Radio fanabezana vondrom-piarahamonina: fomba fampianarana hafa ao anatin'ny hantsana ankihy

Ankizilahy sy ankizivavy avy any amin'ny faritra ambanivohitr'i Bolivia izay ao anatin'ny Radio Escuela. Sary: Indrana avy amin'ny CEPRA.

Navoaka voalohany tao amin'ny fampahalalam-baovao Boliviana mpiara-miasa aminay Muy Waso ity lahatsoratra ity ary novaina sy navoakan'ny Global Voices eto indray.

Hatramin'ny nanombohan'ny valan'aretina COVID-19 tany Bolivia, nitombo ny elanelana teo amin'ny fidirana amin'ny fampianarana eo amin'ny mpianatra any an-tanàn-dehibe sy ny faritra ambanivohitra. Nikasa hanitsy izany ny tetikasa radio fanabeazana iray.

Nandritra ny taona 2021, natao virtoaly sy nifangaro ny hetsika fanabeazana tany Bolivia noho ny valan'aretina, saingy teo amin'ny 30 isanjaton'ny mpianatra no mianatra any amin'ny faritra ambanivohitra izay voafetra ny fahafahana miditra amin'ny aterineto sy solosaina. Teo amin'ny 20 isanjato teo ny tahan'ny fialana an-tsekoly tamin'ny taona 2021 tany Bolivia, iray amin'ireo avo indrindra any Amerika Latina sy Karaiba.

Araka ny angona avy amin'ny Ivon-toerana Nasionaly momba ny Antontanisa tamin'ny taona 2018, tokantrano sivy amin'ny 10 any ambanivohitr'i Bolivia no tsy manana aterineto. Tsy dia tsara loatra koa ny any an-tanàn-dehibe: tokantrano enina amin'ny 10 ihany no manana fidirana aterineto. Adolantsento na tanora Boliviana efatra amin'ny 10 no nilaza tamin'ny fitsapan-kevitra nataon'ny UNICEF fa tsy nanatrika fampianarana tamin'ny alalan'ny sehatra aterineto izy ireo.

Ankizilahy sy ankizivavy avy amin'ny faritra ambanivohitr'i Bolivia izay anisan'ny Radio Escuela. Sary: Avy amin'ny CEPRA

Mitady vahaolana

Tao anatin'izany toe-javatra izany no nipoiran'ny tetikasa radio sekoly avy amin'ny fikambanana radio tsy mitady tombontsoa ara-barotra Centro de Producción Radiofónica (CEPRA) mba hanome fitaovam-panabeazana ho an'ny ankizy amin'ny sekoly fanabeazana fototra any amin'ny kaominina 24 ao amin'ny firenena tamin'ny taona 2021. Ny volan'izy ireo manokana sy ny fanomezana ihany no nitantanana ny tetikasa.

Tonga tany amin’ny faritra zara raha nahazo loharanom-bola avy amin’ny Fanjakana ny sekoly radion’ny CEPRA. Nitondra fitaovana vita pirinty sy radio toy ny bokikely, tantara tamin’ny onjam-peo ary tantara an-tsehatra amin'ny radio ho fanohanana ny fanabeazana ny ankizy izany.

“Tamin’ny taona 2021, mikasa hameno ny banga izay nahatonga ny faritra ambanivohitra tsy nisy fanohanana na fitarihana tamin’ny faran’ny taom-pianarana 2020 ity tetikasa ity. (Manaraka ny fitsipiky ny governemanta), nampidirina ny radio sy ny bokikely fampianarana, saingy miaraka amin'ny fomba fiasa mifototra amin'ny lesona, manome toromarika ho an'ny mpianatra ihany”, hoy ny fanazavan'i Juan Luis Gutiérrez, mpandrindra ny CEPRA.

Nikasa ny hamantatra ireo karazana faharanitan-tsaina sy ireo fomba fianarana ananan’ny ankizy “tsy misy fepetra na fanasokajiana azy ireo” ihany koa ny tetikasa sekoly radion’ny CEPRA.

Nahatratra ankizy tany amin'ny departemanta ambanivohitra efatra: Potosí, Oruro, Cochabamba, ary Chuquisaca ny CEPRA. Ahitana lohahevitra, endri-tsoratra, zavamaniry ary biby avy amin'ireo faritra tsirairay ao Bolivia ireo ny bokikely sy ny fiaovana fampielezam-peo. Niresaka olana manokana isaky ny faritra ny tetikasa.

Niresaka momba ny olan’ny fiarahamonina sy ny zavamaniry ary biby ao amin’io toerana io ny hetsika nataon’ny tetikasa CEPRA. Sary: Avy amin'ny CEPRA.

Tetikasa andraisana anjara

Tsy niompana fotsiny tamin’ny fizarana fitaovana ny tetikasa fa nampiditra fanofanana ireo mpampianatra sy ireo fampitam-baovaon'ny fiarahamonina.

“Radiom-piarahamonina miisa 24 no nanana adiny iray natokana ho an'ny ankizy. Zavatra tsy mbola nitranga hatramin'izao izany, ”hoy i Gutiérrez nanipika, izay manam-pahaizana manokana momba ny fanabeazana hozatra (neuroeducation) ihany koa. Tsy mora izany, hoy ireo mpampianatra sasany fa “asa iray hafa tokony hataon'izy ireo” ny fiezahana hampihatra io tetikasa io, saingy niara-niasa tamin’ny tetikasa kosa ny hafa.

Tsy maintsy nanombantombana ny toe-pahazoana miserasera izy ireo ary nanamarina raha manana famantarana aterineto sy radio ny mpianatra. Nahafahan'izy ireo niditra an-tsehatra tany amin'ireo tokantrano nahitan'izy ireo herisetra izany.

“Nanombana ny zava-mitranga tany an-tsekoly ireo ekipa mpanabe 15 izay nanatanteraka ny fotoam-pampianarana amin'ny radio. Nandritra izany dingana izany, nahita herisetra avy amin'ny mpampianatra, ray aman-dreny izahay … ka nanangana sehatra ho fanohanana ara-tsaina-pedagojika ary nampitombo ny isan'ny fitsidihana tokantrano ireo mpampianatra”, hoy ny nasongadin'i Gutiérrez.

Nikasa ny hampihatra ny soatoavina ara-kolontsaina, ara-piarahamonina ary ara-tontolo iainana ihany koa ny hetsika,  araka ny fomba fanabeazana Montessori. “Ny fomba fanabeazana ataonay dia mampiditra fitaovana bebe kokoa ao an-dakilasy ary tsy mifantoka amin'ny mpampianatra. Te hanohana ny fomba fijerin'ny mpianatra izahay. Tianay ny hanome fahamendrehana ny ankizy, hanondrotra azy ireo ho olona manana feo sy hery manapa-kevitra, ary hamorona olombelona voataiza, ”hoy i Gutiérrez tamim-pientanentanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.