- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tafika Rosiàna misatroka manga, manome toky fa hanara-maso ny fiverenan'ireo Armeniàna rehetra gadra ao Azerbaijàna

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Azerbaijan, Rosia, Ady & Fifandirana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona

Armeniàna gadra an'ady miatrika fitsaràna ao Azerbaijàna. Tatitra lahatsary [1] an'ny Civilnet.

Tao amin'ny JAM News [2] ity lahatsoratra ity no nivoaka voalohany. Dika nokiraina no averina avoaka etoana eo ambany fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Ny 4 Desambra 2021, Armeniàna gadra an'ady niisa folo babony tamin'ny Novambra 2021 no naverin'i Azerbaijàna, ho takalon'ireo sarintany manome antsipirihany ny toerana misy ireo vanja milevina, araka ny fanambaràna iray [3] navoakan'ny Sampandraharaha misahana ny Fiarovam-Pirenena ao Azerbaijàna.

Ny fifandonana tamin'ny Novambra no voalaza [4] fa ny ratsy indrindra hatramin'ny  ady 44 andro tao Nagorno-Karabakh tamin'ny 2020 [5]. Miaramila Azerbaijaney fito sy Armeniàna enina no maty nandritra ilay fiverenan'ny fifandonana tamin'ny 16 Novambra 2021. Nitatitra [4] ihany koa i Armenia fa nihoatra ny 30 ireo miaramila armeniàna vaosambotra ho toy ny babo an'ady.

Raha naneho hevitra tamin'ilay fifanakalozana vao haingana indrindra, ny lefitry ny fibaikoana ao amin'ny distrika miaramilan'ny faritra atsimo, Rustam Muradov, nilaza hoe [6], “An-dàlana amin'izao fotoana izao ny asa ho fampodiana ireo miaramila armeniàna azo babo. Betsaka marika mahavelom-bolo. Misy ny fifankahazoan-kevitra. Inoako fa tsy maintsy hivaha tanteraka ity olana ity. Ary ireo miaramila rosiàna misatroka manga no hamàrana ity raharaha ity.”

Narahan'i Muradov maso daholo ireo fifanakalozana gadra tany aloha, eny fa na taorian'ny nialàny tamin'ny toerana maha-mpifehy ny andiany mpampandry tany azy aza. Nilaza ihany koa ilay jeneraly rosiàna fa heveriny ho “toy ny adidy sivilin'ireo tafika mpampandry tany”  no iheverany ny fiverenan'ireo gadra.

“Amin'ny maha-miaramila ahy, haiko tsara hoe iza ireo gadra an'ady, inona no niainany tany am-pahababoana. Tsaroako ilay ady voalohany, fony izahay niala tao Baku, ary ny endrik'ireo miaramila rehefa nisidina ho any Eravan ry zareo, ho ao amin'ny seranam-piaramanidina ao Erebuni. Latsa-dranomaso, tsy nino izy ireo hoe tafody an-trano,” hoy i Muradov.

Olana iray maharary [7] ao anatin'ny fiarahamonina armeniàna ny fampodiana ireo gadra an'ady. Araka ilay fampitsaharana poabasy nosoniavina amin'ny 9 Novambra 2020, ny andaniny sy ny ankilany dia samy nanome toky fa hampody ireo rehetra gadra an'ady. Kanefa, raha nampodian'i Armenia ireo Azerbaijaney rehetra nogadrainy, mbola tsy hay kosa ny tena isan'ireo Armeniàna gadra an'ady ao Azerbaijàna.

Na dia efa nampody gadra maherin'ny 100 aza i Azerbaijàna hatreto, araka ny vinavina [8] sasany, eo ho eo amin'ny 40–140 ireo miaramila Armeniàna no mbola voatazona any Azerbaijàna. Taorian'ilay fifandonana tamin'ny Novambra, nisambotra [8] miaramila 32 hafa ilay firenena (na dia nampodiana tao anatin'ilay fifanakalozana vao haingana aza ny folo tamin'ireo). Ireo mbola notazonina dia heverina ho “mpisompatra [9]” ary iharan'ny lalàna anatiny ao Azerbaijàna.

Ny 9 Desambra, Valery Gerasimov, lehiben'ny etamazaoro jeneralin'ny tafika rosiàna, niresaka momba io olana io, nilaza [10] fa ao anatin'ny fenitry ny hetsika fampandrian-tany any amin'ny faritany Nagorno-Karabakh, ireo olon'ny tafika rosiàna dia mifantoka amin'ny fampodiana ireo gadra, ny fametrahana fotodrafitrasa ho ana tetikasa, ary famahàna ireo olana hafa mifandraika amin'ny maha-olona.

“Tohizan'ny tafika rosiàna ny asa fampandriana fahalemana ao Nagorno-Karabakh. Herintaona mahery lasa izao, vitan'izy ireo ny nampitsahatra ny ady feno rà nandriaka sy nametraka fepetra ho famerenana ny fandriampahalemana ao amin'ny faritra. Ho fampihenàna ny fifanenjanana, ary ho fanajàna ny fampitsaharana poabasy, nametraka lamin'andraikitra tany amin'ireo toerana fanarahamaso sy mpanaramaso mitety tanàna tao amin'ny faritra anaovana ny hetsika fampandriana fahalemana ireo Rosiàna mpampandry tany,” hoy i  Gerasimov.

Fifandirana anatiny momba ireo Armeniàna gadra an'ady

Rehefa tafaverina tany Armenia, tsy mitovy [8] ny fihetsehampo nanoloana ireo gadra an'ady sisa tavela. Tao anaty antsafa iray ho an'ny Eurasianet, Siranuysh Sahakyan, mpikatroka ho an'ny zon'olombelona izay nisolo tena ireo gadra teo anoloan'ny Fitsaràna Eorôpeàna momba ny Zon'Olombelona, nilaza hoe [8], “Ny manampahefana ao aminay [Armeniàna] dia tokony hahatakatra fa tsy ilàna fifampiraharahàna ny fodian'ireo gadra an'ady, takian'ny lalàna iraisampirenena izany.” Nilaza ihany koa i Sahakyan fa ny fipetraka ofisialin'i Yerevan manoloana ireo dingana fifanakalozana misy amin'izao fotoana izao dia “namorona tontolo izay manome vahana an'i Azerbaijàna hamaha ilay olana amin'ny alàlan'ny fitakiana fileferana amin'i Armenia.”

Araka ny tatitr'i [8] Ani Mejlumyan ho an'ny Eurasianet, niharan'ny kiana mivaivay ny governemanta armeniàna tato ho ato momba ilay olan'ireo gadra an'ady. Tao anaty lahatsary tsiambaratelo iray [11] nozaraina tamina kaonty tsy nitononana anarana tao amin'ny fantsona Telegram, tafaporitsaka tamin'ny 7 Desambra teo,  Alen Simonyan, mpitondra tenin'ny parlemanta no sady tanan-kavanan'ny Praiministra Nikol Pashinyan, dia toa hoe niteny fa toy ny miaramila mpiala an-daharana no iheverany ireo miaramila sisa tavela.

Na dia nandà ny amin'ilay lahatsary aza i Simonyan taty aoriana, tamin'ny filazana fa lahatsary namboarina [12] sy tsy mifandray amin'ilay toejavatra ilay izy, niteraka onjam-panoherana [13] nanerana ireo tanàna marobe tao Armenia ilay izy. Tao Gyumri, tanàna faharoa lehibe indrindra ao Armenia, nifamory teo anoloan'ny toerana fiasàn'ny governemanta ny havan'ny sasany tamin'ireo miaramila mbola babo an'ady amin'izao fotoana izao, nitaky tamin'ny governemanta hanome valinteny. “Mila mamaly anay i Alen Simonyan,” hoy [14] ny vehivavy iray. “Niandry tamim-paharetana izahay, saingy ritra ankehitriny ny faharetanay, ho hitanareo eo izay hitranga.”

Nisy fitakiana nitovitovy tamin'izany natao tao Yerevan renivohitra. “Ilainay miverina ny zanakay. Inona no mba nataon'i Alen Simonyan omaly? Nandefa hafatra izy ho an'ny Turk [teny manambany anondroana ireo Azerbaijaney], tamin'ny filazàna fa tsy manana gadra an'ady isika — mba hamonoana azy ireny. Ataony fanomezana ho an'i Azerbaijàna ve ny zanakay? Ho asiako tady kely mena izy ary hataoko fanomezana ho an'i Azerbaijàna,” hoy ny nambaran'ny [15] iray tamin'ireo raiamandreny tamin'ny mpanangom-baovaon'ny fahitalavitra Channel 5 ao Armenia.

Tao anaty antsafa [8] iray ho an'ny Eurasianet, Benyamin Poghosyan, lehiben'ny vondrona fakànkevitra “Ivontoerana Fianarana  Pôlitika sy Toekarena” ao Erevan, nilaza fa mba hisorohana ny “hatezeran”ny olona” dia mety ninian'ny governemanta natao ny nanosotra ireo gadra sisa tavela ho toy ny mpanao heloka bevava sy miaramila niala an-daharana, raha sendra tsy ho vitan-dry zareo ny miantoka ny fampodiana azy ireny.

“Vitan-dry zareo ny manao izany satria tsy misy intsony sarintany hafa azo atolotra [16] ary tsy misy zavatra azo ifanakalozana intsony,” hoy i Poghosyan tamin'ny Eurasianet.