- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misaona ny fahafatesan'ilay voromangafeon'i India i Azia Atsimo

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, India, Nepal, Pakistana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Tantara, Vehivavy sy Miralenta
Illustration of Lata Mangeshkar by Laxman8 via Pixabay. Remixed by Giovana Fleck. Used under a Pixabay Licence. [1]

Sarin'i Lata Mangeshkar avy amin'ny Laxman8 [1] tao amin'ny Pixabay. Novain'i Giovana Fleck. Nampiasaina teo ambanin'ny Pixabay Licence [2].

Iray amin'ireo olo-malaza ara-kolontsaina lehibe indrindra ao India ilay mpihira Lata Mangeshkar, ary tsy azo heverina ho angano ny diany tany Bollywood [3]. Nahatonga ireo mpankafy manerana an'i Azia Atsimo hisaona ny fahalasanany teo amin'ny faha-92 taonany ny fahafatesany [4] tamin'ny 6 Febroary 2022, tao Mumbai, India.

Fantatra tsara amin'ny anarana hoe “the nightingale of India ( [5]voromangafeon [5]‘i India) [5]” i Mangeshkar noho ny filantolantom-peony tamin'ireo hira tsy tambo isaina nandritra ny fitopolo taona [6] mahery, izay ambony kokoa noho izay mpihira vehivavy hafa rehetra tao Bollywood.

Nisioka ny seha-baovao Editorji hoe:

Mety fantatra amin'ny anarana hoe #NightingaleofIndia [8] i #LataMangeshkar [7] saingy niparitaka tany ivelan'ny sisintany hatrany Pakistan, Bangladesh, Sri Lanka ary Nepal ny majikan'ny feony volamena.

Nanomboka tamin'i Madhubala tsara tarehy ao amin'ny Mahal [13] (1949) ka hatramin'ny Madhuri Dixit ao amin'ny Dil to Pagal Hai [14] (1997) sy ny mihoatra izany, nanetsika ny molony tamin'ny hirany manan-tantara ny vehivavy malaza rehetra ao Bollywood. Ampahany manontolo tamin'ny sarimihetsika ao Bollywood ireo hira ireo. Fomba fanao mahazatra amin'ny mozika Bollywood ny fanetsehana molotra ataon'ireo mpiantsehatra toy ny tena mihira ery.

Mahay zavatra maro i Mangeshkar. Ankoatra ny fiteny Hindi [15] sy Marathi, nihira tamin'ny fiteny 24 hafa [16] izy, indrindra ho an'ny sarimihetsika. Nanao hira ho an'ireo karazana olona sy toe-po samihafa izy. Naneho ny hafanam-pon'ny tantaram-pitiavan'ny tanora, ny alahelo lalina, ny alina mampamelovelo, ny fahasambarana ara-panahy ary ny fitiavan-tanindrazana mirehidrehitra tamin'ny alalan'ny feony mahery vaika nefa malefaka ny hirany. Mahalana ny maso maina rehefa manako ao amin'ny efitrano feno olona ilay hirany manentana hoe “Ae Mere watan ke logon, zara ankh mein bhar lo pain [17]” (ry olon'ny fireneko, mandatsaha ranomaso kely azafady). Niara-niasa tamin'ireo olo- malaza toa an'i Kishore Kumar [18], RD Burman [19] sy Laxmikant Pyarelal [20], mpisava lalana malaza nanova ny indostrian'ny mozika Indiana izy.

Lata Mangeshkar in 2008. Image via Wikipedia by Bollywood Hungama. CC BY 3.0. [21]

Lata Mangeshkar tamin'ny taona 2008. Sary avy amin'ny Wikipedia tao amin'ny Bollywood Hungama [21]. CC BY 3.0 [22].

Teraka tao anatin'ny fianakaviana artista i Mangeshkar. Mpiangaly mozika Marathi [23] sy Konkani [24] ny rainy  antsoina hoe Deenanath Mangeshkar [25]. Ny zandriny vavy Asha Bhosle [26] kosa mpihira Indiana malaza ihany koa. Indrisy anefa fa namoy ny rainy i Mangeshkar teo amin'ny faha-13 taonany, ka nahatonga azy hamelona ny fianakaviany. Na izany aza, tsy nanakana azy tsy hanohy ny asany amin'ny mozika ny fiovaovan'ny fiainana .

Nandritra ny fitopolo taonany tao anatin'ny zavakanto, nahazo loka maro [27] izy, anisan'izany ny Bharat Ratna [28], loka sivily ambony indrindra ao India. Nanome loka maromaro ho azy nandritra ny lanonana fanolorana loka ihany koa ny Bollywood, izay mbola mamerina ireo hira maro nohirainy, ary nahazo laza iraisam-pirenena betsaka izy. Manana [29] ny Guinness Book of World Records ho an'ny mpanakanto manana hira voarakitra betsaka indrindra amin'ny hira 30.000 mahery ho azy i Lata Mangeshkar.

Ireto misy teny fampiononana vitsivitsy avy amin'ireo mpankafy azy manerana an'i Azia Atsimo mba hanomezam-boninahitra an'i Lata tamin'ny alàlan'ny media sosialy.

India

Nanao fehin-tanana mainty ny ekipan’ny cricket indiana tamin’ny 6 febroary 2022, nandritra ny lalao ODI [30]nifanandrinana tamin’i West Indies (Les Antilles).

Manao fehin-tànana mainty androany ny ekipan'ny Cricket Indiana ho fanomezam-boninahitra an'i Bharat Ratna Lata Mangeshkar ji izay namonjy ny fonenany any an-danitra ny alahady maraina. Nankafy cricket ny mpanjakavavin'ny gadon-kira, nanohana hatrany ny lalao ary nanohana ny Ekipan'i India.

Mpilalao sarimihetsika Randeep Hooda manonona ao amin'ny Twitter ny maha-zava-dehibe azy amin'i India, hatramin'ny talohan'ny fahaleovantenany:

Ny maha-zava-dehibe ny #LataMangeshkar [7] amin'ny tantara sy ny fanatontosana ny tena ho firenena iray an'i India

Mpianatra Indiana Indraneel Dharwadkar nanamafy hoe:

Tsy azo eritreretina ny fikasihana ny fiainan'ny olona roa lavitrisa any amin'ny faritra Azia Atsimo. Nanao izany i #LataMangeshkar [7] tamin'ny alalan'ny hirany tamin'ny fiteny Hindi, Urdu, & Bengali. Iray amin'ireo zavatra vitsivitsy eken'ireo mpitarika ao India, Pakistan ary Bangladesh ny fankalazana ny mozikan'i Lata Mangeshkar

Pakistan

Mpanao gazety Murtaza Solangi avy ao Islamabad milaza fa nalaza ihany koa izy tany Pakistan akaiky:

Manoloana ny fahafatesan'i #LataMangeshkar [7]; manaporofo izany ny firongatry ny hafatra avy amin'ny faritra rehetra ao Pakistan; tsy misy sisintany ny mozika, mamerina ny zava-misy amin'ny lova iombonana sy ny zava-misy fa te hanana fifandraisana am-pilaminana sy am-pitiavana amin’ India ny vahoakan'i Pakistan.

Mampahatsiahy ny fomba nitomboan'ny taranany niaraka tamin'ny hirany ny lehiben'ny Minisitr'i Punjab teo aloha Shehbaz Sharif:

Tamin'ny fahalasanan'i Lata Mangeshkar, namoy olo-manga mihira  izay nanintona ny taranaka tamin'ny feony mendri-piderana ny tontolon'ny mozika. Lehibe tamin'ny fihainoana ireo hirany mahafinaritra izay hijanona ho fahatsiarovana eo aminay ireo olona iray taranaka tamiko. Handry am-piadanana anie izy!

Nisioka i Chaudhry Fawad Hussain, Minisitry ny Fampahalalam-baovao sy Fampitam-baovao Federaly ao Pakistan hoe:

Lasa ilay olo-manga, mpanjakavavy tsara feo i #LataMangeshkar [7] izay nitantana ny tontolon'ny mozika nandritra ny am-polony taona maro, mpanjakavavy tsy voasatroboninahitry ny mozika izy, hanjaka hatrany ao amin'ny fon'ny olona amin'ny fotoana rehetra ho avy ny feony

Bangladesh

Nametraka fahatsiarovana teo amin'ny tontolon'ny mozika Bengali ihany koa i Lata Mangeshkar satria nahasarika [41] ny olona tao Bangladesh nandritra ny am-polony taona maro ny hirany.

Nankasitraka [42] tamim-pisaorana ny fomba nandraisan'i Mangeshkar anjara tamin'ireo fampisehoana rindran-kira hitadiavam-bola ho an'ireo Bangladeshita mpitsoa-ponenana tao Kolkata sy Agartala nandritra ny Ady Fanafahana an'i Bangladesh tamin'ny taona 1971 ny Bangladeshita.

Mahatsiaro [43] ao amin'ny Facebook ilay mpihira sady mpikatroka Syeda Tanzeena Imam:

āĻļāĻŋāĻ˛ā§āĻĒā§€ āĻ˛āĻ¤āĻž āĻŽāĻ™ā§āĻ—ā§‡āĻļāĻ•āĻ° ā§§ā§¯ā§­ā§§ āĻ¸āĻžāĻ˛ā§‡ āĻŦāĻžāĻ‚āĻ˛āĻžāĻĻā§‡āĻļā§‡āĻ° āĻļāĻ°āĻŖāĻžāĻ°ā§āĻĨā§€āĻĻā§‡āĻ° āĻ†āĻ°ā§āĻĨāĻŋāĻ• āĻ¸āĻšāĻžā§ŸāĻ¤āĻž āĻĒā§āĻ°āĻĻāĻžāĻ¨ā§‡āĻ° āĻœāĻ¨ā§āĻ¯ āĻŦā§‹āĻŽā§āĻŦā§‡āĻ¤ā§‡ āĻŦāĻŋāĻļā§‡āĻˇ āĻ•āĻ¨āĻ¸āĻžāĻ°ā§āĻŸā§‡āĻ° āĻ†ā§Ÿā§‹āĻœāĻ¨ āĻ•āĻ°ā§‡āĻ›āĻŋāĻ˛ā§‡āĻ¨āĨ¤ āĻ¸ā§‡āĻ‡ āĻ…āĻ°ā§āĻĨ āĻļāĻ°āĻŖāĻžāĻ°ā§āĻĨā§€ āĻļāĻŋāĻŦāĻŋāĻ°ā§‡ āĻ¤āĻŋāĻ¨āĻŋ āĻĻāĻžāĻ¨ āĻ•āĻ°ā§‡āĻ›āĻŋāĻ˛ā§‡āĻ¨āĨ¤ āĻāĻ›āĻžā§œāĻžāĻ“ āĻļāĻŋāĻ˛ā§āĻĒā§€, āĻ¸āĻžāĻšāĻŋāĻ¤ā§āĻ¯āĻŋāĻ•, āĻŦā§āĻĻā§āĻ§āĻŋāĻœā§€āĻŦā§€āĻĻā§‡āĻ° āĻ¨āĻŋā§Ÿā§‡ āĻŦā§‹āĻŽā§āĻŦāĻžāĻ‡ āĻļāĻšāĻ°ā§‡ āĻŽāĻŋāĻ›āĻŋāĻ˛ āĻ“ āĻ¸āĻŽāĻžāĻŦā§‡āĻļ āĻ•āĻ°ā§‡āĻ›āĻŋāĻ˛ā§‡āĻ¨ āĻ˛āĻ¤āĻžāĻœā§€āĨ¤

Nikarakara fampisehoana fanangonam-bola tao Mumbai ho an'ireo Bangladeshita mpitsoa-ponenana nandositra nandritra ny adim-panafahana ity mpiangaly mozika Lata Mangeshkar ity tamin'ny taona 1971. Nikarakara filaharana sy famoriam-bahoaka tany Bombay niaraka tamin'ireo mpanakanto, mpanoratra ary manam-pahaizana ihany koa izy mba hanangonam-bola ho an'ireo mpitsoa-ponenana.

Nepal

Nepaley maro, anisan'izany ny Praiminisitra Sher Bahadur Deuba, no niaiky [44] fa nihira hira maromaro [45]tamin'ny fiteny Nepaley i Mangeshkar. Araka ny tati-baovao [46], tsy tiany hihira ny hirany amin'ny teny Nepaley ireo mpihira hafa.

Mpampianatra sady bilaogera Bikash Chandra nilaza hoe:

Iray amin'ireo hira Nepaley an'i Bharat Ratna Lata Mangeshkar ny ‘jun mato ma mero’ from Maitighar (1966). Nosoratan'ny Mpanjakan'i Nepal, Mahendra Bir Bikram Shah Dev, tamin'izany fotoana izany ny tononkira

Nanome voninahitra an'i Mangeshkar ilay mpanao gazety sady mpanoratra Kanak Mani Dixit:

Mampiseho mazava ny fanehoana alahelo avy amin'ireo lehiben'ny fanjakana/governemanta ankehitriny na teo aloha ao Afghanistan, Bangladesh, Maldives, Nepal ary Pakistan miaraka amin'i India manoloana ny fahalasanan'i Lata Mangeshkar fa nanao veloma farany tamin'ny lasa iraisan'ny rehetra i Azia Atsimo.

 

Raha te hihaino ireo hira sasantsasany avy amin'ny lova ara-mozika an'i Lata Mangeshkar, dia jereo ny playlist Spotify [54] fan'ny Global Voices.

Satria manao veloma an'i Lata Mangeshkar isika, dia hitoetra mandrakizay amintsika ny lovan'ny mozikany. Toy izany koa ny tsikiny mamindra, ny fitafy sari tsotra ary ny bindi mena izay nandravaka ny handriny. Handry am-piadanana anie izy.

Sanjib Chaudhary [55], Umaima Ahmed [56] sy Rezwan [57] no niara-nanoratra ity lahatsoratra ity.