
Aleksey Navalny sy ny tale Daniel Roher. Pikantsary avy amin'ny horonantsary Ivotoerana Sundance ao amin'ny YouTube.
Nahazo loka roa ambony tamin'ny Fetiben'ny Sarimihetsika Sundance, izay mampiseho ny fanaovana sarimihetsika mahaleo tena tsara indrindra, tamin'ity taona ity ny fanadihadiana iray momba ny mpanao politika Rosiana mpanohitra Aleksey Navalny sy ny tohin'ny fanapoizinana sy ny fahasitranany vao haingana. Migadra an-tranomaizina maharitra any Rosia i Navalny amin'izao fotoana izao.
Nahazo ny lokan'ny mpijery fanadihadiana sy ny loka ankafizina indrindra ao amin'ny fetibe ao amin'ny Sundance ilay horonantsary fanadihadiana, mitondra ny lohateny hoe “Navalny”. Nambara nandritra ny lanonana an-jotra tamin'ny 28 Janoary ireo loka ireo.
🏆 Festival Favorite Award goes to NAVALNY, directed by Daniel Roher (@DanielRoher). #sundance pic.twitter.com/uXmS0eTyro
— SundanceFilmFestival (@sundancefest) January 28, 2022
🏆 Ny Loka ankafizin'ny Fetibe indrindra dia lasan'ny NAVALNY, notontosain'i Daniel Roher (@DanielRoher). #sundance
Tamin'ny minitra farany ity filma notontosain'i Daniel Roher ity no tafiditra tamin'ny programan'ny fetibe. Tamin'ny 24 Janoary, efatra andro talohan'ny lanonam-panomezan-doka, nanambara ny Ivotoerana Sundance fa hanatontosa famoahana voalohany eran-tany ny filma ny fetibe. Nidera ilay filma ny talen'ny fetibe Tabitha Jackson noho ny fanolorana “sarimihetsika mampientam-po amin'ny fotoana ankehitriny, fidirana tsy mampino, asa fanaovan-gazety mpamaky bantsilana feno fahasahiana, mpandray anjara maharesy lahatra miteny ny marina amin'ny fahefana.”
Navoaka voalohany tamin'ny mpijery voafetra isa ho an'izay manana tapakilan'ny fetibe ny fanadihadiana tamin'ny 25 Janoary, ary azo jerena ao amin'ny sehatra an-jotran'ny fetibe hatramin'ny 30 Janoary. Tsy ela taorian'izany, nanomboka nivoaka tamin'ny tranonkala torrent ny kopia piratin'ny “Navalny”, ka niteraka adihevitra hoe “halatra” ve sa “samizdat” ilay fanadihadiana hitan'olona maromaro kokoa. Nalaina hozaraina tamin'ny serivisy streaming HBO Max ihany koa ilay sarimihetsika, sady niara-namokatra ilay sarimihetsika ihany koa ireo. Na izany aza, nilaza ny mpiara-miombon'antoka amin'ny HBO any Rosia, ny Amedia, fa tsy mikasa ny hividy “Navalny” ho an'ny mpijery Rosiana.
Niara-niasa tamin'ny Bellingcat vondrona mpamaky bantsilana open-source ny tale Daniel Roher hilazana ny tantara nahafahan'i Navalny ho tafavoaka velona tamin'ny fanapoizinana nahazo azy tamin'ny Aogositra 2020 ary, sy fony andalam-pahasitranana tany Berlin, niara-niasa tamin'ireo mpiara-dia aminy sy ireo mpanao fanadihadian'ny Bellingcat mba hamoahana izay nanao ny fanafihana. Tamin'ny farany, nanatsoaka hevitra ny famotorana fa nisy ekipa mpitandro ny filaminana Rosiana voarohirohy tamin'ny fikasana saika nahafaty an'ilay mpanentana miady amin'ny kolikoly. Nolavin'ny Kremlin izay mety ho anjara asany amin'ny fanapoizinana an'i Navalny.
Rehefa sitrana dia niverina tany Rosia i Navalny tamin'ny fiandohan'ny taona 2021 ary nosamborina avy hatrany. Ny fitsarana maika dia nanome azy sazy an-tranomaizina 2,5 taona noho ny fandikana ny fepetran'ny fahafahana vonjimaika teo aloha. Ny mpomba azy sy ny mpiaro ny zon'izy ireo dia mihevitra ny fiampangana azy ho toy ny raharaha noforonina sy misy ambadika politika.
Tamin'ny 25 Janoary, andro famoahana voalohany manerantany an'ilay sarimihetsika, nampidirin'ny manampahefana Rosiana ao amin'ny lisitry ny “mpampihorohoro sy mahery fihetsika”, efa ahitana ihany koa ny Orina Mpanasoa Miady amin'ny Kolikoly tarihin'i Navalny, i Navalny sy ny maro amin'ireo mpiara-dia aminy. Maro tamin'ireo olona nampidirina tao anaty lisitra no voatery nandositra an'i Rosia, ny sasany kosa nosamborina.
Vao haingana, nihamafy kokoa ny tsindry nahazo ireo mpikatroky ny mpanohitra sy ireo mpanao fanadihadiana miady amin'ny kolikoly: tamin'ny fiandohan'ny volana febroary, norahonan'ny Roskomnadzor, mpandrindra ny fampitam-baovao sy ny aterineto rosiana, hosakanana ny sehatra fampahalalam-baovao maro ary nandidy azy ireo hanaisotra ny firaketana an-tsoratra fanadihadian'ny ekipa Navalny ireo trangan-kolikoly ataon'ny governemanta, anisan'izany ireo tranga misongadina manazava ny fananana (trano sy tany maro an'ny) praiminisitra Dmitry Medvedev sy ny filoha Vladimir Potinina.
Na dia notononin'ny Roskomnadzor aza ny fiantsoana ny tambajotran'i Navalny tamin'ny taona 2021 ho “ekstremista” ho anton'ny fanesorana noho ny fivoahan'ny lahatsoratra talohan'ny fampiharana ny lalàna, ny ankamaroan'ny lahatsoratra mitatitra ny famotorana dia navoaka talohan'ny fampiharana azy: ny sasany tamin'ireo fitantarana aza efa hatramin'ny taona 2017. Maro amin'ireo fampahalalam-baovao no nanaraka ny baiko hanalana ny votoaty mba tsy ho voarara ry zareo ao amin'ny firenena, na dia misy vitsy aza, toa ny Radio Free Europe/Radio Liberty sy Current Time, nilaza fa tsy hiraharaha ireo fitakiana, miantso azy ireo ho “sivana ara-politika”.