- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Anjorom-bala ireo Musahars ao Nepal

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Mediam-bahoaka, Politika, Teratany, Voina, Zon'olombelona, COVID-19
Musahars in Mahottari warm themselves by a fire. Image by the author. Used with permission. [1]

Musahars ao Mahottari, manafàna tena akaikin'ny afo iray. Sary an'ny mpanoratra. Nahazoana alàlana.

Ity lahatsoratr'i Rakesh Prasad Chaudhary ity dia navoaka voalohany tao amin'ny The Record (Nepal) [1]; dika iray nokiraina no naverina navoaka etsy ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana mifampizara votoaty amin'ny Global Voices.

Amin'ny 6 ora maraina, tonga ao Khaira any amin'ny faripiadidian'i Jaleshwor, distrikan'i Mahottari ao Nepal i Chhathu Majhi, 52 taona, avy any amin'ny vohitr'i Bhitta ao Bihar. Miaraka amin'ireo lehilahy sy vehivavy maro hafa avy amin'ny vondrompiarahamonina Musahar, nandeha i Majhi nankany Mahendra Chowk ao Jaleshwor, fantatra ihany koa amin'ny hoe Labour Chowk, toerana itadiavany asa hahazoana vola isanandro. Rehefa tonga ny hariva, manala roa kilaometatra i Majh sy ireo namany hafa rehefa hody ka mamakivaky ny sisintany. Ireo Musahars [2] dia vondrompiarahamonina Dalit [3] hita any amin'ny faritra atsinanan'i Terai [4] ao Nepal ary misedra fahasahiranana vokatry ny fisian'ny valanaretina COVID-19 amin'izao fotoana izao.

Ao amin'ny sisintany iraisan'i Nepal sy India ao amin'ny distrikan'i Mahottari, any amin'ny lafy nepaley no misy ny vohitr'i Khaira, raha i Bhitta kosa any amin'ny lafy indiàna. Any amin'ireo vohitra ireo no mipetraka ny vondrompiarahamonina Musahar, izay misy fifandraisana ara-pianakaviana sy rohim-pihavanana. Zavatra mahazatra an'ireo Musahars Indiàna ny miditra ao Nepal mitady asa ary ireo Nepaley koa manao toy izany any India noho ny fisokafan'ny sisintany mampisaraka ny firenena roa tonta.

Misy olona eo amin'ny 2,5 tapitrisa eo ao anatin'ny vondrompiarahamonin'ireo Musahars ao Nepal sy ao amin'ny fanjakàna indiàna ao Bihar. Ao Tarai any Nepal, ry zareo Chamars [5] no tena maro ao anatin'ny vondrompiarahamonina Dalit,  manaraka azy ny Musahars ary avy eo ny Dusadh/Paswans [6]. Na eo aza ny habetsahan'ny olona ao anatiny, ry Musahars no mbola mijanona ho iray amin'ireo vondrompiarahamonina tena atao an-jorom-bala indrindra, [7] na ao Nepal, na ao India. Araka ny tatitra iray avy amin'ny ILO, “Ireo Dalits sy ny Asa ao Nepal: Fanavakavahana sy Asa an-Terivozona” [8] [Ang.], eny anivon'ireo Dalits ao Tarai, fahatelo alohan'ny farany no laharana misy ireo Musahars ao anatin'y filaharam-pahambonian'ny vondrompiarahamonina, arahan'ny Halkhor sy ny Dom. Ny avo razana indrindra ao anatin'ny filaharam-pahamboniana Dalit any Tarai dia ny Dusadh (Paswan), arahan'ny Tatma, Khatwe, Dhobi, Chamar, Batara, ary Parmadiya.

Tao anatin'ny fanisàmbahoaka [9] 2021, faharoa avy any amin'ny farany ry zareo  Musahars raha resaka fahaizana mamaky teny sy manoratra, manodidina ny 20 isanjato eo monja, aorian'ny vondrompiarahamonina Dom. Ny ankamaroan'ny ao anatin'ilay vondrompiarahamonina dia tsy manana tany [10] ary mbola mizaka hatrany ny vokatry ny “tsy azo kitihana” [11] sy ny fanavakavahana foko, hoy i Sijendra Sada, Musahar iray mpikatroka. Na ny anaran-dry zareo aza, Musahar na mpihinana voalavo, dia efa manao sarinteny amin'ny toerana misy azy ireo ao anatin'ny fiarahamonina.

Ho an'i Pramod Sada, mpikatroka iray avy ao amin'ny distrikan'i Siraha ao Nepal,  mitohy miatrika fanilikilhana ireo Musahars amin'ny fiainany andavanandro, isan'ireny ny hoe “tsy azo kitihana” satria Dalits. Rehefa mba mitaky ny rariny vokatr'ireo fanavakavahana ara-poko sy ireo endriny hafa, matetika ny fahorian-dry zareo no odian'ireo lazaina fa saranga ambony [12].

Ohatra, ao amin'ny vohitr'i Madhwa ao amin'ny distrikan'i Mahottari, misy kaomitin'ny mpanjifa tsy maintsy najoro mba hanohy ireo fantsona mpamatsy rano madio fisotro. Na dia voakasika betsaka amin'ny resaka rano madio fisotro aza ireo mpikambana ao anatin'ny vondrompiarahamonina Musahar, nisy lehilahy Brahmin [13] iray notendrena ho filohan'ilay vondrompiarahamonina. Na amin'izao fotoana aza, tsy afa-mitaky ny zony ireo Musahars, hoy i Suresh Thakur, mpikatroka ho an'ny sôsialy.

Many members of the Musahar community live in slums. Image by the author. Used with permission. [1]

Marobe ireo avy amin'ny vondrompiarahamonina Musahar no mipetraka anaty trano tsizarizazy. Sary an'ny mpanoratra. Nahazoana alàlalana.

Any ambadiky ny sisintany ao India, somary mba tsaratsara kokoa ho an'ny  Musahars ny zavatra rehetra. Na mbola iharan'ny fanavakavahana aza ry zareo dia afaka mahazo fanampiana amin'ny governemantam-panjakana. Ao Nepal,  miatrika fahasahiranana [14] ireo Musahars, eny fa na dia ny fahazoana karatra maha-olompirenena aza.

Na izany aza, mbola an-jorom-bàla hatrany ry zareo Musahars eo amin'ny sehatra pôlitika, na ao India na ao Nepal. Ao India, toerana iray amin'ny efatra ao amin'ny vohitra panchayats [15] no voatokana ho an'ny Harijans, izany hoe ireo Dalits. Na eo aza ny fifandaminana tahàka izany, tena sarotra ny hahita Musahar mukhiyas [16] (mpitarika ny vondrompiarahamonina) na sarpanchs [17] (mpandray fanapahankevitra). Nandritra ny fifidianana panchayat 2021 tao am-bohitra [18], tamin'ireo mukhiya sy sarpanchs niisa 8.072, toerana 91 sy 1.342 no natokana ho an'ireo Dalits sy Saranga Voarakitra. Sangy zara raha nisy ny isan'ireo avy tao amin'ny vondron'olona Musahar nandresy nahazo ireny toerana ireny.

Ao Nepal, tsy misy hafa amin'izany ny toedraharaha misy an'ireo Musahars. Sarotra ny hahita sefo na lefitry ny sefo any amin'ireo faripiadidiana ambanivohitra ka hoe avy amin'ny vondrompiarahamonina Musahar. Tamin'ireo fifidianana ifotony natao tamin'ny 2017, Dalits enina monja no voafidy ho ben'ny tanàna ary 11 lefitry ny ben'ny tanàna, hoy ny [19] Orina Samata, fikambanana tsy mikatsaka tombony ara-bola sy mandresy lahatra misolo vava ireo olona atao an-jorom-bàla. Na manome ny 13% mahery amin'ny isan'ny vahoaka aza ry zareo Dalits, 19 monja amin'ireo mpikambana 275 ao amin'ny Antenimiera no [20] Dalits. Azo tsinontsinoavina [21] ny fifandanjan'ny Musahars anatin'ireo.

Amin'ny sehatry ny fambolena no tena miasa ny vondrompiarahamonina Mushar. Saingy ny fitontongan'ny [22] asa fambolena ao Nepal sy Bihar dia nanosika azy ireo hifindra hiasa an-toerana hafa. Na atrehany aza ireo olana amin'ny fanabeazana, fahasalamàna, asa ary ny fahazoana ny rariny, nanomboka nifindra monina nankany Qatar, Malezia ary Arabia Saodita ireo Musahars Nepaley mba hahita asa. Nefa ny ankamaroan'ireo Musahars dia mbola ampiasaina ao Haryana sy Punjab any India, toerana anaovan-dry zareo ny asa eny ambanivohitra indrindra indrindra. Ireo ankizy Musahar koa dia miasa eny amin'ireo tsenan'ny asa ao Delhi, Mumbai, Chennai, ary Calcutta. Tsy misy hafa amin'izay, marobe ireo Musahars indiàna no tonga any Nepal hiasa, mahita asa toy ny mpanao sarak'antsaha sy any amn'ny fanamboarana biriky.

Indrisy anefa, vao mainka nanosika [23] ireo Musahars hivoaka lavidavitra kokoa ny vala ny valanaretina COVID-19. Ny “tsy fikitika” sy ny fanavakavahana saranga dia tsy mitsahatra [24] atao amin'ireo mpikambana anatin'ny vondrompiarahamonina Dalits, indrindra fa ny Musahars, amin'ny fihibohana ataon'ny governemanta. Tamin'ny 2020, nandritra ny fihibohana,  matin'ny hanoanana [25] i Malar Sada avy ao Saptari. Na ohatra aza ka zaraina amin'ny alàlan'ny biraon'ny paroasy ny sakafo, tsy tonga [26] any amin'ireo Musahars marobe izy ireny ary, na tonga aza, lany ao anatin'ny herinandro iray monja.

Nangataka fanampiana ara-bola na fampindramana avy amin'ny governemanta ireo vondrompiarahamonina Dalit, saingy tsy nisy mpihaino. Maro ireo Dalits no maty, tsy vokatry ny hanoanana fotsiny, fa koa vokatry ny tsy fananana vola hitsaboana tena. Raju Sada dia maty [27] tany am-pihibohana rehefa tsy afaka nahazo fitsaboana ny aretim-pivalanana.

A Musahar woman from Anaitha village in Mahottari prepares food using firewood. Image by the author. Used with permission. [1]

Vehivavy Musahar iray avy ao amin'ny vohitra Anaitha ao Mahottari, manomana sakafo amin'ny fampiasàna kitay fandrehitra. Sary an'ny mpanoratra. Nahazoana alàlana.

Araka ny tatitra iray [28] avy amin'ny Orina Samata momba ny fiantraikan'ny COVID-19 tamin'ny vondrompiarahamonina Dalit, amin'ireo Dalits 1.500 tratra antso nanerana ny firenena, 82% no nilaza fahasahiranana ara-bola ary 45% no  very asa. 52% no voalaza fa miatrika olana ara-tsakafo. Na mbola tsy misy azo raisina aza ny antontanisa mitsipotipotika, azo eritreretina hoe voakasik'ireny tranga ireny ihany koa amin'ny endriny tsy mifandanja ry zareo Musahars.

Nandritra ny fandalovan'ny valanaretina tao Bihar, nisy ny fizaràna sakafo natolotra an'ireo saranga voarakitra sy ny mahantra. Nandritra ny vanimpotoana nihibohana, nametrahan'ny [29] governemanta vola INR 1,000 (USD 13.35) ny kaontin-dry zareo tany amin'ny banky. Tsy mba nahazo ny tombontsoa tahaka izany ireo Dalits Nepaley, na dia izy ireo aza no tena tandindonin-doza kokoa.