Fanomezana voninahitra ny Andro Erantany ho an'ny Faritra Mando, ny ao Karaiba atao an-tsary

“Great Goat Island” (Nosin'ny Osy LEhibe) ao amin'ny morontsiraka atsimon'i Jamaika. Sary an'i Emma Lewis, nahazoana alàlana.

Ny Andro Erantany ho an'ny Faritra Mando, marihana isaky ny 2 Febroary — andro nandaniana ny Fifarahana momba ny Faritra Mando natao tao Ramsar, Iràna, tamin'ny 1971 — dia fankatoavana isantaona ny lanjan'ireo faritra mando eo amin'ny fiainana sy ny faharetan'ny planetantsika. Ny lohahevitra ho an'ny taona 2022 dia mifantoka amin'ny antso iray hirotsahana an-tsehatra amin'ny alàlan'ny fitondrantena, ny fikatrohana, ny fampiasambola, ary ny tohana ara-pôlitika, mba hiantohana fa ho voaverina amin'ny taloha sy ho voaaro tsy hiharan'ny fitohizan'ny fanimbàna ireo rohivoary tena sarobidy sy marefo any amin'ireo faritra mando erantany.

Na dia 10 isanjaton'ny velaran'izao tontolo izao monja aza no misy ireo faritra mando, tsy latsaky ny 40% amin'ireo kazaran-javamaniry sy biby rehetra misy no miaina sy mampitombo taranaka any. Ankoatra ny maha-loharanon-tsakafo azy ho an'ny olombelona sy ny biby, tena ain-dehiben'ny fampifandanjana ny toetrandro ireo faritra mando, satria mandray anjara amin'ny fandrindràna, fanivànana ary fitantànana ireny tondradrano ireny.

Any amin'ireo “Small Island Developing States (SIDS)” (Fanjakana Nosikely Andalam-pandrosoana) toa an'i Karaiba, izay iharan'ny dona tena henjana indrindra amin'ny fiovàn'ny toetrandro, dia ampahany tsy afaka misaraka amin'ny ady atao amin'ny fiakaran'ny maripàna erantany ireo faritra mando, amin'ny alàlan'ny fitazonana ho marin-toerana ireo entona miteraka hafanana sy fitazonana ny karbôna ao anatin'ireo ‘biomasse’ sy ny tany ao aminy (mitsika ny karbôna). Io na dia eo aza ny zavamisy hoe efa misy sahady lafy ratsy nentin'ny fiovan'ny toetrandro, isan'izany ny fidinan'ny haavon'ny rano madio fisotro, ny fandripahana ala ary ny fiakaran'ny haavon'ny ranomasina.

Indrisy anefa fa faritra mando maro any amin'ny faritra, toy ireo ala honko ao Trinidad & Tobago any amin'ny tendrony atsimon'ilay vondronosy, no tandindonin'ny fahalotoana sy sargassum (fivangogoana algues), izay ny fitomboany be dia mifamatotra amin'ny fiakaran'ny maripanan'ny ranomasina vokatry ny fiovan'ny toetrandro.

Ny Pointe-a-Pierre Wildfowl Trust ao Trindad, iray amin'ireo mpiaro faritra mando fantadaza indrindra ao amin'ny firenena, dia nandefa saripika tao amin'ny pejiny Facebook tamin'ny fankalazàna ny Andro Erantany ho an'ny Faritra Mando, araka ny tokim-panompoana nataony hanohy “hitahiry sy hiaro ireo faritra mando sy ireo rehetra mponina ao anatiny.”

ONG iray hafa miasa ao Trinidad, SpeSeas, nibitsika hoe:

Ao anatin'ny fankalazàna ny #WorldWetlandsDay (Andro Erantany ho an'ny Faritra Mando), tianay ny hisarika ny saina ho amin'ny fampiasàna maharitra ireo fitambarana faritra mando ananantsika manokana, ny Nariva Swamp, Caroni Swamp & Buccoo Reef/ Bon Accord Lagoon ary handrisika ny ezaka fitahirizana sy fiarovana azy ireny  pic.twitter.com/Y8okrVVkbL

Jahson B. Alemu I, mpahay manokana ny biôlôjia anaty ranomasina dia nanampy hoe :

Tamin'ity #wetlandsday ity aho dia nisaintsaina betsaka momba ny elanelana misy eo amin'ny asa atao sy ny fampahatsiarovantena &  ny zavatra azoko atao tsara kokoa mba #ActForWetlands (hiasàna ho an'ireo faritra mando) sy #climatechange (ny fiovàn'ny toetrandro). Ho fanombohana dia mihevitra aho ny hanorina fitantaràna mampiaty bebe kokoa manodidina ny maripamantarana ANTSIKA & Faritra Mando ANANANTSIKA.

Arahaba nahatratra ny Andro ho an'ny Faritra Mando #rewet (lemo indray) #reforest (voleo ala indray) #restore (avereno indray)

Ankoatra ny asan'izy ireny, dia mba mahafinaritra ihany koa ireo faritra mando. Ho fanomezana voninahitra ny Andro Erantany ho an'ny Faritra Mando, indro topimaso iray amin'ireo faritra mando tena mampitolagaga indrindra ao Karaiba, manomboka ao Guyana ao amin'ny tanibe ary mikisaka mianavaratra amin'ilay andiana nosy.

Goiàna

Ny Tahirin'dRanon'i Demerara Atsinanana, Goiàna. Sary an'i John+Elaine Chesterton ao amin'ny  Flickr, CC BY-SA 2.0.

Na heverina ho ampahany ao anatin'i Karaiba aza,  Goiàna dia firenena iray midadasika ao amin'ny kaontinantan'i Amerika Atsimo, misy honahona maro sy faritra mando izay mivelatra amina kilaometatra maro.

Trinidad & Tobago

Fiainan'ireo vorondia ao Pointe-a-Pierre Wild Fowl Trust any Trinidad. Sary an'i Janine Mendes-Franco, nahazoana alàlana.

Ankoatra ny fandraisany sy famerenana ireo vorona naratra, ny Pointe-a-Pierre Wild Fowl Trust dia manao fikarohana maro, fandresendahatra ary fanabeazana fanentanana momba ny tontolo iainana amin'ny ankapobeny, ary momba ireo faritra mando manokana.

Ny Caroni Swamp ao Trinidad rehefa maizim-bava vilany, rehefa mamonjy ny akaniny mba hiteronterona ireo vorondia ao aminy, ny Scarlet Ibis no betsaka amin'izany. Sary an'i Janine Mendes-Franco, nahazoana alàlana.

Miaraka amin'ny rafitra ala honko midadasika ao aminy, ny Caroni Swamp, izay manamorona ny Helodranon'i Paria ao amin'ny morontsiraka andrefan'i Trinidad, no iray amin'ireo toerana Ramsar roa voatendry ao amin'ilay nosy. Ny faharoa dia ny rano madion'ny Nariva Swamp, any amin'ny morontsiraka atsinanana. (ny Buccoo Reef,  haran-dranomasina ao Tobago no toerana Ramsar fahatelo ao amin'ny firenena.)

Tsy hoe fotsiny manadio ny rano sy miaro ny morona tsy hihotsaka sy ny vokadratsin'ny onja sy ny tondradrano ireo faritra mando, fa izy ireny koa dia toerana mahafinaritra ho an'ny zahavoary (ecotourism) sy ny fanabeazana ara-tontolo iainana.

Mody masoandro ao Petit Trou Lagoon, Lowlands, ao amin'ny morontsiraka vavarivotra ao Tobago. Sary an'i Janine Mendes-Franco,nahazoana alàlana.

Ity farihy mahafinaritra ity, anatin'ny toerana iray fitsangantsanganana ao  Tobago Plantations, dia manana faritra kely misy ala honko matevina izany nametrahana làlana famakivakiana azy naorina teo ambonin'ny fakan'ireo honko. Ilay farihy dia fifangaroana rano madio sy masira.

Barbady

Ao amn'ny Graeme Hall Nature Sanctuary no ahitàna ny faritra mando farany sy lehibe indrindra feno honko any Barbady. Toerana fandalovana ho an'ireo vorona marobe mpifindramonina, nakatona tamin'ny 2019 noho ny disadisa nisy nifanolànana tamin'ny governemantan'i Barbados. Sary an'i David Stanley ao amin'ny Flickr, CC BY 2.0.

Herinandro teo ho eo nialoha ny Andro Erantany ho an'ny Faritra Mando, nisy fanangonantsonia anaty tambajotra natomboky ny vondrona iray misy ireo Barbadiàna velon'ahiahy, izay manao adisisika ho “famonjena ilay hany sisa ala honko ao Barbados tsy ho fongana mandrakizay”. Kendren'ilay fanangonantsonia ny hahazo ny fanohanan'ny vahoaka ho amin'ny fanambaràna ny  Graeme Hall Swamp ho toy ny Faritra Fitahirizana OS-2. Hatramin'ny fotoana namoahana ity, efa nanakaiky ny sonia 4.000 no azony.

Jamaika

Vano iray ao Yallahs Salt Pond, Jamaika. Sary an'i Emma Lewis, nahazoana alàlana.

Isan'ireo ambana sasantsasany mahazo ny faritra mando ao amin'ny faritra ny fisandohana ireny faritra marefo ara-ekolôjika ireny mba hanaovana tetikasam-panorenana, fampiroboroboana fizahantany, na fambolena. Ny zavamaniry sy bibidia anaty faritra mando marobe koa dia tandindonin'ny vokadratsy mandravarava ateraky ny fikorianan'ireo akora simika avy amina fanafody famonoana bibikely sy zezika.

Vorona amoron-drano ao  Yallahs Salt Ponds sy Voay Amerikàna ao amin'ny Renirano Salt, samy ao Jamaika. Sary an'i Emma Lewis, nahazoana alàlana.

Ireo faritra mando dia paradisan'ny hamaroam-javamiaina, isan'ireny ny vorona, ny biby mandady, ny voay, ny sahona sy ny hûitres, zay samy voarahon'ny fisian'ireo karazan-javatra mpanani-bohitra daholo.

Ala honko ao amin'ny Renirano Salt, Jamaika. Sary an'i Emma Lewis, nahazoana alàlana.

Iray amin'ireo fanamby tena mila atrehana maika amin'ny fitahirizana ireo faritra mando ao Karaiba ny fandotoana, indrindra fa amin'ny endrika fako mivaingana afaka mamono faritra ala honko iray manontolo izay taloha dia mifamatopatotra any anatin'ny fakany any. Ny honko koa dia mitàna toerana taninketsa ho an'ireo zana-trondro sy biby madinika an-dranomasina.

Faritra mando ao anatin'ny Faritra Arovana amin'ny Renirano Mason, Jamaika. Sary an'i Emma Lewis, nahazoana alàlana.

Maro karazana ireo faritra mando ao Karaiba. Ny hany faritra mando anatiny ao Jamaika (etsy ambony), hita any amin'ireo havoana ao Clarendon ao anatin'ny Faritra Arovana amin'ny Renirano Mason dia voafaritra tsara ho toy ny karazana honahonam-pompotra, raha ireo ao amin'ny Salt River (renirano masira, eto ambany) kosa, ao amin'ny morontsiraka atsimon'ilay nosy, dia toa mampahatsiahy moron-dranomasina izany.

Faritra mando ao amin'ny Renirano Masira (Salt River), Jamaika. Sary an'i Emma Lewis, nahazoana alàlana.

Tsy olana izay toerana misy azy ireny, na izay mety ho endriny, kanefa, ny hafatry ny Andro Erantany ho an'ny Faritra Mando dia mendrika ny hifantohan'ny saintsika sy ny fiarovantsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.