- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voasakana tsy hiditra tao Mozambika ny teratany Nizeriana iray, namelona indray ny adihevitra momba ny fivezivezena aty Afrika

Sokajy: Afrika Mainty, Mozambika, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Tsidika

 

Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena ao Maputo. [1] Sary: Wikimedia nampiasana lisansa CC BY-SA 2.0 [2]

Nahatonga ny fivezivezen’ny olona ho ivon'ny adihevitra ho an’ny besinimaro any Afrika ny valan’aretina COVID-19. Noho ny fepetram-pandehanana lavitra sy ny famerana isan-karazany isa-pirenena no nahatonga izany. Vao haingana, nampitombo ny fiampangana [3] fanavakavaham-bolon-koditra sy ny nasionalisma tafahoatra ny famerana ny fivezivezena tany amin'ny firenena sasany any amin'ny faritra atsimon'i Afrika.

Tsy nisy hafa tamin’izany no niseho hatramin'ny nipoiran'ny valan'aretina tao Mozambika. Tamin'ny volana marsa 2020 indrindra no niseho ny tranga voalohany, tamin'ny nametrahan'ny manam-pahefana eo an-toerana [4] famerana amin'ny fomba ahafahan'ny olona miditra ao amin'ny firenena fa mitaky ihany koa ny fanaovana fitiliana sy fanokanan-toerana, fa tsy ny fanaovana vaksiny.

Na izany aza, ny taona 2022, nahatonga tatitra fanaovana tsinontsinona ataon'ny manampahefana ao amin'ny firenena ny adihevitra momba ny fameperana. Nitranga tamin'ny 23 Janoary [5] ny ohatra farany indrindra, rehefa nosakanana tsy hiditra ao Mozambika ilay teratany Nizeriana Pamela Aide.

Nilaza ny manampahefana fa tsy manana antontan-taratasy hidirana ny firenena izy. Fanampin'izany, tsy nahazo visa izy teo am-pahatongavana, mifanohitra tamin'ny fampahalalana azony avy amin'ny sampan-draharahan’ny fifindra-monina ao amin'ny fireneny.

Rehefa tonga tany Mozambika, nilaza ny manam-pahefana misahana ny fifindra-monina fa mila taratasy fanasana sy fanondroana ny momba ny toerana hipetrahany izy. Rehefa nampodiana i Pamela dia nanapa-kevitra ny hamoaka ny raharaha tao amin'ny Twitter ary nahazo fampitan-tsioka maherin'ny 9.000, fanehoan-kevitra maherin'ny 1.000 ary tiako mihoatra ny 15.000. Mitantara eto i Pamela Aide:

Nandao an'i Lagos nankany Mozambika aho tamin'ny herinandro lasa. Nikasa ny ho any nandritra ny herinandro teo ho eo aho ary hiverina any Nizeria. Tahaka ny ataoko foana alohan'ny dia, nanao fikarohana momba ny dia sy ny momba ny visa aho. Ny fahazoana visa any am-pahatongavana no hitako tao ho an'ny olom-pirenena Nizeriana.

Ny tena ratsy indrindra, tsy fantatro hoe aiza no hametrahana ny fitarainako momba ity tsy rariny nihatra tamiko ity. Ny tambajotra sosialy hampanenoana ny fanairana sy hampitandremana ny hafa izay mety te hitsidika ity firenena mampijaly ity no ananako ankehitriny. #Mozambika [7]

Mozambikana maro no nahatsikaritra ny adihevitra, izay nanameloka ny fihetsiky ny manampahefana misahana ny fifindra-monina, naneho firaisankina tamin'ilay mpandeha.

Vao haingana aho no nahita andiam-panehoan-kevitra momba ny zavatra nampalahelo hafa nataon’ny sampan-draharahan’ny fifindra-monina Mozambikana ary tsy manan-kambara firy aho. Mampalahelo fa misy olona mandalo tranga manahirana toy izany rehefa hitsidika an’i #Mozambika [7].

🥺🥺 ny mampalahelo dia (imbetsaka) no nahitako toy izany, tena mahasorena. Moz(ambikana) aho, ary saika tsy nahazo aho rehefa niezaka nanampy olona. toa tsy natao afa-tsy ho an'ny mpandeha avy any Etazonia na Eoropa ihany ny visa eo am-pahatongavana! https://t.co/4zyR1kTsfo [10]

Nandeha lavidavitra ny sasany amin'ireo mpisera tamin'ny fanondroana ny lisitr'ireo firenena hiheveran’azy ireo ho ao anatin'ny ”lisitra mainty”:

Toerana tsy tsara hotsidihin’ny Nizeriana.

  1. Afrika Atsimo
  2. Ogandà ( Tsarovy ny nisamborana an'i Tems)
  3. Mozambika ( Ataovy anatra ity tranga ity)
  4. Raha ny marina, aza mitsidika firenena afrikana, tsara kokoa ny mitsidika firenena Eoropeana misy fanavakavaham-bolon-koditra nefa misy fahafahana bebe kokoa.

Tao anat fanehoan-kevitra, nipoitra ny adihevitra [13] momba ny fahasahiranana manodidina ny dia ao anatin'ny kaontinanta, izay matetika ahitana ny fitakiana antontan-taratasy mananosaro-javatra izay manakana ny fivezivezen’ny Afrikana anatiny.

Mampahery anao aho tamin’ny zava-nitranga taminao. Io no iray amin'ireo olana lehibe indrindra amin'ny fivezivezena manerana an'i Afrika rehefa Afrikana. Sarotra tokoa ny mahazo ny vaovao ilaina ary ny ankamaroan'ny tompon'andraikitra dia tsy ampy fahaizana firy amin’ny fomba fandraisana ny mpizaha tany.

Antenaiko mihitsy ny hiovan'i Afrika!

Izany no antony tsy maintsy ianarantsika Afrikana ny teorian'ny volonkoditra avy amin'ny Mainty any ampielezana. Avy amin'ny fanjanahantany mivantana ny fanjakam-birao tsy voatery ilaina hita any amin'ny biraom-panjakana. Misaotra tamin'ny hafatrao sy ny valiny mahasoa azonao.

Araka ny zava-niseho dia nisy ny olom-pirenena namoaka vahaolana ka nipoitra ny tolo-kevitra, toy ny nataon'ireo nanolotra fanampiana ho an'ireo izay te handeha ho any Mozambika amin'ny manaraka:

Amin'ny maha-Mozambikana ahy, malahelo aho amin’izao nitranga taminao izao. Ambasadaoron'i Mozambika teo aloha ny raiko ka raha mieritreritra ny hiverina any Mozambika ianao, miangavy re, aza misalasala mifandray amiko ary hataoko azo antoka ny hahatonga ny dianao mankaty Mozambika hahafinaritra. Mbola miala tsiny hatrany aho