Tamin'ny taom-pifidianana iray, nihena ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety any Angola

Tamin'ny volana Aprily 2021, nandidy ny fampiatoana ny asan'ny TV Record África ao amin'ny firenena ny governemanta Angola, noho ny tsy fanarahan-dalàna. Sary: Giovana Fleck/Global Voices

Hanatontosa fifidianana volana Aogositra 2022 izay hananganana ny Parlemanta vaovao sy ny filohan'ny Repoblika i Angola. Voafidy tamin'ny taona 2017 ny Filoham-panjakana ankehitriny, João Lourenço, avy ao amin'ny antoko Hetsi-bahoaka ho an'ny Fanafahana an'i Angola (MPLA). Voafidy i Lourenço taorian'ny fametra-pialàn'ny teo alohany, José Eduardo dos Santos rehefa teo amin'ny fahefana nandritra ny 30 taona mahery.

Niorina tamin'ny taona 1956, nitantana an'i Angola hatramin'ny nahazoany ny fahaleovantenany tamin'i Portiogaly tamin'ny taona 1975 ny MPLA. Nanomboka teo dia izy no antoko lehibe indrindra ao amin'ny firenena, ka vokatr'izany, dia mifehy ny seha-pitantanana sy ny ara-tsosialy isan-karazany, anisan'izany ny media.

Nandritra ny fitondran'i José Eduardo dos Santos, noheverina ho firenena nandrahona ny fahalalaham-pitenenana sy ny asa fanaovan-gazety i Angola, indrindra indrindra noho ny fandraràna ny fihetsiketseham-bahoaka sy ny fisamborana ireo mpikatroka mpanohitra sy mpanao politika.

Iray amin'ireo tranga marika, izay noraketin'ny Global Voices [mg] tamin'ny taona 2016, ny nitazonana ilay mpikatroka 17 taona rehefa avy niresaka momba ny boky iray izay noheverin'ny governemanta teo aloha ho “fitaovam-piadiana”. Navotsotra izy ireo volana vitsivitsy tatỳ aoriana.

Nanantena fiovana ireo mpifidy tamin’izy ireo nifidy ny filoham-pirenena ankehitriny tamin’ny taona 2017. Na dia toa nampanantena aza izy tamin’ny voalohany nanombohany ny fe-potoam-piasany, dia hita fa nitovy hatrany ny fotoana nitondrany. Mbola tsy manana zo hanao fihetsiketsehana sy mbola miatrika fisamborana sy fanagadrana tsy ara-drariny ny olom-pirenena eo ambany fitondrany.

Fahalalahana fototra amin'ny taom-pifidianana

Nahitana fihenjanana nanomboka tamin'ny fifidianana tamin'ny taona 2017 tao Angola, voamariky ny fihetsiketsehana sy ny fifandirana ara-politika. Nidina an-dalambe ny vahoaka tamin'ny taona 2021 taorian'ny nankatoavana ny lalàm-pifidianana, na dia mbola tsy nisy marimaritra iraisana aza teo amin’ ireo mpisehatra ara-politika lehibe ao amin'ny firenena.

Ankoatra ny hetsi-panoherana, niharan'ny fahasahiranana ihany koa ny fampahalalam-baovao (anjakan'ny fanjakana Angola), indrindra amin'ny fantsom-pahitalavitra sy gazety izay miely patrana. Misy ifandraisany amin'ny fampiatoana ny fantsom-pahitalavitra tsy miankina niasa teto amin'ny firenena ity tranga farany indrindra ity.

Nanomboka tamin'ny volana Aprily 2021 ny tranga voalohany rehefa nanobe baiko ny fampiatoana ny asan'ny TV Record Africa ao amin'ny firenena ny governemanta Angola, noho ny tsy fanarahan-dalàna. Iray amin'ireo vondrona fahitalavitra ara-barotra lehibe indrindra any Brezila ny Record. Nanamarina ny fampiatoana ny sampana TV Breziliana ny Minisiteran'ny Fifandraisandavitra, ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao ary ny Fifandraisana Sosialy (MINTTICS) tamin'ny filazana fa olom-pirenena “tsy nasionaly” ny tale mpanatanteraka azy.

Tamin'io fotoana io ihany, naato ihany koa ny vondrona media iray hafa, izay miasa amin'ny fantsom-pahitalavitra, antsoina hoe ZAP noho ny fiahiahiana ny tsy ara-dalàna amin'ny asany. Tamin’izany fotoana izany, nilaza ny manam-pahefana fa ny tombatombana nataon’io Minisitera io no nahafantarana fa nisy ireo gazety sy gazetiboky ary onjam-peo misoratra anarana eto amin’ny firenena, saingy tsy mahomby ny asany.

Ho setrin'izany, niantso ny governemanta hampitsahatra ny fampiatoana, miantso ny mpanatanteraka hampitsahatra ny fanenjehana ny haino aman-jery mitsikera ny Governemanta i Angela Quintal, mpandrindra ny fandaharan'asan'ny Komitin'ny Fiarovana ny Mpanao Gazety (CPJ) eto Afrika:

Com a aproximação das eleições do próximo ano, o Presidente João Lourenço e a sua administração deveriam promover a pluralidade de perspetivas nos ‘media’ e assegurar que o Estado não tem o monopólio da informação crucial para o público tomar decisões fundamentadas.

Satria efa ho antomotra ny fifidianana amin'ny taona ho avy izao, tokony hampiroborobo ny fimaroam-pijery amin'ny haino aman-jery ny filoha João Lourenço sy ny fitantanan-draharahany ary miantoka fa tsy manao ampihimamba ny vaovao manan-danja ho an'ny vahoaka mba handray fanapahan-kevitra mazava ny fanjakana.

Tamin'ny Janoary 2022, nambara ihany nony farany fa havadika amin'ny fitantanam-panjakana ireo fantsona. Nitranga izany raha nanapa-kevitra ny Biraon'ny Fampanoavana fa ny fitantanana ny orinasa ZAP Media S.A sy Finstar dia tokony hatolotra ny Minisitera izay manara-maso ny haino aman-jery ao Angola, izay tsy maintsy miantoka ny famerenana indray ireo mpiasa voaroaka tao amin'ny fantsona.

Tamin'ny tatitra nataony vao haingana momba an'i Angola, nisarika ny saina manoloana ny fitomboan'isan'ny fanitsakitsahana ny fahalalahana fototra ao Angola, izay mifantoka amin'ny sehatrasa fanaovan-gazety ny Human Rights Watch.

O Comité de Protecção dos Jornalistas, CPJ, relatou pelo menos seis outros casos de queixas por difamação criminal contra jornalistas em Angola desde Março de 2021. Milhões de angolanos em todo o país continuam a ter acesso a informação livre, diversa e imparcial, uma vez que Angola continuou a ser o único país da África Austral sem estações de rádio comunitárias.

Nitatitra tranga enina farafahakeliny tamin'ny fitoriana mpanao gazety any Angola amin'ny fanalam-baraka nanomboka tamin'ny volana marsa 2021 ny Komity Fiarovana Mpanao Gazety, CPJ. Angoley an-tapitrisany manerana ny firenena no mbola mahazo vaovao malalaka sy samihafa ary tsy mitongilana satria i Angola irery ihany no mbola firenena atsimon'i Afrika tsy manana onjam-peon'ny fiarahamonina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.