay mba hampiasa ny sazy manokana sy ara-toekarena, ara-bola ary ara-diplaomatika ho famaliana avy hatrany, mahomby ary miray hina manoloana ny herisetran'i Kremlin,” hoy ny antoko tamin'ny fanambarana [16]iray.

Tamin'ny 1 Febroary, nandray fanapahan-kevitra [17]ny Parlemanta Zeorziana saingy tsy nahavita nanonona ny fandraisan'anjaran'ny Rosiana amin'ny krizy mitohy ankehitriny. Raha niresaka momba ny “mety ho fanafihan'ny miaramila any Okraina” ny fanapahan-kevitra ary nilaza fa tokony hanan-jo hiditra ao amin'ny OTAN i Okraina sy ny firenen-kafa, nijanona tampoka tsy nanonona anarana ilay mandrahona ny “fiandrianam-pirenena sy ny tsy fivakisan'ny sisintanin'i” Okraina, ny Federasiona Rosiana, ny solombavambahoaka Zeorziana Dream.

Naneho hatezerana ireo mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra, anisan'izany ny Hetsika Nasionaly Tafaray- United National Movement (UNM) fa nohadinoina tao anatin'ny fanapahan-kevitra i Rosia. Tamin'ny volana janoary 2022, nandrafitra fanambarana misaraka nasiana teny mafy  momba ny herisetran'ny Rosiana ny antoko mpanohitra ary niara-nanasonia ny antontan-taratasy tao ivelan'ny parlemanta. Navoakan'izy ireo tamin'ny aterineto [18] izany avy eo mba hosoniavin'ny besinimaro. Naneho ny “fanahiana mafy amin'ny fanafihan'ny miaramilan'i Rosia ary [nanameloka] ny fandrahonana ataony amin'ny fampiasàna hery hanoherana ny fiandrianam-pirenena sy ny tsy fivakisan'ny sisintanin'i” Okraina ilay antontan-taratasy.

Tamin'ny fiarovan-tenan'izy ireo, nanoritsoritra [19] ny fiteny tao anatin'ny fanambarana ho “tsy ahitana lahateny mpandrendri-bahoaka sy mihantsy”ny lehiben'ny parlemanta Georgian Dream, Mamuka Mdinaradze.

Vokatr'izany, nifidy irery ny ankamaroan'ny solombavambahoaka Georgian Dream tamin'ny fanapahan-kevitry ny parlemanta [17] ho fanohanana an'i Okraina.

Tao anatin'ny fanapahan-kevitra noraisina, nanizingizina ny Parlemanta Zeorziana fa ny maha-mpikambana ao amin'ny OTAN dia “zon'ny fiandrianam-pirenen'ny fanjakana rehetra ary tsy azo ekena tsotra izao ny fikasana hanakana izany zo izany amin'ny fampiasana fitaovana ara-miaramila na ara-politika.”

“Tsy vahaolana ny famatsiana fitaovam-piadiana”

Nitombo ny fanakianana ny governemanta nanomboka tamin'ny fananiham-bohitra tamin'ny alakamisy teo izay nofaritan'ny vondrona mpanohitra ho tsy fahombiazan'izy ireo manohitra araka ny tokony ho izy ny fihetsik'i Rosia.

Rehefa nohantsiana amin'ny mety idiran'i Zeorzia hanatevin-daharana amin'ny fanasaziana an'i Rosia nandritra ny antsafa ora vitsivitsy talohan'ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina, nanapa-kevitra ny praiminisitra Zeorziana Irakli Gharibashvili ny tsy hanao na inona inona “mety hampihombo ny toe-draharaha ho an'ny firenena na hiasa hamely ny tombontsoan'ny” Zeorziana.

Nandritra io antsafa io ihany, izay nandeha ora maro talohan'ny nanambaran'i Putin fa nandidy ny tafika Rosiana ho any Okraina izy, dia tonga hatramin'ny tsikeran’ [20]ny famatsiana fitaovam-piadiana ho an'i Okraina i Gharibashvili.

“Araka ny efa fantatrao, i Amerika no mpamatsy vola lehibe indrindra amin'ity zotra ity ary nanao ny anjara birikiny betsaka indrindra tamin'ny fitaovam-piadiana, tahaka ireo firenena Eoropeanina maromaro koa. Saingy mazava ho azy fa tsy ampy izany ary amin'ny ankapobeny dia tiako ny milaza fa tsy vahaolana amin'ity toe-draharaha ity ny famatsiana fitaovam-piadiana. Tokony azo vahana amin'ny alalan'ny fifampiraharahana ny fifandirana rehetra.”

Niatrika tsikera ihany koa ny governemanta Zeorziana tamin'ny 23 Febroary noho ny fanalam-baraka ireo Zeorziana izay nanohana an'i Okraina nandritra ny lalao rugby Rosiana-Georgiana, kasaina hatao ny Alahady any Tbilisi. Nofoanana [21] nony farany ny lalao.

Taorian'ny nanafihan'i Rosia tamin'ny fomba ofisialy an'i Okraina, namoaka fanambarana mahery vaika kokoa ny Praiminisitra Gharibashvili [22] sy ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny [23]. Nantsoin'ny praiminisitra hoe “fanitsakitsahana miharihary ny lamina iraisam-pirenena” ny fihetsik'i Rosia amin'i Okraina ary niantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena hanao izay rehetra azo atao izy mba hampitsaharana izany.