- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taorian'ny fahatapahan-jiro naharitra 12ora, manontany tena ireo Trinidadiana raha famelezana azy ireo ny fahatapahan-jiro

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka

Volana miposaka eo ambonin'ny dindon'ireo tendrombohitra ao amin'ny faritra avaratr'i Trinidad tamin'ny 16 Febroary 2022, nandritra ny fahatapahan-jiro manerana ny nosy. Sary avy amin'i Janine Mendes-Franco, nahazoana alalana.

Tokony ho tamin'ny 12:30 antoandro tamin'ny 16 Febroary, nisy fahatapahan-jiro [1] manerana ny nosy tao Trinite, izay naharitra hatramin'ny 12:30 maraina teo ho eo [2] ny ampitso maraina, raha niverina haingana kokoa [3] ny famatsiana herinaratra tamin'ny faritra sasany ao amin'ny firenena; ny hafa kosa somary tara.

Nanambara [4]ny Vaomieran'ny herinaratra Trinidad sy Tobago (T&TEC [5])  fa nisy “fahadisoana” nipoitra tao amin'ny rafitra, ka nahafingana ny zotran'ny herinjiro lehibe 220 KV (220.000 Volt) roa tao amin'ny toby ao amin'ny faritra atsimo sy afovoan'ny nosy:

This resulted in system instability and caused all the generating machines operated by IPPs to trip, leading to a loss of supply to all customers in Trinidad.

Niteraka tsy fahatomombanan'ny rafitra izany ary nahatonga ny tsy fandehanan'ireo milina famokarana rehetra ampiasain'ny IPPs , ka nitarika ny tsy fisian'ny famatsiana ho an'ireo mpanjifa rehetra ao Trinidad.

Tsy niharan'ny fahatapahan-jiro kosa ny nosy rahavavy ao Tobago. Tao anatin'ny fanambaràna nataony, nametraka [4] ny sasany amin'ireo vesatra amin'ny “famerenana ny herinaratra ao amin'ny tambajotra hozaraina amin'ny […] mpanjifa” ihany koa ny T&TEC tao amin'ny Independent Power Producers [6] (IPPs).

Tsy ny herinaratra ihany anefa no nila naverina tamin’ny laoniny. Nisy fiantraikany ratsy ny fahatapahan-jiro, ka tsy nisy aterineto sy fidirana amin'ny angon-drakitra ny olom-pirenena , ary maro no tsy afaka niantso an-telefônina akory. Mampalahelo fa tapaka ihany koa ny rano [7], ka maro ny olom-pirenena tsy nahazo ireo zavatra roa tena ilaina ireo. Tombanan’ny [8] Tompon’andraikitry ny Rano sy ny Fanariana rano maloto – Water and Sewerage Authority (WASA) nanomboka teo fa mety haharitra telo andro izy ireo vao afaka mamerina tanteraka ny famatsian-drano manerana ny Nosy.

Ankoatra izay, [9] nisy ny fanemoran’ny fifamoivoizana vokatry ny tsy fandehanan’ny famantaran-jiro amin’ny fifamoivoizana eny amin’ny sampanan-dalana lehibe, ary voakorontana ny sekoly an-jotra, izay mbola fantsona handratovan'ny ankamaroan’ny ankizy fianarana.

Nandray ny fahatapahan-jiro tamin'ny fijeriny ny olona sasany, nankasitraka [10] ny fiadanam-pandeha amin'ny fakàna fotoana [11] mba hankafiazana ny volana [12] na mijery ny dihin'ny angamenavava [13].

Nijery ny volana aho omaly hariva – tao anatin'ny fahatapahan-jiro manerana ny nosy

Ny hafa [16], tahaka an'i Amílcar Presi Sanatan [17], nisafidy [18] fomba mahatsikaiky [19]:

Bout AD Wagon and 4 Wheel Van. Either yuh with a man with generator or a man with solar power #thatisall [20]

Vagaom-piarakely sy fiarabe tsy mataho-dalana (4×4). Na ianao miaraka amin'ny lehilahy mitondra gropy na lehilahy manana herin'ny masoandro

Ho an'ny maro, ho azo zakaina kokoa ny tsy fahampian'ny jiro raha tsy nisy fiantraikany tamin'ny famatsian-drano koa:

Tsy tadidiko ny fotoana farany tsy maintsy nampiasako sinin-drano mba hamitana ny zavatra rehetra….misaotra noho ny fanomezana antoka fa manana tsara ireo fahaiza-manao ireo aho TTEC

Diso fanantenana anefa ny mpisera media sosialy hafa tamin'io toe-javatra io. Tao amin'ny Facebook, nandanjalanja [25] i Nigel Thompson :

Lesson:
T&Tec is obsolete and has been for a while now. At least for residential homes.
Everyone should get solar generators for their houses. They are quite attainable now. Get a good electrician who will guide accordingly.
If you can’t get immediately, take your time save your cash, but get it as soon as you can.[…]

Lesona:
Lany andro ny T&Tec ary efa elaela izao. Farafaharatsiny ho an'ny trano fonenana.
Tokony hahazo milina mpamokatra angovo azo avy amin’ny masoandro ho an’ny tranony ny tsirairay. Tena azo takarina izy ireo ankehitriny. Mitadiava elektrisianina mahay izay hitarika araka izany.
Raha tsy afaka mahazo avy hatrany ianao, dia makà fotoana hitehirizana ny volanao, saingy alaivo haingana araka izay azonao atao izany.[…]

Nanome antsipiriany [26]momba ny fomba hafa mifototra amin'ny masoandro ihany koa i Nigel Wall, na dia nilaza aza farafaharatsiny  ny  mpaneho hevitra iray tao amin'ny adihevitra fa tsy zava-dehibe aminy ny fatiantoka amin'ny herinaratra, naniry [27] fotsiny izy mba ho niomana bebe kokoa. Raha ny marina, tao amin'ny resadresaka WhatsApp sy pejy media sosialy sasany [28], naneho fahasorenana tamin'ny fahamaroan'ny fahatapahan-jiro sy ny tsy nampahafantarina azy ireo araka ny tokony ho izy ny mpiserasera, na dia nanana fomba fijery hafa aza i Maria Rivas-McMillan:

Nanao antsafa tsara miorina amin'ny famoahana nataon'izy ireo androany tamin'ny 1 maraina niala tsiny tao amin'ny @tv6tnt [29] ny mpitantana ny T&TEC, Vondron'orinasa momba ny Fifandraisana, nifikitra tamin'ny zava-misy fantatra ary nampanantena vaovao bebe kokoa rehefa tonga ny antsipiriany. Namarana izany izy tamin'ny fanamafisana izy fa “tsy fetezana” izany satria azo itokisana ny serivisy 🙌

Na izany aza, tsy afa-po ity mpisera Twitter iray ity:

Ka mmm inona no nitranga? Tsapako fa mendrika ny hahazo fanazavana aho

Mpisera Facebook, Lara Quentrall-Thomas nanontany [34] hoe nahoana no toa “tsy misy mpamokatra back-up na drafi-panohizana ny fandraharahana ho an'ny famatsiana herinaratra nasionaly eto amintsika”, ary te-hahafantatra [35] raha azon'ny mpanjifa ny mitaky onitra noho ny fitarainana manoloana ny “sakafo mangatsiaka simba, sy ny prizy sy fitaovana nipoaka rehefa niverina ny herinaratra.”

Na dia teo aza ny tompon'andraikitry ny sendikàn'ny T&TEC niangavy ny olom-pirenena [36]mba tsy hanome tsiny ny mpiasa ao amin'ny orinasa noho ny fahatapahan-jiro, maro ny olona nitady ny valin'ny anton'izany.

Rhoda Bharath nilaza [37]hoe:

When the press conference is held…and it must be held…spokespersons from TGU [Trinidad Generation Unlimited [38], which supplies about 50 percent of the country's electricity] are just as necessary on that panel as persons from T&TEC, TSTT [Telecommunications Services of Trinidad and Tobago [39]] and WASA to breakdown for us in loving detail what happened from the TGU rumble to an entire island blacking out, taps going dry and telecomms failing.

We already know that what happened yesterday was unacceptable. The country now needs to know why it happened and what is being put in place to ensure it does not occur again.

Rehefa natao ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety…ary tsy maintsy atao izany…tena ilaina ao amin'io resadresaka io ny mpitondratenin'ny TGU [Trinidad Generation Unlimited [38], izay mamatsy ny atsasaky ny herinaratra ao amin'ny firenena] tahaka ireo olona avy ao amin'ny T&TEC, TSTT [Telecommunications Services of Trinidad and Tobago [39]] sy ny WASA mba hanazavana amintsika amin'ny antsipiriany ny zava-nitranga nanomboka tamin'ny firohondrohon'ny TGU hatramin'ny nahatapaka ny jiro manerana nosy iray manontolo, maina ny paompy ary nandamòka ny fifandraisan-davitra.

Efa fantatsika fa tsy azo ekena ny zava-nitranga omaly. Tokony ho fantatry ny firenena ankehitriny ny antony nitrangan’izany sy izay napetraka mba hiantohana fa tsy hiverenan'izany intsony.

Nanamafy [40] ny T&TEC fa manadihady ny tranga izy.