- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nataon'ny praiminisitra Zeorziana fanomezana ho an'ny vadiny ny ampahany tamin'ny alan'ny fanjakana

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Zeorzia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana

Sarin'ny praiminisitra ao Zeorzia, Irakli Gharibashvili niresaka [1] tao amin'ny Adihevitra Ankapoben'ny Firenena Mikambana, Fivoriana faha-76, Fantsona YouTube Firenena Mikambana [2].

Navoaka voalohany tao [3] amin'ny OC Media ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray ny lahatsoratra nasiam-panitsiana izay anisan’ny fifanarahana fiaraha-miasa fifampizarana votoaty.

Namindra [4] ny tanim-panjakana mirefy efa ho 5.960 metatra toradroa ho fananan’i Nunu Tamazashvili, vadin'ny praiminisitra Zeorziana Irakli Gharibashvili, tamin'ny 28 Desambra ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny rejisi-panjakana any Zeorzia. Ny sampan-draharaham-pirenena misahana ny ala no nanao ny fangatahana ary nahatezitra ny olom-pirenena sy ny mpiaro ny tontolo iainana maneran-tany.

Ny fahitalavitra Pirveli TV no nitatitra [5] voalohany ny famindrana, izay nilaza fa fanomezana taom-baovao nataon'i Gharibashvili ho an'ny vadiny ilay tany.

Ampahany amin'ny Alam-panjakana ao amin'ny kaominin'i Borjomi afovoan'i Georgia ilay tany [6].

Nitatitra i Pirveli fa mifanakaiky mivantana amin'ny trano namboarin'ilay fianakaviana ilay tany. Nilaza izy ireo fa efa voafefy tanteraka io toerana io teo aloha, afa-tsy ny ampahany mampitohy ny trano vaovao amin’ny ala, izay fa efa fantatra mialoha fa homena azy ireo ny tany araka ny nolazain’izy ireo.

Nofain’i Tamazashvili nandritra ny 49 taona ilay tany, ary handoavany GEL 6.256 (2.000 dolara) isan-taona. Araka ny fepetran'ny fanofana, afaka manangana “gazebo vonjimaika” ho an'ny “fanatanjahantena sy fialamboly” i Tamazashvili.

Anisan'ny fepetra maromaro ahafahan'ny ala arovana eo ambanin'ny Alam-panjakana Zeorziana azo hofaina amin'ny olon-kafa ny “toeram-ponenana, fialam-boly, fanatanjahan-tena, ary tanjona ara-kolontsaina sy fialamboly hafa”.

Ny 23 janoary teo dia namoaka fanambarana [7] tao amin'ny Facebook ny Sampan-draharaha misahana ny Ala nanizingizina fa nisy ny fanambarana fisokafan’ny lavanty ho an’ny daholobe ho an’ilay tany tamin'ny volana Desambra ary nahitana ny lisitry ny adidy ho an'ny tompon'ny fanofana izany.

Nilaza ihany koa ny sampan-draharaha fa nanofa 256 kilometatra toradroa tamin'ny Alam-panjakana izy ireo nanomboka tamin'ny taona 2021

Tsy vao sambany i Gharibashvili sy ny fianakaviany no voampanga ho nanararao-pahefana.

Praiminisitra teo aloha teo anelanelan'ny taona 2013–2015 i Gharibashvili, talohan'ny nialany tampoka tamin'ny toerany sy nitsaharany tamin’ny politika tamin'ny faramparan'ny taona 2015. Voatendry ho praiminisitra indray izy tamin'ny volana Febroary 2021.

Na dia tsy nanazava ny fialany tamin'ny politika aza izy tamin'izany fotoana izany dia niharihary fa  tsy faly [8] tamin'ny sasany tamin'ireo havan'i Gharibashvili, ary nilaza ankolaka ny mety hisian'ny kolikoly ny mpanolo-tsainy, izay Praiminisitra teo aloha sady mpanorina ny antoko Georgian Dream, Bidzina Ivanishvili.

Tamin'ny volana Aprily 2020, volana maromaro taorian'ny niverenany tamin'ny politika ho Minisitry ny Fiarovam-pirenena, nitatitra [9] ny onjam-peo Radio Free Europe fa tsy nahavita nanambara ny fanangonan'izy mivady ny famantaranandro lafo vidy i Gharibashvili, izay nihoatra ny GEL 500.000 (160.000 USD) ny sandany.

Very ala mirefy 500 kilaometatra toradroa ny Alam-panjakana Zeorziana tao anatin’ny dimy taona farany araka ny fanambarana an-gazety tamin'ny volana Novambra 2021 nataon'ny Tambajotran'ny ONG Caucasus Environmental (CENN) sy ny Foiben'ny Zon'Olombelona, ary ny Hetsika Maitso any Zeorzia.