- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Peng Shuai, ilay kintan'ny tennis sy ny Profesora Gulnar Obul: avy any am-pahababoana dia lasa mpilalao sarimihetsika

Sokajy: Shina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanatanjahantena, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Lalao Olaimpika, Ny Tetezana - The Bridge, When athletics are political: The other side of Beijing 2022

Peng Shuai tamin'ny 2017. Tompon'ny sary: JC ao amin'ny Flickr [1]. (CC BY-SA 2.0 [2])

Samy hafa ny tantaram-piainan'ilay kintan'ny tennis, Peng Shuai, [3] sy ny an'ny Profesora Gulnar Obul [4], nefa somary mitovitovy ny fizotry ny tantaran-dry zareo, indrindra fa ny fiovàna goavana tao anatin'izay nambaran-dry zareo taorian'ny fisehoany ho hitan'ny rehetra indray. Porofoin'ilay fitovitoviana fa afaka miova amin'ny fomba feno misitery ireo olompirenena, avy amin'ny fahababoana dia lasa mpilalao sarimihetsika.

Tamin'ny Novambra 2021, tsy hita nandritra ny  [5] 15 andro i Peng Shuai taorian'ny namoahany lahatsoratra [6] iray manambany an'i Zhang Gaoli, praiminisitra lefitra taloha tao Shina. Araka ny pikantsary avy amin'izay lahatsoratra izay, nampangain'ilay tompondakan'ny tennis i Zhang ho nanao tsindry taminy, telo taona lasa izay, mba hiray ara-nofo taminy tany an-tranony.

Ny Septambra 2018, Gulnar Obul, profesora iray ao amin'ny anjerimanontolo Kashgar ao Xinjiang, dia tsy hita [7] ary nanjavona tao amin'ny tranonkalan'ny anjerimanontolo nandritra ny volana roa taorian'ny antsafa iray [8]nanambany ny gazetiboky an'ilay ivontoerana Fikarohana Ara-Toekarena miorina ao Beijing, ka tao anatin'izany no namaritany ho toy ny “tafahoatra loatra” ny fampielezankevitra ataon'i Shina amin'ireo mpanao an-tendro ara-pivavahana any amin'ny faritra Uyghur, sy nilazàny fa “Tsy … ho azo atao mihitsy ny hametraka ny olana rehetra [any amin'ny Faritra Uyghur Mizakatena ao Xinjiang] ho anaty kitapo iray lehibe miaraka amin'ireo hery mpanao an-tendro ara-pivavahana.”

Rehefa nihahenjana ny famoretana an'ireo Uyghur, dia notondroina ho tomponandraikitra Uyghur “mahay roa” izy ary nampangaina ho manohana ampahibemaso ny fitondran'ny Antoko Kaominisita ao amin'ilay faritra nefa sady maneho hasosorana any an-katakonana manohitra ny pôlitikam-panjakàna.

Talohan'ny nanjavonany,  nilaza i [9] Peng Shuai fa “… tsy olana na ho atody miady amam-bato aza aho, na ho lolo mitono tena; milaza ny marina aho momba izay mitranga eo amintsika.”

Gulnar Obul koa efa nahita mialoha [10] ny mety ho famaizana hihatra aminy aoriana ao, tamin'ny filazàna hoe, “Ny Fanoherana hevitra amina fitaovam-piadiana, fa tsy amin'ny hevitra, dia tsy hoe fotsiny mariky ny fahalemena, fa mariky ny habibiana.” Araka ny efa novinavinainy, nalaina izy tamin'ny Septambra 2018 ary nentina [11] ho amina toby iray, nosaronana sarontava mainty ny lohany. Nanao fanadihadiana momba izay niafaran'i Gulnar ny Radio Free Asia, ary nisy manampahefana iray avy amin'ny anjerimanontolo nilaza [12] fa izy no “iray amin'ireo profesora efatra notànana, telo herinandro lasa izao [izay] nampangaina ho “mahay roa” (misabaka) ”

Gulnar Obul tao Kashgar, saripika [12] tsy misy daty avy amin'ny Radio Free Asia, fampiasàna nahazoana alàlana.

Rehefa niresaka [13] nandritra ny tafa ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 1 Febroary 2021, nataon'ny governemantam-paritry ny Faritra Uyghur Mizakatena ao Xinjiang ,  nilaza i Gulnar Obul fa tsy azo babo izany izy fa nanely tsaho ireo mpitaky fizakantena mba hampitahorana an'i Shina.

Koa satria niverina nipoitra indray [14] ho hitan'ny rehetra tao amin'ny fahitalavitra i Gulnar Obul ary nandiso ireo honohono momba ny fitazonana azy, nipoitra tampoka tamin'ny fahitalavitra koa i Peng Shuai taorian'ny nahitàn'ny mpampahalala vaovao erantany ny fanjavonany, ary dia nihetsika [15] ny Fikambanan'ireo Vehivavy mpilalao Tennis (WTA).

Nanova izay efa nambarany tany aloha ihany koa i Peng Shuai rehefa niresaka tamin'i Lianhe Zaabao [16], tamin'ny filazana fa “resaka tsy nifankahazo [17]” ilay lahatsoratra tao amin'ny media sôsialiny ary “resaka [momba ny] fiainany manokana iny, [ary] [tsy tokony hisy] fandikàna vilana.”

Mazava be, zotra iray ihany no izoran'ny tantaran'i Peng Shuai sy ny an'i Gulnar Obul. Tsy tokony ho gaga izao tontolo izao raha toa nandritra ny lanonana fanokafana ny Lalao Olaimpika fanao amin'ny Ririnina ao Beijing,  i Peng Shuai  no nilanja tery aloha ny afon'ny lalao, satria taorian'ny niverenan'i Gulnar Obul, niteny [18] tao amin'ny fivoriana ara-potoana faha-47 nataon'ny Filankevitra momba ny Zon'Olombelona izy ary nivarotra (namafy) ireo andalana tohanan'i Beijing manamafy fa ireo Uyghurs ao Xinjiang no “Miozolmana sambatra indrindra eto an-tany [19].”

Lavin'i [20] Peng Shuai ankehitriny ilay herisetra ara-nofo nambarany tany am-boalohany, tamin'ny filazana fa, “Momba ireo vaovao nivoaka tato ho ato tamin'ny tranonkalan'ny WTA, dia tsy voamarina ilay votoaty na hoe nohamarinin'izy tenany mihitsy, ary navoaka tsy nisy ny fankatoavana avy aminy akory.” Tsy mahagaga raha toa ka lazaina fa “hery mpankahala tandrefana sy be fialonana ny firoboroboan'i Shina” ireo olontsotra sy fikambanana niasa saina momba izay nahazo an'i Peng Shuai, satria ity toedraharaha ity dia mitovitovy amin'ny fotoana nitenenan'i Gulnar Obul tamina kaonferansa isankarazany, isan'ireny ny teo amin'ny sehatry ny Firenena Mikambana tamin'ny Jona 2021, fony izy nijoro vavolombelona [21] fa tena ilaina maika “ireo ivontoerana fanofanana arak'asa” mba  “hamongorana ny fanaovana an-tendro ara-pinoana satria ireo hery mpampisara-bazana avy any ampitan-dranomasina, toy ny WUC dia mamafy [ny] voan'ny asa fampihorohoroana.” Na teo aza ny antsafa nataony ho an'ny Ivontoerana Fikarohana ara-Toekarena, nilaza [8] ampahibemaso i Gulnar Obul fa “ireo Uyghurs mihitsy no nandefa fampielezankevitra iray manohitra ny fanaovana an-tendro ara-pivavahana, 70 taona lasa izay, ary nahita fahombiazana. Tsy nila ny firotsahana an-tsehatry ny fanjakana [ry zareo].”

Asehon'ny fizotry ny tantara fa ny androany lalovan'i Gulnar Obul no rahampitson'i Peng Shuai; vetivety ny zavanisy niainan'i [21] Gulnar Obul dia lasa ho ny zavamisy iainan'i Peng Shuai. Mety ho asondrotra amina toerana ofisialy iray i  Peng Shuai ato ho ato, tahaka an'i Gulnar nakarina ho filoha lefitry ny Fikambanana ho an'ny Siansa sy Teknôlôjia ao Xinjiang, taorian'ny namotsorana azy.

Saingy izy roa dia samy tsy ilay kintan'ny tennis, na ilay profesora tany am-piandohana intsony rehefa eny ambony sehatra; efa mpilalao sarimihetsika (politika) sisa ry zareo. Na iza no miteny, [22] tsy i Peng Shuai, na i Gulnar Obul io, fa ny rafitra shinoa. Tahaka izao no fanenon'ny hafatra: “Aza asiana fisalasalàna ny maha-ara-drariny anay; izahay foana no ho izahay ary tsy maintsy hanohy hatrany ho eo an-tsorok'ireo olona tsy manantsiny.”