- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanafihana voarindra mahazo ireo Bangladeshita mpikatroka ao amin'ny Facebook

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fivavahana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
Screenshot from an YouTube Video by Technical Cox’s explaining how to retrieve a Facebook account mistakenly marked as “Memorialized”. Fair use. [1]

Pikantsary avy amin'ny video YouTube avy amin'i Technical Cox manazava ny fomba hamerenana ny kaonty Facebook voamarika amim-pahadisoana ho “memorialized”. Fampiasana araka ny tokony ho izy.

Tao anatin'ny fanafihana fiaraha-miasa vao haingana nataon'ireo olon-tsy fantatra, nivadika tamin'ny fomba misitery ho sary fanomezam-boninahitra ahitana ny voambolana “Remembering” (tsaroana) tsy azo idirana ny horirantava Facebook an'ireo olo-malaza, mpanao gazety, olon'ny media ary mpikatroka avy any Bangladesh. Mety ho nanararaotra ny songadina fampahatsiarovana [2] an'ny Facebook ireo nahavanon-doza mba hamelomana izany.

Nipoitra ny vaovao rehefa hitan'i Taslima Nasrin [3],  mpanoratra Bangladeshi–Soedoà, feminista, lahika homanista, sady mpikatroka fa nivadika ho tsaroana [4] tamin'ny fomba tsy nampoizina ny kaontiny tamin'ny 18 Janoary 2022. Ny hetsi-panoherana nataony tao amin'ny Twitter nangataka ny manampahefana Facebook hamerina ny kaontiny no nanamafy fa tsy maty araka ny ninoan'ny sasany tamin'ireo mpankafy azy izy.

😮 @Meta @fbsecurity @facebookapp @MetaNewsroom @Facebook tena velona aho. Fa nataonareo ho tsaroana ny kaontiko facebook. Vaovao mampalahelo re izany! Ahoana no ahafahanareo manao izany? Avereno amiko ny kaontiko azafady.

Tsy afaka niditra tao amin'ny kaontiny tsy ampy 24 ora taorian'ny nahazoany izany indray [12] i Nasrin, olo-malaza maha-be resaka ao Bangladesh hatramin'ny fiandohan'ny taona 199x noho ny fijoroany ampahibemaso momba ny fivavahana, rehefa nomarihany fa ny “fihantsiana [avy amin'ny] vondrona Jihadi” no nanindry ny hihy “tsaroana”.

Nahita izao hafatra manaraka izao ny olona nitsidika ny kaontiny: “Manantena izahay fa hahita fampiononana ny olona tia an’i Taslima amin’ny fitsidihana ny mombamomba azy mba hahatsiaro sy hankalaza ny fiainany.”

Mipetraka any New Delhi i Nasrin amin'izao fotoana izao rehefa voatery nandao an'i Bangladesh [13] tamin'ny taona 1995, ary avy eo nandao an'i Bengal Andrefana tamin'ny taona 2007, vokatry ny fandrahonana mahery vaika avy amin'ireo fondamentalista Islamika. Maro no nitaky fanamelohana ho faty, anisan'izany ny Filankevitry ny Miaramila Islamika izay nanambara valisoa ho takalon'ny lohany.

Tsy izany anefa no fitsapana farany [14]. In-telo no nivadika ho fahatsiarovana ny kaontiny:

!! @Meta @Facebook @facebookapp Novonoinareo indray aho ary natao ho tsiaro ny kaontiko facebook!! Te-hahita ahy ho faty ry Jihadis. Koa noho ny tatitra nataon-dry zareo dia nalevinareo velona aho. Tsy indray mandeha fa intelo!!

Tamin'ny antsafa farany indrindra [16] nataony tamin'ny gazetiboky Outlook India, nanondro ny Facebook i Nasrin taorian'ny fanafihana fanindroany tao anatin'ny roa andro::

Facebook authorities need to make proper enquiries and see if they’re being led by Islamic terror groups into taking these actions. They need to improve their system. How could Facebook repeat the mistake in a matter of two days even after the first incident was widely reported in the Bengali and English language media?

Mila manao fanadihadiana araka ny tokony ho izy ny manampahefana ao amin'ny Facebook ary mijery raha sarihan'ny vondrona mpampihorohoro Islamika ry zareo amin'ny fanaovana ireo hetsika ireo. Mila manatsara ny rafitra ao aminy ry zareo. Ahoana no ahafahan'ny Facebook mamerina ny hadisoana tao anatin'ny roa andro na dia taorian'ny (fitarainana) be dia be ny tranga voalohany tamin'ny fampitam-baovao amin'ny teny Bengali sy Anglisy aza?

Nanampy i Nasrin hoe:

I have suffered repeated censorship, my books keep getting banned, my very existence comes under banning. Social media is my only way to express my opinion freely. Facebook needs to decide whether they want to be driven purely by numbers or have some ethics as well.

Niaritra sivana imbetsaka aho, voarara hatrany ny bokiko, efa ho tratran'ny fandrarana ny fiainako. Ny media sosialy no hany fomba hanehoako ny hevitro an-kalalahana. Mila manapa-kevitra ny Facebook raha te ho wtarihin'ny tarehimarika fotsiny izy ireo na manana etika ihany koa.

Inona no mitranga rehefa mivadika ho fahatsiarovana ao amin'ny Facebook ny kaonty iray?

Tamin'ny Febroary 2015 ny Facebook no nampiditra [17] ity songadina ity, izay mamadika ny kaontin'ny [2] maty iray ho toerana “hanangonan'ny namana sy ny fianakaviana ho fizarana fahatsiarovana.” Mijanona ao amin'ny Facebook ny votoatin'ny horirantava voamarika hoe “Tsaroana” (oh: sata, sary, horonan-tsary) ary hitan'ny mpanjohy araka ny fepetram-pizaràna (namana voafantina na daholobe).

Tsy azo ovaina ny votoatin'ny kaonty fahatsiarovana satria tsy misy afaka miditra amin'ireo kaonty ireo. Raha toa ka nametraka mpandova ifandraisana [18] ny kaonty iray taloha, io fifandraisana io ihany no afaka mitantana [19] ilay horirantava fahatsiarovana.

Tamin'ny Novambra 2016, voalaza fa nilaza [20] ny Facebook fa maty vetivety ny mpikirakira rehetra, anisan'izany ny Tale Jeneralin'ny orinasa Mark Zuckerberg, naseho tao anaty horirantava fahatsiarovana.

Tsy mora ho an'ny mpikirakira Facebook zazavao ny mamerina mora foana ny kaonty, saingy misy fomba hifandraisana amin'ny Facebook hitaterana fa navadika fahatsiarovana amim-pahadisoana ilay kaonty. Mila mandefa karapanondro-tsary ny tompon'ny kaonty mba hanaporofoana fa izy no tompon'ny kaonty, izay mety ho olana ho an'ireo mpikatroka mampiasa ny kaonty tsy mitonona anarana.

Ity lahatsary YouTube avy amin'ny Technical Cox's ity no manazava ny fomba hamerenana ny kaonty izay navadika fahatsiarovana amim-pahadisoana:

Lasibatra maro hafa amin'ity fanimban-drindrina miverimberina ity

Mielipatrana [21] kokoa ity fanafihana izay tsikaritra ho voavolavola avy ao anatin'ny firenena ity. Niafina tao India nanomboka tamin'ny taona 2019 i Asaduzzaman Noor, bilaogera Bangladeshita fanta-daza amin'ny horonantsariny mitsikera ireo mpitoriteny Islamika hajaina [22], toa an'i Mizanur Rahman Azhari [23]. Noho ny tsy fahafahany miditra amin'ny pejiny azon'ny daholobe jerena hatramin'ny nanaovana ny kaontiny ho fahatsiarovana tamin'ny 19 Janoary, nilaza i Noor fa ny fanafihana an'habaka dia asan'ny vondrona mpijirika antsoina hoe Hery Sivily Bangladesh. Nolazainy tamin'ny haino vaky jery [16] ny naharaisany mailaka avy amin'ny adiresy mitondra ny lohateny hoe “Team Khan” mampahafantatra ilay mpikirakira fa notoriana ny kaontiny noho ny fanehoany ny ahiahiny ho an'i Nasrin. “Nandefa porofo tamiko koa ry zareo mampiseho fa izy ireo no nitory ny fihazonako Twitter. Nangataka ahy izy ireo mba tsy hanao fanehoan-kevitra manohitra ny finoana silamo,” hoy izy.

Asad Noor nizara tao amin'ny ranty Facebook [24]:

On January 28, in a live video, I debunked Bangladeshi controversial Islamist preacher Mizanur Rahman Azhari's falsehood and misleading information with evidence through this page. In response, Azhari's followers and Islamist spammers submitted fake reports against my page. Unfortunately, Facebook authority, without fact-checking, declared me ‘Dead’ and memorized my page. But I am alive.

Tamin'ny 28 Janoary, tamin'ny lahatsary mivantana, natsingatotro tamin'ny alalan'ny porofo tao amin'ny pejiny ny fahadisoana sy torohay mamitaka nataon'ilay mpitoriteny Islamista Bangladeshita mahabe adihevitra Mizanur Rahman Azhari. Ho setrin'izany, nandefa tatitra sandoka momba ny pejiko ireo mpanaraka an'i Azhari sy ireo Islamista mpandoto hafatra. Indrisy anefa, tsy nanamarina ny zava-misy ny manampahefana Facebook ka nanambara ahy hoe ‘Maty’ ary navadika ho fahatsiarovana ny pejiko. Saingy velona aho.

Izany dia azo hamafisina avy amin'ny pejy Facebook [25] ofisialin'ny Hery Sivily ao Bangladesh (BCF) izay nandray ny andraikiny tamin'ny fanafihana ireo mpikatroka sy olo-malaza izay mitsikera ny fivavahana na ny olo-malazany.

Mandritra izany fotoana izany, tamin'ny Janoary 2022, ny kaontin'i Tasneem Khalil [26], mpanao gazety monina any Soeda, Mehran Sanjana, mpiantsehatra monina ao Dhaka, Lopa Rahman [27] mpikatroka monina any Londres ary ilay mpikatroka Kaniz Fatema, vadin'ilay mpitsikera ara-pivavahana sesitany Asif Mohiuddin [28], samy niatrika ny fiafarana tahaka an'i Nasrin avokoa. Sanjana sy Noor dia samy manana fifandraisana akaiky amin'ny tranokalan'ny rasionalista Bengali Muktomona [29] sy shongshoy.com [30] araka izay filaharana izay. Nosoratan'ny BCF ho “mpankahala fivavahana” ireo vondron'olona voafantina ireo.

Asehon’ity ranty [31] ao amin'ny pejy Facebook-n'ny Hery Sivily ao Bangladesh (BCF) tamin'ny 18 Janoary 2022 ity ny fahatsiarovana ny horirantavan'i Taslima Nasreen, Mehran Sanjana ary Kaniz Fatema izay nosoratana fotsiny tamin'ny isa “1+1+1=3″.

Tamin'io andro io ihany, lahatsoratra hafa [27] tao amin'io pejy io ihany no nilaza hoe:

ধ'র্ম বি'দ্বেষী লো'পা রহমান এর অফিসিয়াল ফে'ইসবুক একাউন্ট ও মৃত ঘোষণা করছে ফে'ইসবুক কমিউনিটি!

Nambaran'ny vondrom-piarahamonina Facebook fa maty ny kaonty Facebook ofisialin'i Lopa Rahman mpankahala fivavahana [ed: Islam]!

Tsy mbola nisy ny fanekena ofisialy ny raharaha na ny dingana noraisin'ny Facebook.

Mpikatroka laika Arifur Rahman nisioka hoe:

Efa ho herinandro izao no nahafatesako. Namono ahy talohan'ny nahafatesako ara-batana ny Facebook. Milaza izy ireo fa ny @Meta Universe no ‘ny’ hoavy, toa ho afaka hamono anao koa izy ireo ao amin'ny metaverse-ny.

Efa lasibatra teo aloha ny kaonty Facebook an'ireo bilaogera, mpikatroka ary mpanao gazety Bangladeshita mba hampanginana azy ireo. Hatramin'ny Febroary 2022, manana anjara tsena maherin'ny 93 isanjato [40] ny Facebook amin'ireo sehatra media sosialy rehetra ao Bangladesh ary ampiasain'ny mpikatroka ampahavitrihana. Araka ny fiaraha-miombon'antoka GNI-Internews, nanao fikarohana ny mpanao gazety Miraj Ahmed Chowdhury [41] tamin'ny Desambra 2020 momba ireo mpanao gazety, bilaogera, ary mpikatroka Bangladeshita miisa 40 izay tratran'ny tsy azo natao na inona na inona ny kaontiny Facebook tao anatin'ny taona vitsivitsy. Ny ankamaroan'ny tranga dia nataon'ny mpandoto rindrina fitoriana ho sandoka ny horirantava izay niafara tamin'ny fampiatoana ny kaonty. Nisy ireo mpikirakira sasany voalaza fa maty ary navadika ho fahatsiarovana ireo kaonty. Niantsafa [42] tamin'ny 17 tamin'izy ireo i Chowdhury hanaovana fitsapan-kevitra, ary nilaza ny 56 isanjato fa mihoatra ny indray mandeha ny nanafihana azy ireo, ary naato na in-dimy na in-enina aza ny kaontiny ho an'ny sasany. Ny Facebook no nodisoin'ireo nanaovana antsafa satria nilaza izy ireo fa tsy ampy ny ezaka nataon'ilay goavan'ny media sosialy mba “hiarovana ny resaka saro-pady eo amin'ny sehatra an-dry zareo”.