Taratasim-baovao RV: Mitady ny hoavy any amin'ny lasa (sy ny toe-java-misy ankehitriny)

Sary avy amin'i Rafael Javier tao amin'ny Pixabay. Nampiasana Lisansa Pixabay.
Fanamarihan'ny Rising Voices: Manome famintinana ireo lahatsoratra bilaogy vao haingana miresaka momba ny lafiny rehetra mahakasika ny fampiatiana ankihy toy ny fidirana sy ny fampiasana fitaovana ankihy (numerique=digital), ary ny fomba sy hirika samihafa ho an'ny vondrom-piarahamonina handray anjara feno amin'ny aterineto ny taratasim-baovaontsika isam-bolana. Vakio eto ny fanontana teo aloha amin'ity gazety ity.
Mankalaza ny Taom-baovao Shinoa, misy aminareo ve? Arahaba nahatratra ny taona vaovao raha izany!
Ho an'ny mpamaky rehetra, tianay ny hanokatra ity lohahevitra ity amin'ny fampahatsiahivana anareo ny hetsika famatsiana ara-bola roa izay misokatra isan-taona, ary amin'ny fomba mitohy:
- Howard G. Buffett, Famatsiam-bola ho an'ny mpanao gazety vehivavy avy amin'ny Orina Mpanasoan'ny Fampitam-baovao ho an'ny Vehivavy Iraisam-pirenena (International Women’s Media Foundation)
- JustFilms avy amin'ny Orina Mpanasoa Ford
Mirary taona mahavokatra ho anareo rehetra izahay.
BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BILAOGIN'NY RISING VOICES
Mitondra anareo indray ho any amin’ny fifandimbiasam-panentanana Twitter ny Rising Voices sy ireo mpiara-miasa aminy hanombohana ny dia IDIL2022–2032 miaraka amin'ireo mpikatroky ny fiteny manerana izao tontolo izao. Mahaliana anareo ve ny momba ny fitenin’ny indizeny, vitsy an'isa, tandindonin-doza, na tsy fahita firy miampy ny anjara asan'ny aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana sy ny famelomana azy ireo? Araho tsy tapaka ary ny vaovaonay ary henoy izay hozarain'ireo vahiny mpampiantrano!
@ActLenguas (Amerika Latina)
- Roselia Vázquez [en] [es] ao amin'ny Chontal/Tsome, miteny any Sierra Sur ao Oaxaca, Meksika
- Héctor Josué Martínez Flores [en] [es] ao amin'ny Nahuat, fitenin'ny indizeny sisa velona farany any El Salvador
- Carlos Ángeles [es] momba ny teny Zapotec sy ny fandraisany anjara amin'ny fitehirizana/fanaparitahana ny fiteny indizeny ao Oaxaca, Meksika amin'ny alalan'ny tambajotra sosialy
Mandritra izany fotoana izany, any Afrika, miroborobo ny rakipeo natao ho an'ny mpihaino any an-toerana. → “Mitondra ny Teny Afrikana ho ao anatin'ny tontolon’ny feo vaovao ireo mpanatontosa rakipeo ireo”
ANTSO HO FANDRAISANA ANJARA
Manao antso misokatra ho amin'ny hevitra fivoriana ny mpiara-mikarakara ho fanomanana ny Zaikabe 2022 momba ny Fampandrosoana Ankihy Erantany — indrindra mikasika ny fampandrosoana tarihin'ny eo an-toerana, ny fiovan'ny toetr'andro ary ny teknolojia misandratra. Tianao ve ny handray anjara amin'ny fanombohan’ity hetsika tarihin’ny vondrom-piarahamonina ity? Azonao atao ny manomboka izany eto. Fara-fandefasana: 24 Febroary 2022
HETSIKA SY FIHAONAMBE HOAVY
Efa nanontany tena ve ianao hoe ahoana no ahafahan'ny fahatakarantsika ny lasa mitaona amin’ny hoavintsika amin'ny alàlan'ny fitantarana ankihy (nomerika)? Manasa anao amin'izany ny Smithsonian amin’ny Fetiben'ny Sarimihetsika fahafito amin’ny Fitenindrazana hahitanao izany amin’ny alalan'ireo andiana hetsika virtoaly. Daty: 17 Febroary–4 Martsa 2022
FITAOVANA SY LOHARANO
Mieritreritra ny hanomana ny firobohana tanteraka ao anatin’ny fitenin’ny indizeny — an-jotra na mivantana — ve ianao nefa tsy fantatrao hoe aiza no hanombohana izany? Mety ho ilainao ity fomba fitarihana vao navoakan’ny nêhiyawak Language Experience ity.
Mandritra izany fotoana izany, manolotra anao ny torolalan'izy ireo raha mikasa ny hikarakara hetsika an-jotra ianao ny APC (Association for Progressive Communications).
HAMAKY, HIJERY ary HIHAINO BEBE KOKOA
- Horonantsary Mozika – Fetiben'ny teny indizeny araka ny nozarain'nyEndangered Languages Project ao amin’ny YouTube
- Mihaino, mahita, miaina. Ahoana no ifantohan'ny sekoly iray amin'ny fahaiza-mifehy tsara ny fiteny mba hamelomana indray ny fiteny indizeny amin'ny alàlan'ny National Observer Canada
- Toy ny ahoana ny fampianarana ampitain-davitra raha manana fahasembanana amin'ny alalan'ny Teen Vogue
- Manatsara ny traikefan'ny mpisera ho an'ny olona manana olana amin'ny fitenenana amin'ny alàlan'ny InclusionHub
Misoratra anarana amin'ny Rising Voices Newsletter
Misaotra an'i Eddie Avila sy Ameya Nagarajan nandray anjara tamin'ity taratasim-baovao ity.
Lahatsoratra notsongain-ny Rising Voices, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices manampy amin-ny fanapariahana vaovaon-ny tsy mbola mahatakatra aterineto loatra ity. · Lahatsoratra rehetra