- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy andrenesana feo momba ny olana ao Okraina i Azerbaijàna, mitsidika an'i Maosko ny Filoha Aliyev

Sokajy: Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Pikantsary avy amina lahatsary tatitra [1] nataon'ny masoivohom-baovaom-panjakana Azertag mampiseho ny filoha Ilham Aliyev sy ny vadiny, Mehriban Aliyeva tonga tao Maosko ny 21 Febroary 2022.

Taorian'ny nanasoniavan'i [2] Vladimir Putin tamin'ny 21 Febroary ilay didim-panjakany nalaza ratsy nankatoavany ny fahaleovantenan'ireo lazaina fa Repoblika Entim-bahoakan'i Donetsk sy Luhansk ao Okraina, ary nanomezany baiko ireo tafika any anatin'ireo faritra nisintaka mba hanao ny lazainy fa “asa fampandriantany”,  nanomboka nampiseho ny lanjany [3] ireo filoham-panjakana Tandrefana tamin'ireo alàlan'ny fanambaràna nanameloka ilay fanapahankevitra. Azerbaijàna ireny no hany firenena tokana tsy andrenesana feo.

Tamin'izay andro izay ihany koa ny filoha azerbaijaney Ilham Aliyev sy ny vadiny, Mehriban Aliyeva, no nanatontosa fitsidihana ôfisialy [4] tao Maosko, izay nitsenan'ny andia-miaramila mpanome voninahitra sy ny lefitry ny minisitry ny raharaha ivelany ao Rosia azy ireo. Tamin'ny fotoana nanoratana ity tantara ity, tsy mbola naharenesana feo ny minisitry ny raharaha ivelany ao Azerbaijàna momba ilay fiharatsian'ny raharaha.

Toy ny ankamaroan'ireo media mpomba ny fitondrana ao Azerbaijàna rahateo.

Tsara ny manamarika fa ny masoivohom-baovaon'i Kremlin no voalohany nampahafantatra ny fitsidihan'ny filoha Aliyev tao Rosia. Na tsy misy aza ny fanambaràna ofisialy navoaka momba ny fitomboan'ny fifampihenjanana eo amin'i Rosia sy Okraina, ary tsy andrenesana feo ireo media, dia resahan'ireo mpampiasa tambajotra sôsialy kosa ilay fitsidihan'i Alyiev ary kianin-dry zareo io fanapahankevitra io, raha ny hafa kosa indray maneho ny fanohanany an'i Okraina, tamin'ny fanoloana ny sary momba azy ho ny sainampirenen'i Okraina.

Ny ampitso, 22 Febroary, raha tokony ho fanambaràna ôfisialy no navoaka, voalaza fa [5] talohan'ilay fihaonana efa voaomana miaraka amin'i Putin dia famangiana ny fasan'ireo miaramila tsy fantatra anarana tao Maosko no nataon'ny filohan'i Azerbaijàna.

Rehefa hifarana ny tolakandron'ny 22 Febroary vao tonga ny zavatra manakaiky indrindra ny fanambaràn'i Elman Nasirov avy amin'ny Antoko Azerbaijàna Vaovao eo amin'ny fitondrana, avy amin'ny parlemantam-pirenena ao Azerbaijàna, izay nilaza fa tsy nisy zava-tsy nampoizina tao anatin'ilay fanambaràn'ny filoha Putin omaly hariva. ” Araka izay voamarika tao anatin'ny kabariny ho an'ny vahoaka rosiàna, ao anatin'izao toedraharaha ankehitriny izao, voatery ry zareo [ao Kremlin] niditra tamin'izao dingana izao noho ny resaka fandriampahalemana,” hoy ny notanisain’ [6]ilay parlemantera, filazàna araka ny tatitry ny masoivohom-baovaon'ny Radio Liberty.

Ny filazan'i Putin fa resaka fiarovana ny vahoakan'i Donbas no tondroin'i Nasirov. Hatramin'ny 2014 [7] ny faritra ao Donbas any atsinanan'i Okraina no efa vanja miandry fipoahana noho ireo fihenjanana misy amin'i Rosia sy Okraina. Ho an'ny [7] International Crisis Group (Vondrona iraisampirenena mpandinika krizy), “ilay ady dia ady ifanandrinan'ny tafiky ny governemanta okrainiàna amin'ireo mpitaky fisintahana izay tohanan'i Rosia mba haka ny fifehezana ny ampahany betsaka amin'ireo faritra roa tena be indostria ao Donetsk sy Lougansk, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Donbas”

Vao iray volana lasa izao, nitsidika tamin'ny fomba ôfisialy an'i Okraina ny filoha Ilham Aliyev, ka nandritra izany ireo filoha roa tonta dia niaraka nanao sonia fanambaràna iray niraisany milaza ny “fanohanany ny maha-iray tsy mivaky ny firenen-dry zareo sy ny fahavononany hiaraka hanohitra ny fandrahonana mifangaro,” hoy ny tatitry ny [8] Reuters. Nandritra ny antsafa niarahany nanao ho an'ny mpanao gazety taorian'ny nanasoniavana ilay fanambaràna, Volodymyr Zelenskiy, filohan'i Okraina, nilaza fa ilay fanambaràna dia nanamafy indray ny “faniarian-dry zareo hiantoka ny fandriampahalemana sy ny fitoniana any amin'ny faritry ny Ranomasina Mainty-Caspian sy lavidavitra kokoa aza,” hoy ny tatitry ny [8] Reuters.

Tamin'ny 22 Febroary, ny filoha Aliyev dia niresaka “andiany iray manontolo momba ireo olan'ny fanatsarana ny fifandraisana ara-pôlitika, ara-barotra, ara-toekarena, ara-kolontsaina ary amin'ny maha-olona nisy tany aloha teo amin'ny roa tonta,” niaraka tamin'ny filoha rosiàna Putin, hoy ny [9] biraom-pifandraisana amin'ny gazety ao Kremlin. “Tao anaty fandaharampotoana ihany koa ny famerenana nandinika ny fanatanterahana ireo fifanarahana tamin'ny 9 Novambra [10] 2020, 11 Janoary [11] 2021, ary 26 Novambra [12] 2021, momba an'i Nagorno-Karabakh nifanaovan'ireo mpitondra ao Rosia, Azerbaijàna ary Armenia, tafiditra amin'izany ireo fepetra hamerenana ny fifamatorana ara-toekarena sy ny fifamoivoizana ao amin'ny faritra Kaokazy Atsimo. Aorian'ny dinika, ireo mpisehatra dia hanao sonia fanambarana iray momba ny fifaneraseran'ireo mpifanome tànana, izay hampiakatra ny fifandraisana misy amin'i Rosia sy Azerbaijàna ho amin'ny toeran'ny mpiray dina,” hoy ny vakin'ny [9] tohin'ilay fanambaràna ho an'ny gazety.

Mbola betsaka no tsy fantatry ny maro momba izay votoatin'ilay fanambaràna mandra-mpanaovan'ireo [13] filoha roa tonta sonia ilay antontan-taratasy miaty andininy miisa 43 [14].

Talohan'nay nihaonan'ireo filoham-panjakàna roa tonta,  i Nahid Jafarov, Azerbaijaney diplaomaty fahiny, nilaza tao amin'ny pejiny manokana ao amin'ny Facebook [15]fa ny pôlitika ivelany ao Azerbaijàna tsy mifanaraka amin'ny tokony ho izy dia nitondra nankany amn'ny fiankinandoha tafahoatran'ilay firenena amin'i Rosiana.

Tsy manana pôlitika ivelany salama raha i Azerbaijàna. Misy ny pôlitika ivelany tarihan'i Ilham Aliyev. Io pôlitika io dia tsy mety ho an'ny vahoaka sy ny firenena azerbaijaney. Mety fotsiny io ho an'ny fitantanan'i Ilham Aliyev. Mirotsaka miaraka amin'ireo firenena toa an'i Rosia izy mba hiarovany ny fitantanany.

Anar Mammadli, gadra pôlitika fahiny sady filohan'ny fikambanana iray ao an-toerana tsy miankina amin'ny fanjakana izay nirotsaka tamin'ny fanarahana maso ny fifidianana dia nanamafy ny fahatsapan'i Jafarov. “Tokony hiaiky isika fa ilay fifanarahana fiarahamiasa ifanaovan'ireo firenena tarihana mpitondra tsy refesi-mandidy, dia tsy mitondra ho amina fifanarahana eo amin'ny samy firenena, fa fifanarahana vita sonia ifanaovan'ireo mpitondra fotsiny  ihany,” hoy ny nosoratan'i [16] Mammadli. “Na rahoviana na rahoviana ka tsy mbola misy mpitondra pôlitika voafidy sy maro an'isa ao Rosia sy Azerbaijàna, hitohy ho  fanaovana sonia fifanarahana fiarahamiasa amin'io endriny io hatrany no ho hitantsika.”

Saingy taoriana kelin'ny nanaovana sonia ilay antontan-taratasy dia niova ihany ny fomba fijery an'ilay fifanarahana. Raha niteny tao amin'ny [17]Azadliq Radio, sampan'ny Radio Liberty ao Azerbaijàna, nilaza i Rauf Mirkadirov, mpandalina pôlitika sady mpanao gazety, fa “Amin'ny ankapobeny i Azerbaijàna dia manaraka ny pôlitika ivelany ampiharin'i Rosia, tsy amin'ny fandehanana fotsiny mankany Maosko, fa koa amin'ny fanaovana sonia ilay antontan-taratasy.” Nilaza ihany koa i Mirkadirov fa ilay fitsidihan'i Aliyev dia i Maosko no nandamina azy, mba hanehoana amin'izao tontolo izao fa nisy ireo mpitondra fanjakàna any ivelany nanohana an'i Putin.

Nandritra ny fihaonana iray nataon'ireo filoha roa tonta, tsy naneho hevitra mivantana ny filoha Ilham Aliyev, na naneho hevitra momba ireo fihenjanana misy ankehitriny eo amin'i Rosia sy Okraina. Ary antony, satria nanomboka tamin'ny 22 Febroary, araka ilay fifanarahana niarahana nanasonia dia “fady ho an'ny firenena roa tonta ny hiditra hanaraka ireo hetsika hampifandonana ny andaniny sy ny ankilany, isan'izany ireo tarihana amin'ny alàlan'ireo firenena hafa.”