- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Artista Malayziana miatrika fiantsoan'ny polisy sy fiampangana roa amin'ny famoahana afisy maneso

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Mpanandratra ny fahalalaham-pitenenana maneho firaisankina amin'i Fahmi Reza. Saripika [1] avy amin'ny ranty Twitter avy amin'ny Centre for Independent Journalism. Nahazoana alalana.

Nampanantsoin'ny polisy ny artista Malayziana mpahay sary Fahmi Reza tamin'ny Janoary 22 ary voafelaky ny vesatra fiampangana roa tamin'ity volana ity noho ny famoahana afisy maneso ao amin'ny media sosialy ny  manampahefana. Efa nandoa [2] RM 8.000 (manodidina ny 2.000 dôlara US) i Rahmi tamin'ity taona ity ho onitra solofonja. Notabatabain'ny vondrona mpandala ny zon'olombelona ny fampiantsoan'ny polisy sy ny fitoriana an'i Fahmi heverina ho fitaratry ny fifintinan'ny sehatra fahalalaham-pitenenana ao amin'ny firenena.

Tamin'ny 25 Janoary, Nampanantsoin [3]‘ny polisy i Fahmi ary nasaina hanome fanambarana amin'ny fitarainana noho ny afisy nataony izay nanova ny ampinga/teny famantarana ny fanjakana Malayziana ao Pahang, izay tondraky ny rano tokoa tamin'ny Desambra 2021. Nahazoana tsikera noho ny fitomboan'ny fanapahan-kazo ao amin'ny fanjakana ny tondradrano niserana vetivety, ary nasongadin'ny afisin'i Fahmi ny sary [4] hazo sy famaky roa ahitana soratra mivaky hoe “House of Balak” (Tranon'i Balak). Midika hoe vatakazo na hazo ny Balak amin'ny fiteny Malay.

Tamin'ny 10 Febroary, voampanga i Fahmi araka ny fizarana faha-233 amin'ny lalànan'ny Fifandraisana sy ny Fampitam-baovao Marolafy na Communications and Multimedia Act (CMA) noho ny famoahana afisy tamin'ny taona 2021 manao sariitatra [5] ny minisitry ny fahasalamana taloha tao amin'ny firenena. Esoesoin'ny afisy ny fanapahankevitry ny minisitra hanafohy ny fotoam-pitokana-monina noho ny COVID-19 ho an'ireo ao amin'ny kabinetran'ny minisitra miverina avy any ivelany nanatontosa fitsidihana ofisialy.

Ny fizarana faha-233 ao amin'ny CMA dia “manameloka izay teny ahitana fikasana hanelingelina, hanararaotra, handrahona, na hanenjika olona hafa, anisan'izany ny fifandraisana tsy mitonona anarana.”

Tamin'ny 17 febroary, voampanga tamina vesatra hafa araka io lalàna io ihany i Fahmi noho ny afisy [6] maneso hafa naneso ny baikon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Indostria tamin'ny Jona 2021 hamela ny famokarana alikaola mandritra ny firindrinana COVID-19 na dia eo aza ny fitsipika fa “serivisy tena ilaina” ihany.no navela hiasa. Maro an'isa ny silamo ao Malayzia.

Nanoratra sioka mihantsy i Fahmi taorian'ny nandefasana fahafahana vonjimaika fanindroany tamin'ity taona ity:

Votsotra noho ny fahafahana vonjimaika aho! Tsy tokony hatahotra ny hijoro ho amin'ny zontsika amin'ny fahalalahana maneho hevitra ny tsirairay satria mampifantsitsitra fahasahiana amin'ny hafa mba hijoro miaraka aminao. Afaka managadra mpikomy iray ry zareo, fa tsy afaka managadra ny fikomiana.

Nanentana [10] ny governemanta hampitsahatra ny nofaritany ho “hazalambo” an'i Fahmi i Nalini Elumalai, tompon'andraikitra ambony misahana ny fandaharan'asa Malayziana ao amin'ny ARTICLE 19:

The government’s use of retaliatory criminal charges in an attempt to intimidate Fahmi Reza only succeeds in exposing their malicious witch-hunt against him. Their campaign of harassment and criminalization of expression must stop.

Nahomby tamin'ny fampiharihariana ny hazalambo ratsy natao an'i Fahmi Reza ny fampiasan'ny governemanta ny fiampangana heloka bevava azy ho fikasana hampitahorana. Tsy maintsy atsahatra ny fanentanana fanorisorenana sy ny fanamelohana fanehoan-kevitra.

Nampahatsiahy ny manam-pahefana ny Ivotoerana ho an'ny asa fanaovan-gazety mahaleotena (CIJ) fa endrika voaaro amin'ny fanehoan-kevitra ny esoeso:

Tsy maintsy mianatra mandray ny fanakianana ampahibemaso sy ny tsy fitovian-kevitra ireo mpitarika ao amin'ny Governemanta ary mitsahatra tsy manenjika ireo mpitsikera toa an'i #FahmiReza noho ny fihomehezana ireo (mpitondra fanjakana). Asandrato ny fahalalahana maneho hevitra!

Anisan'ireo vondrona nanosika ny fijerena indray sy ny fanafoanana ny lalàna “henjana” toy ny CMA ny ARTICLE 19 sy ny CIJ.

Nanonona ny raharaha Fahmi i Lim Guan Eng, mpanao lalàna ao amin'ny mpanohitra, mba hampitandremana [13] amin'ny firongatry ny fanafihana mihatra amin'ny zon'ny fahalalahana maneho hevitra eo ambany fitarihan'ny governemanta vaovao:

Clearly the public space for criticism and freedom of expression is slowly but surely disappearing under an extremist regime that has no regard for democracy and the dangers of corruption.

Miharihary fa manjavona tsikelikely tokoa ny sehatra ankalamanjana hanaovana fanakianana sy ny fahalalahana maneho hevitra eo ambany fitondrana mahery fihetsika izay tsy miraharaha ny demaokrasia sy ny loza ateraky ny kolikoly.

Tsy vao sambany no niatrika sotasota noho ny asany an-jotra i Fahmi. Norahonan [14]‘ny manampahefana izy tamin'ny taona 2016 noho ny nandrantiany sary maneso ny Praiminisitra teo aloha Najib Razak, izay voarohirohy tamin'ny resaka kolikoly. Ary notanana andro iray izy tamin'ny 23 Aprily 2021, taorian'ny nahazoan'ny polisy fitarainana momba ny playlist Spotify maneso [15] ny Mpanjakavavy Malayziana Azizah Aminah Maimunah Iskandariah.