- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manamarika ny tsingerin-taonan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny ‘fitokonana mangina’ ireo hery mpanohana ny demaokrasia ao Myanmar

Sokajy: Azia Atsinanana, Myanmar (Birmania), Ady & Fifandirana, Fanoherana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona, Myanmar Coup, Myanmar Spring Revolution
[1]

Hetsika an-dalambe saika tsy nisy na inona na inona tao Myanmar tamin'ny 1 Febroary. Sary [1] avy amin'ny lahatsoratra Twitter an'ny Hetsi-panoherana sivily, nozaraina be tao amin'ny media sosialy ihany koa.

Na dia teo aza ny fandrahonana fisamborana avy amin'ny manampahefana miaramila, nijanona tao an-trano ny ankamaroan'ny olom-pirenena Myanmar tamin'ny 1 Febroary ho ampahany amin'ny ‘fitokonana mangina’ manohitra ny fitondrana miaramila.

Rehefa avy nandromba-pahefana [2] tamin'ny 1 Febroary 2021, tamin'ny alalan'ny fisamborana ireo tompon'andraikitra ao amin'ny Ligy Nasionaly ho an'ny Demaokrasia eo amin'ny fitondrana, nanambara fanjakana latsaka an-katerena ny miaramila ary nanangana governemanta vaovao, dia ny Filankevi-pitantanan'ny Fanjakana (SAC), izay nanendren'ny Tatmadaw (tafika mitam-piadiana) ireo mpikambana ao aminy.

Saingy notoherin'ireo [3] olom-pirenena voakasika avy hatrany izay nanangana hetsi-panoherana sivily ny fitondran'ny miaramila ary nitaky ny hamerenana amin'ny laoniny ny fitondrana sivily. Tamin'ny herintaona, maherin'ny 1.500 no namoy ny ainy [4] ary efa ho 12.000 no voasambotra noho ny fanoherana ny fitondrana miaramila.

Mba hialana amin'ny fisamborana mandritra ny fihetsiketsehana, dia nikarakara ‘fitokonana mangina’ ireo hery mpanohana ny demokrasia tamin'ny 24 Martsa sy 10 Desambra 2021, tamin'ny fandrisihana ny olona hijanona ao an-tranony. Nandritra ny fitokonana, lasa tany foana ny tanàna nandritra ny ora maromaro, ary tsy nisy olona sy fiara intsony ny arabe.

Niezaka nanakana ny olona tsy hanatevin-daharana ny ‘fitokonana mangina’ tamin’ity taona ity ny fitondrana miaramila tamin’ny alalan'ny fisamborana [5]ireo tompona fivarotana izay nanambara fa tsy hiasa amin’ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva ny 1 febroary. Na dia teo aza ny ezaka nataon'izy ireo, olona an-tapitrisany no nisafidy [6] tsy hivoaka ivelan'ny trano nandritra ny tontolo andro.

‘Fitokonana mangina’ an-tsary amin'ny Twitter

Nisy hetsi-panoherana tselatra tsy fahita firy natao tao afovoan-tanànan'i Yangon minitra vitsy talohan'ny ‘fitokonana mangina’

Nanao hetsi-panoherana tselatra tao amin'ny tanàna ara-barotra ireo mpikambana ao amin'ny Komitin'ny Fitokonana Ankapobe manohitra ny Fitondrana miaramila ao Yangon tamin'ny Talata maraina talohan'ny nanombohan'ny “Fitokonana mangina” manerana ny firenena nanomboka tamin'ny 10 ora maraina.

Toy ny tanàna haolo ity lalambe be feno olona matetika any Yangon ity nandritra ny ‘fitokonana mangina’.

Yangon androany. Nahatonga ny olona tsy hivoaka eny an-dalana ny fitokonana mangina manohitra ny fanonganam-panjakana nitranga herintaona lasa izay

Na ireo mponina ao an-drenivohitra Naypyidaw sy ireo tanàna hafa ahitana miaramila marobe aza dia tsy tazana ivelan'ny tranon'izy ireo:

Foana ny lalana sy ny tanàna na dia tao amin'ny tanàna maro miaramila ao Pyin Oo Lwin sy Lewe ao Naypyidaw izay lasa fantatra hoe tanànan'ny miaramila aza.

Mijery ny “Fitokonana Mangina” ny olona manerana ny firenena mba hahatsiaro ny fanonganam-panjakana tsy misy indrafo nitranga tamin'ny 01 Feb 2021.

Voatery nisokatra ny tsena sasany noho ny tahotra ny valifaty, saingy tsy nisy mpanjifa:

Na dia noterena hanokatra ireo tsenakely aza ireo mpivarotra, dia tsy misy mpividy ary na ireo mpivarotra aza dia tsy hita tamin'ireo fivarotany tao amin'ny tsenan'ny Thiri Mingalar any Yangon, 01 Febroary 2022.

Nilaza ny Hetsika tsy fankatoavana sivily fa nahomby ny ‘fitokonana mangina’

Mijery ny #SilentStrike [17] ny tanàna rehetra ao amin'ny firenena – na lehibe izany na kely. Na dia eo aza ny fandrahonana sy ny herisetra tsy mifandanja, dia tsy nahomby ny SAC.

Manome topimaso momba ireo tanàna nanaovana ny ‘fitokonana mangina’ ity sary ity

Na dia eo aza ny fakana an-keriny, ny fandrahonana sy ny fandrobana fananana, dia nasehon’ny vahoakantsika tamin’izao tontolo izao indray fa mbola mihantsy sy miondrika hiady amin’ny fitondrana miaramila hatramin’ny farany izy ireo!

Nizara sarintany mampiseho ny halehiben'ny fihetsiketsehana manerana ny firenena ny mpitarika ny mpanohitra iray:

‘Fitokonana mangina’ manerana ny firenena ao Myanmar hanamarihana ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana

Nanatevin-daharana ny ‘fitokonana mangina’ ihany koa ireo mpitsoa-ponenana Rohingya  ao Bangladesh, izay nafindra toerana avy any Myanmar noho ny hetsiky ny miaramila.

Ao amin'ny “Silent Strike and Red Campaign (Fitokonana Mangina sy Fanentanana Mena)” fanao isan-taona, mandray anjara avy eny amin'ny tobin'ny mpitsoa-ponenana ao Bangladesh ny Mpitsoa-ponenana Rohingya.

Niresadresaka [37] tamin'ny mponina iray teo an-toerana momba ny fandraisany anjara tamin'ny fitokonana ny Human Rights Foundation of Monland:

I found that places which are usually bustling with people have fallen silent today. I saw some strangers join the pro-military rallies in the morning but now they are gone. There are very few cars on the roads. Most shops are closed, some on the main street are open…I feel like this is the safest way to express opposition to the illegal coup group.

Hitako fa lasa mangina ny toerana izay mazàna be olona. Nahita olon-tsy fantatra nanatevin-daharana ny famoriam-bahoaka mpomba ny miaramila aho ny maraina, saingy tsy hita intsony izy ireo izao. Vitsy ny fiara eny an-dalana. Nikatona ny ankamaroan'ny fivarotana, misokatra ny sasany manamorona arabe… Tsapako fa ity no fomba azo antoka indrindra hanehoana ny fanoherana ny vondrona mpanongam-panjakana tsy ara-dalàna.

Taorian'ny fitokonana nifarana tamin'ny 4 ora hariva, nanomboka nitehaka mafy dia mafy avy tao an-tranony ny vahoaka, ​​araka ny voarakitry ny Mizzima News.

Nisy [38] ny famoriam-bahoaka mpomba ny miaramila natao nandritra ny tsingerintaonan'ny fanonganam-panjakana ary navelan'ny manam-pahefana izy ireo na dia teo aza ny didy aman-dalàna mandràra ny fivoriam-bahoaka.

Nohalavain’ny [39] fitondrana miaramila mandritra ny enim-bolana indray ny fanjakana latsaka an-katerena izay maneho taratra ny tsy fahombiazany nandresy lahatra ny ankamaroan’ny vahoaka hanaiky ny fahefany hitantana ny firenena. Mamerina ny fihetseham-pon'ireo izay manohy mitsipaka ny governemanta miaramila ity lahatsoratra [40] avy amin'ny The Irrawaddy ity:

This is not just a pro-democracy movement: The people are determined that the era of recurring dictatorial regimes must end once and for all; they know that each day under a military junta is a day in hell.

The people have refused to allow themselves to once again become slaves of the military, and will never give up.

Tsy vitan’ny hoe hetsika mpomba ny demaokrasia izany: Tapa-kevitra ny vahoaka fa tsy maintsy faranana tanteraka ny vanim-potoanan’ny fitondrana jadona miverimberina; fantatr'izy ireo fa andro ao anatin'ny helo ny andro tsirairay eo ambany fitondrana miaramila.

Tsy nanaiky ny ho lasa andevon’ny miaramila indray ny vahoaka, ary tsy ho kivy mihitsy.