- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kosovo taona 1999 sy Rosia 2021: Mampirongatra propagandy mampidi-doza ny fironana hanamboatra sary miova tokotanin-tsehatra na ‘cheapfake’

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Kosovo, Makedonia, Okraina, Rosia, Serbia, Ady & Fifandirana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Ny Tetezana - The Bridge

Fitambarana sary sandoka mampiseho amin'ny fomba diso ireo mpitsoa-ponenana ara-poko Albaney avy any Kosovo sy ny tany am-boalohany avy amin'ny Reuters tamin'ny taona 1999.

Navoakan'ny Hive-Mind [1] sy ny European Journalism Observatory (EJO) [2]tany am-boalohany ity tantara nosoratan'i Dren Gërguri ity. Navoakan'ny Global Voices indray ny dika nasiam-panitsiana rehefa nahazo alalana avy amin'ny mpanoratra.

Fanao mahazatra ankehitriny ny fanamboamboarana sary mba hahatonga azy ireo ho diso amin'ny toe-javatra iray na hampita vaovao tsy marina. Nantsoina hoe “deepfakes [3],” namorain'ny fitaovana lafo vidy sy ny fomban'ny haranita-tsaina voatr'olombelona (IA) afaka mamorona hosoka mandresy lahatra avo lenta izany fironana izany. Lasa fanararaotana ho an'ny indostrian'ny teknolojia sy ny haino vaky jery izany, izay mihasarotra hatrany ny mamantatra raha tena izy na sandoka ilay votoaty.

Saingy nitombo vao haingana ny ahiahy momba ireo fomba fanao ireo, satria nanamora kokoa ny fidirana amin'ny fitaovana hosoka lalina ny fihenan'ny vondrona mikirakira sary eo amin'ny ambaratongan'ny mpanjifa. Nampitombo ireo endrika isan-karazany amin'ny hosoka antsoina hoe “cheapfakes” izany – fikirakirana ahitana fanafainganana na fampihenana ny horonan-tsary tena izy na ny fanovana ny tokotanin-tsary na ny antsipirihan'ny sary tena izy. Tsy mitovy amin'ny hosoka lalina (deepfakes) be pitsony ara-teknika izay mamorona votoaty mampiseho mampiseho olona iray miteny na manao zavatra tsy nolazainy na tsy nataony mihitsy .

Manomboka amin'ny fialamboly tsy mampidi-doza ka hatramin'ny propagandy politika mety mampidi-doza ny antony mahatonga ity fironana mipoitra amin'ny cheapfakes ity. Ary lasa mahazatra kokoa izany satria mila solosaina tsotra na rindrambaiko finday fotsiny. Fanodinkodinana kely fotsiny dia ampy hanovana ny hafatry ny sary.

Ohatra iray mampanahy amin'ny cheapfaking ny fanovana ny sarin'ny Reuters [4], nivoaka tamin'ny taona 1999 nandritra ny ady tao Kosovo. Mampiseho vehivavy foko Albaney iray, Sherife Luta [5], izay, miaraka amin'ireo mpitsoa-ponenana 2.000 hafa, niezaka niditra tao Makedonia Avaratra tao amin'ny fiampitan'ny sisintany ao Blace.

Fanambarana sary novaina navoakan'ny andrim-panjakana Rosiana tamin'ny taona 2021, raha ampitahaina amin'ny sary ôrizinaly navoakan'ny Reuters tamin'ny taona 1999.

Roapolo taona taty aoriana, nipoitra anjotra indray io sary io. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa dia nokirakiraina hanjary fitaovana propagandy. Mikendry ny handresy lahatra ny mpijery ilay sary namboarina fa Serba niharan'ny daroka baomba nataon'ny OTAN io vehivavy io. Namoaka ity sary namboamboarina ity [6] tao amin'ny fahana Twitter-ny ny Masoivoho Rosiana any Afrika Atsimo.

Androany no tsingerintaona faha-22 tamin'ny andro nitondran'ny OTAN fahafatesana sy fandringanana an'i #Yugoslavia [7] tamin'ny alalan'ny fanafihana ny fanjakana mahaleotena tamin'ny tsy fanajana mihitsy ny lalàna iraisam-pirenena. Nahafaty olona tsy manan-tsiny 2000 ny “firotsahana an-tsehatra hanavotana ny maha-olona” nandritra ny 78 andro nataon'ny OTAN, nahatonga ireo olona an'arivony maro lasa mpitsoa-ponenana

Ny hevitr'izany propagandy izany, raha ny hita, dia manohana ny fitantaran'i Serbia sy Rosia momba ny fitsabahana diso nataon'ny OTAN tamin'ny taona 1999 tao Kosovo [10]. Mampiseho mazava olona tafavoaka velona tamin'ny daroka baomba nataon'ny OTAN ilay cheapfake. Raha ny marina, dia ilay Albaney mpitsoa-ponenana Sherife Luta indray no resaka eto, izay noteren'ny tafika Serba nandao ny tanindrazany (tranony).

Fanapongarana izay propagandy

Mahomby ny propangandy ao anatin'ny tsy fahalalana (tsy firaharahiana) sy ny fandisoam-baovao. Niniana nampiasa io sary io tokoa ireo diplaomaty Rosiana tany amin'ny faritra iray eto amin'izao tontolo izao tsy mahalala firy momba an'i Kosovo.

Saingy na dia mety hamitaka ny sasany aza ny sary namboamboarina, dia mora ny mamantatra azy ireo. Azonao atao, ohatra, ny misaina kely sy manao fampitahana avy amin'ny safidy “Fikarohana sary ao amin'ny Google” mba hamantarana raha namboarina ny sary. Loharano hafa fanamarinana sary koa ny  TinEye [11], izay milaza aminao hoe oviana no navoaka voalohany anjotra ny sary, sy ny fotoforensics.com [12], fitaovana maimaim-poana izay mamaritra raha namboarina ny sary sy izay ampahany novaina.

Tsy vao voalohany no nampiasaina tamin'ny propangandy ny sarin'i Sherife Luta. Efa niseho tao amin'ny sampam-baovaom-panjakana Rosiana nivoaka tamin'ny volana Aogositra 2014 [13] ihany koa io sary io.

Pikantsary tamin'ny sampam-baovaom-panjakana Rosiana 2014 nandefa momba an'i Okraina, tamin'ny fampiasana ny sarin'i Sherife Luta namboarina.

Tamin'izany fotoana izany, nametraka ny lohaheviny ho Serba niharan'ny daroka baomban'ny OTAN ny Rosiana. Nofafan'izy ireo ny sarin'ireo mpitsoa-ponenana hafa ary nampiany tranobe iray voadaroka baomba teo ambadika.

Nahoana isika rehetra no tokony hamakafaka ny loharanontsika

Tsy mbola fantatsika ny fiantraikan'ny cheapfakes amin'ny saim-bahoaka. Saingy fantatsika fa nandritra ny taona maro, nanaparitaka vaovao diso nanerana izao tontolo izao momba ny ady tao Kosovo i Rosia.

Afaka mamorona fitantarana mifototra amin'ny tsy fahamarinana ny fanamboamboarana sary, izay mety hisy fiantraikany amin'ny hevitry ny vahoaka. Izany no antony maha-zava-dehibe ny fanairana manoloana ny fampiasàna sary novaina tokotanin-tsehatra mieli-patrana sy ny fanekena fa mampiasa izany fanao izany ho fitaovana propangandy ny governemanta sasany.

Iray amin'ireo lesona lehibe indrindra azontsika ampianarina ny taranaka ho avy ny famotopotorana araka ny tokony ho izy ny loharanon'izy ireo sy ny fanombanana tsara ny fampahalalana rehetra hita maso mba hialana amin'ny hosoka mamitaka sy mampidi-doza.