- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Any Zeorzia, enim-bolana taorian'ny nahafatesan'ilay mpanao gazety, nilaza ny fisian'ny fatran-java-mahadomelina diso tafahoatra taminy ny manampahefana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Zeorzia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

 

Aleksandre Lashkarava, pikantsary avy amin'ny tatitry ny DW momba ny fahafatesan'ilay mpanao gazety.

Navoakan’ny manampahefana Zeorziana ihany ny farany ny tatitra momba ny autopsie (fandidiam-paty) natao an'i Aleksandre Lashkarava, 37 taona, fantatra amin'ny anarana hoe Lekso ho an'ireo mpiara-miasa aminy, mpanao gazety sady mpaka sary ao amin'ny TV Pirveli, izay hita faty [1] tao amin'ny trano fonenany tamin’ny 11 jolay tao Tbilisi. Anisan'ireo mpanao gazety miisa 50 izay naratra nandritra fitantarana [2] ny Diabem-Pireharehana Tbilisi tamin'ny 5 Jolay i  Lashkarava [1].

Nilaza ny tatitra fa noho ny fatran-drongony tafahoatra no nahatonga ny fahafatesany, fanatsoahan-kevitra nampametram-panontaniana ireo mpiara-miasa amin'i Laskharava, ny mpitsikera ny governemanta ary ny fikambanana mpanara-maso. “Ny ampitson'ny nahitana an'i Lashkarava, talohan'ny tsy mbola namantarana tanteraka ny anton'ny fahafatesana, dia nilaza ampahibemaso ny manampahefana fa maty noho ny fatran-java-mahadomelina tafahoatra izy, avy amin'ny antsoin'izy ireo hoe ‘valin’ny fitiliana ara-medikaly vonjimaika’ tamin'ny fitsirihana ra,” hoy i Giorgi Gogia, Tale Mpiara-miasa ho an'ny Faritra Eoropa sy Azia Afovoany ao amin'ny Human Rights Watch, tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny Global Voices.

Taorian'ny nahafatesany, nesorin'ny manampahefana tsy araka ny sitrapon'ny fianakaviany tao an-tranony ny fatin'ilay mpanao gazety ary nosakanana izy ireo sy ny mpisolovava azy tsy hahita ilay razana nandritra ny ora maromaro. Namoaka fehin-kevitra vonjimaika haingana ny manampahefana fa maty noho ny fatran-java-mahadomelina tafahoatra i Laskharava, izay “[nampametraka] fanontaniana nampiahiahy momba ny antony manosika ny manampahefana, sy ny mety ho fikasan’izy ireo hanodikodinana ny saim-bahoaka, raha heverina fa tsy manaiky ny -Valin’ny fitiliana ara-medikaly vonjimaika- ny Lalàna Zeorziana”, hoy ny fanazavan'i Gogia.

Tamin’ny volana Desambra [3] tamin'ny herintaona, nanamafy ny mpisolovavan'ny fianakavian'i Lashkarava, Beka Takalandze fa mbola miandry ny valin'ny autopsie ny fianakaviana. Tamin'io volana io ihany, nanakiana ny tsy fandrosoan'ny fanadihadiana ho “toe-javatra mampiahiahy” sy mariky ny “tsy fisian’ny finiavana politika” i Jeanne Cavelier, lehiben'ny biraon’ny Reporters Sans Frontières [4] any Eoropa Atsinanana sy Azia Afovoany.

Naharitra iray volana ny namoahan’ny manampahefana teo an-toerana ny valin’ny autopsie. Tamin'ny 7 Janoary, nanatsoaka hevitra ny manampahefana ao Zeorzia fa maty noho ny “aretim-po sy ny fahasemporana mahery vaika vokatry ny poizina avy amin’ny zava-mahadomelina” ilay mpanao gazety, hoy ny OC [5] Media.

“Milaza ihany koa ny pejy 4 amin'ny 37 tamin'ny tatitra navoakan’ny gazety fa misy fanafody maro hafa hita tao amin'ny vatan'i Lashkarava,” hoy [5] ny OC Media. Tamin'io andro io ihany, izay namoahan’ny manampahefana teo an-toerana valin'ny autopsie dia nampidirin’ny UNESCO tao anatin’ny Ivontoerana Mpanara-maso ny mpanao gazety maty [6] ny taona 2021 ny anaran'i Laskharava- fihetsika nahazo fanakianana [7] mafy avy amin’ny governemanta eo an-toerana. Nilaza [8] ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Zeorziana fa handefa ny tatitry ny autopsie farany any amin'ny UNESCO izy ireo mba hanomezana vaovao farany any amin’ny ivontoerana mpanara-maso.

Tsy gaga ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena Zeorziana raha namarana ny fahafatesan'i Laskharava tamin’ny fidorohana zava-mahadomelina tafahoatra ny tatitry ny autopsie. Rehefa hita fa maty i Laskharava, dia mailaka ny fanjakana nitantara fa niankindoha tamin’ny zava-mahadomelina izy ka nogiazan’ny polisy ny fatin'i Laskharava [9], na dia teo aza ny fandavan'ny fianakaviany ny fitsirihana autopsie nataon'ny fanjakana sy ny fizahana. “Nentin'ny mpitandro ny filaminana ara-bakiteny niala tao an-tranony ny fatiny talohan'ny nahatongavan'ny fianakaviany. Naharitra dimy volana mahery ny famoahan'ny manampahefana ny sombiny tamin'ny valim-pitiliana ara-medikaly farany,” hoy i Gogia tamin'ny Global Voices.

Andro iray taorian'ny nangalana ny vata-mangatsiaka an'ilay mpanao gazety tao an-tranony, nilaza ny talen'ny sampan-draharahan'ny polisy misahana ny heloka be vava ao amin'ny ministeran'ny atitany, Mamuka Chelidze, fa nilaza ny tatitra fitsirihana ara-medikaly fa nahitana soritra zava-mahadomelina maromaro tao amin'ny vatan’i Lashkarava, anisan'izany ny morphine, codeine, gabapentin; ary koa ny tetrahydrocannabinol (THC), ilay singa mahery amin'ny cannabis; ary monoacetylmorphine, iray amin'ireo singa mahery ao amin'ny rongony. Tao amin’io fanambarana io ihany,  nilaza [10] ny minisiteran’ny Atitany fa manana porofo nahitana an'i Lashkarava nividy zava-mahadomelina tamin'ny 10 Jolay ny manampahefana, tamin'ny fakan-tsary fanaraha-maso (CCTV) nahitana an'i Laskharava tao amin'ny distrikan'i Ponichala renivohitra, Tbilisi, faritra iray fantatra amin'ny fivarotana rongony, araka ny  tatitra [8] Agenda.ge.

Tamin'ny 11 Jolay, mponina an'arivony tao Tbilisi no nivory teo ivelan'ny tranoben'ny parlemanta ho fanoherana mangina hanehoana fanohanana ho an’ilay mpanao gazety sy ny famoretana ny fiarahamonim-pirenena mahaleotena tato anatin'ny volana vitsivitsy. Fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena miisa 19 fara fahakeliny no nanao sonia taratasy mitaky ny praiminisitra Irakli Gharibashvili sy ny minisitry ny atitany Vakhtang Gomelauri. hametra-pialana [11].

Tsy nisy ny fametraham-pialana. Ny hany zava-nitranga dia ny fandoavana lamandy ho an’ny minisiteran’ny Atitany. Taorian'ny fandefasana ny fakan-tsary fanaraha-maso CCTV, ny Biraon'ny Inspekteram-panjakana, masoivohom-panjakana natsangana tamin'ny taona 2019 niandraikitra ny famotorana heloka be vava ataon'ny tompon'andraiki-panjakana, dia nampandoa lamandy ny Minisitera GEL 2,000 (eo ho eo amin'ny 640 dolara amerikana) noho ny fanitsakitsahana ny angon-drakitra momba ny fiainana manokana. Atahorana hikatona ankehitriny ny [12] biraon’ny Inspekteram-panjakana.

Nisy lalàna mihemotra indray nolaniana tao Kaokazy androany, iray andro mialoha ny taom-baovao. Nanavao ny Biraon'ny Inspekteram-panjakana miandraikitra ny fanadihadiana ireo fanararaotana ataon’ny manam-pahefana i #Zeorzia [13]🇬🇪. Mety ho famantarana valifaty ny tsy fisian’ny mangarahara, ny tsy fakan-kevitra ary ny volavolan-dalàna nolaniana maika. Mampatahotra! https://t.co/IOVmWNQXw8 [14]

Nilaza ny tatitry ny autopsie navoaka tamin'ny 7 Janoary, fa nampahafantarina momba ny valin'ny autopsie farany ny fianakavian'ilay mpanao gazety maty, fanambarana izay nolavin'ny mpisolovavan'ny fianakaviana Takalandze. Araka [5] ny OC Media, “nilaza tamin'ny OC Media i Takalandze fa tamin’ny alàlan’ny fampitam-baovao izy sy ny fianakaviana no nahafantatra ny valiny ary tsy nisy olona avy amin'ny ministeran'ny atitany na ny Birao Nasionaly Ara-tsiantifika nifandray taminy na ny fianakaviany.”

Tao amin'ny sioka, niantso ny hamoahana tatitra feno ara-tsiantifika sy ny fanadihadiana mangarahara ny Reporters Sans Frontières.

#Zeorzia [13]: notsikerain'ny mpitondratenin'ny parlemanta ny @UNESCO [16] noho ny fampidirana ilay mpaka sary Aleksandr Lashkarava tao amin'ny lisitry ny mpanao gazety maty novonoina tamin'ny taona 2021. Na dia mbola niaro aza ny manampahefana fa noho ny fatran-java-mahadomelina tafahoatra aza no nahafaty azy, dia mitaky ny hamoahana feno ny tatitra ara-tsiantifika sy ny fanadihadiana mangarahara ny RSF. pic.twitter.com/uwlj0KG5Qo [17]

Nandritra ny herintaona, nisedra fihemorana goavana ny tontolon'ny fampitam-baovao ao Zeorzia araka ny tatitry Human Rights Watch farany indrindra momba [19] ny firenena.