- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Azerbaijan: Lehilahy iray nosamborina noho ny tsy fanajana sainam-pirenena

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Tiorkia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika

 

Sainam-pirenena Azeri sy Tiorka [1]” avy amin'i Francisco Anzola [2] nampiasana lisansa CC BY 2.0 [3]

Voaheloka higadra telopolo andro an-tranomaizina tamin'ny 1 Febroary 2022 i Fuad Ismayilov, 36 taona, mpikatroka politika, taorian'ny  nisamborana [4] azy noho ny fampidinana ny sainam-pirenena Tiorka izay nihantona teo ivelan'ny trano fisakafoanana iray tao Baku renivohitr'i Azerbaijan. Araka ny  fanambarana ofisialin'ny [5] Minisiteran'ny Atitany, nosamborina izy noho ny “tsy fanajana ny sainam-panjakana Repoblikan'i Torkia rahalahy” ary voampanga ho tsy nankatò ny polisy araka ny Fehezan-dalàna momba ny Fandikan-dalàna Ara-pitantanana Andininy faha 535.1. Tratra nanapaka ny tady nihazona ilay saina tanaty fakantsary ity mpikatroka ity .

Niteraka adihevitra teo amin'ireo mpisera Azerbaijani tao amin'ny Facebook sy Twitter ny fisamborana azy momba ny fampiasana sy ny fiheverana ireo fanevam-pirenena toy ny sainam-pirenena.

Nanoratra i Narmin Shahmarzade, mpikatroka feminista,

Bayrağı "təhqir etdi" adı ilə kimisə həbs etmək, mənə görə, ən mədəni adı ilə quldurluqdur. Heç nə insan həyatından daha…

Posted by Narmin Shahmarzade [6] on Saturday, January 29, 2022 [7]

To arrest someone under the name of “insulting” the flag is, in my opinion, a robbery. Nothing is more valuable than human life. What you sanctify as a state is to serve the people. The main duty of the state is to protect the citizen, their freedom of expression. Who determines the state symbol? In general, why should a person respect the state symbol? What is this absurd idea? Why should citizens who do not support the idea of the flag and express this belief in practice be arrested?

Fandrobana ny fisamborana olona noho ny “fanivaivana” ny sainam-pirenena raha ny hevitro, Tsy misy sarobidy kokoa noho ny ain’olombelona. Ny fanompoana ny vahoaka  no manamasina anao amin’ny maha fanjakana anao. Ny fiarovana ny olom-pirenena, ny fahalalahana maneho hevitra no tena adidin’ny fanjakana. Iza no mamaritra ny fanevan’ny fanjakana? Amin'ny ankapobeny, nahoana ny olona iray no tokony hanaja ny fanevan’ny fanjakana? Inona izany hevitra tsy mitombina izany? Nahoana no tokony hosamborina ireo olom-pirenena tsy miombon-kevitra amin’ny hevitry ny atao hoe sainam-pirenena sy maneho izany fiheverany izany?

Araka ny lalànam-pirenena, tsy misy resaka heloka bevava amin’ny tsy fanajana ny fanevam-pirenen’ny firenena vahiny. “Ny fitsipika mifehy ny fitondran-tena amin'ny sainam-pirenena ihany no hita ao amin’ny fehezan-dalàna momba ny heloka bevava ao Azerbaijan ary ny fanjakana tondroina ao Azerbaijan,” hoy ny mpisolovava Fariz Namazli tamin'ny antsafa [4] niaraka tamin'ny OC Media.

Nisioka ihany koa i Emin Abbasov, mpisolovava mahaleo tena:

Nosamborin'ny polisy tao Baku ny lehilahy iray izay nampidina ny tadin'ny sainam-pirenena Tiorka ary nandatsaka izany tamin'ny tany.

Saingy ny tsy fanarahan-dalàna amin'ny fampiakarana sy ny fametrahana ny sainam-pirenena vahiny & Intl Org ihany no misoratra ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny fandikan-dalàna ara-pitantanana ao Azerbaijan fa tsy ny fandatsahana azy ireo.

Niresaka [9] tao amin'ny Facebook ny mpisolovava mahaleo tena iray hafa, Subhan Hasanli, momba ny fisaraham-bazana teo amin'ny fiaraha-monina vokatr’ity raharahan'ilay mpikatroka ity, ka ny sasany mitaky ny hanasaziana azy tsy misy hatak'andro, ny hafa kosa manontany ny anton'izany.

First of all, the flag in this country can be considered, a piece of cloth by some, and a sacred symbol by others. We must accept this. In a society, if we live together, we have to think of not only those who think alike, but those who think differently. It would be good if we consider, not to hurt those who think differently, not to disrespect symbols and values they consider sacred. Second, I cannot understand those who keep going on about the importance of the flag this time around. Weren't you applauding when LGBTQ+ symbols and flag were being burned? Or described those acts as freedom of expression? But now, when someone stood against your values you asking for a punishment? We must respect other's values, considered valuable, principled, or sacred. Even when those symbols can be shocking, and annoying.

Voalohany indrindra, azo heverina ho tapa-damba ho an'ny sasany ny sainam-pirenena eto amin'ity firenena ity, ary marika masina ho an'ny hafa. Tsy maintsy manaiky izany isika. Eo amin’ny fiarahamonina, raha miara-miaina isika, dia tsy ireo izay mitovy hevitra amintsika ihany no tokony heverintsika, fa ireo tsy mitovy hevitra ihany koa. Tsara raha heverintsika, ny tsy handratra ireo tsy mitovy hevitra amintsika, ny tsy hanadino hanaja ireo marika sy soatoavina heveriny ho masina. Faharoa, tsy azoko ny maha zava-dehibe ny sainam-pirenena amin'ity indray mitoraka ity ho an’ireo sasany. Moa tsy nitehaka ve ianareo rehefa nodorana ireo faneva sy sainan’ny LGBTQ+? Na namaritra izany fihetsika izany ho fahalalahana maneho hevitra? Fa ankehitriny, mangataka sazy ianareo rehefa misy olona manohitra ny soatoavinareo? Mila manaja ny soatoavin’ny hafa isika, izay heverina ho sarobidy, na miorina amin’ny fitsipika, na masina. Na dia mety ho manafintohina sy mahasosotra aza ireo faneva ireo.

Fa tsy amin'ny fifandeferana sy ny fifanajana ihany izany. “Mahery ny faneva, ary milaza ny fikarohana ara-psikolojika fa mety hisy fiantraikany manimba amin'ny firaisankina ara-piarahamonina ny fitomboan'ny fampiasana ny sainam-pirenena,” hoy i Amit Katwala raha nanoratra [10] tao amin’ ity [10] lahatsoratry Wired ity. Nanamarika i Katwala, tamin'ny findramana ny tenin'i Markus Kemmelmeier, psikôlôgy ara-piarahamonina ao amin'ny Oniversiten'i Nevada fa “Saropady ny saina hoy izy. Raha miresaka momba ny fiombonana ianareo ary miteny hoe: ‘Ity no anay’, dia misy foana ny olona tsy tafiditra ao anatin’izany.”

Nopotehin'i Kemmelmeier io hevitra io tao amin'ny taratasy fikarohana [11] mitondra ny lohateny hoe “Fanehoana Fitiavan-tanindrazana (madio), Fijinjana ny Nasionalisma (Fitiavan-tanindrazana lasa mankahala vahiny)? Vokatry ny Fipoiran'ny Saina Amerikana.” Nanoratra izy sy David G. Winter, mpiara-manoratra hoe “Ivon'ny firenena rehetra ny fanevam-pirenena. Manome fanehoana ivelany ho an'ny fiombonana iray, ny tantarany ary ny zava-bitany izy io. Hoy ny mpanoratra hoe: “Mahatonga azy hihevi-diso momba ny tenany ny fanavahana ny mari-panondroana azy ao amin’ny firenena”, izay mitarika ny olona hanao fihetsika amin'ny fomba “heveriny ho ara-dalàna na tiany ho an'ny mari-panondroana azy ao amin’ny firenena. Raha fintinina, ny fanevam-pirenena dia hampihevitra ny olom-pirenena izay heveriny fa ijoroan'ny fireneny.”

Raha ny momba ilay mpikatroka nosamborina, ny sainam-pirenena Tiorka no saina resahana eto. Samy milaza ho manana fifandraisana ara-pirahalahiana [12] ny firenena roa tonta. Niafara tamin'ny fanamafisana bebe kokoa [13] ireo fifandraisana ireo ny fanohanana tsy tapa-kevitra [13]an'i Azerbaijan avy amin’i Torkia nandritra ny ady Karabakh Faharoa [14], sy ny fironana amin'ny fananganana saina Tiorka [15] manoloana ny orinasa manerana ny firenena, ao anatin'izany ny trano fisotroana kafe, trano fisakafoanana, banky ary ny fivarotana antsinjarany. Nanakiana an'i Ismayilov ho tsy nanaja ny sainan'ny “firenena rahalahy, Torkia” ny ankamaroan'ny media sosialy sy ny media nentim-paharazana.

Ity angamba no tranga voalohany nahitana fanoherana mahery vaika avy amin’ny vahoaka mikasika ny olona tsy manaja ny sainam-pirenena vahiny tao Azerbaijan. Nandinika [16] ireo tranga teo aloha ilay mpanao gazety Shemshed Agha izay nahitana sainam-pirenena vahiny iray tsy nohajaina ary nitatitra ohatra enina farafahakeliny izay nahitana ny tsy fanajana ny sainam-pirenen'i Rosia, Iran, Israely, Etazonia, Armenia ary Kolombia, saingy tsy tsy nisy tamin'izany tranga izany no nosamborina. “Noho izany, tsy tokony hitodika any amin’ny rahalahiny ny Minisiteran’ny Atitany, fa ny lalàna efa misy ka handray fanapahan-kevitra mifandraika amin’izany”, hoy i [16] Agha nanoratra.

Tamin’ny fomba manesoeso, nilaza i Ismayilov taorian'ny fisamborana azy fa notapahany ny tady tsy noho ny tsy fanajany ny sainam-pirenena Tiorka fa noho ny fahatsapany fa eny amin'ny toerana tsy mendrika azy (fisotroana kafe, trano fisakafoanana) no misy ilay saina, hoy ny tatitra [17] nataon’ny BBC Azerbaijan.

Nandritra izany fotoana izany i Javad Javadov, mpisolovava an'i Ismayilov, nilaza [17] tamin'ny BBC Azerbaijan fa hampakatra ny raharaha amin'ny didy.

Amin'ny fanamarihana midadasika kokoa, toa ny nomarihan’i [18] Moises Naim ao amin’io lahatsoratra fanehoan-kevitra ho an’ny Washington Post io, “miara-dalana ny sainam-pirenena sy ny fanindrahindram-pirenena (nasionalisma) hoy izy, ary miaina amin’ny fotoan’ny fanindrahindram-pirenena mihamitombo isika. Tena mila mahatakatra lalindalina kokoa isika momba ny fihetsehan’ny fanindrahindram-pirenena sy ny fientanam-po mahery vaika avy amin’ireo tandindona ara-politika.” Ny filàna fifandraisana voafantina izay mety ananan’ny firenena sasany amin’ny hafa ihany no azo ampitomboina, indrindra fa ireo heverina ho “firahalahiana”.