Nizeriana an'arivony no nandray anjara fanangonan-tsonia hanavaozana ny IELTS

 

Nizeriana iray nikabary tao amin'ny lanonana famaranana ny Zaikaben'ny Tanoran'ny Commonwealth. Sary avy amin'ny Commonwealth Secretariat nalaina tamin'ny Alakamisy 14 Novambra 2013 (CC BY-NC-ND 2.0)

Nahangona sonia teo amin'ny 40 000 teo ho eo tao anatin'ny 14 andro monja  ny fanangonan-tsonia an-tserasera nataon’ny Policy Shapers, sehatra mpiaro ny tanora Nizeriana, hitakiana ny fanavaozana ny Rafitra Fitsapam-pahaizana Iraisampirenena momba ny Teny Anglisy na ny International English Language Testing System (IELTS).

Fanadinana natao ho an'ireo tsy mpiteny anglisy ny IELTS. Ireo Nizeriana mikasa ny hianatra, hifindra monina na hiasa any amin’ny Fanjakana Mitambatra, Kanada ary Aostralia no takiana hanao fitsapam-pahaizana na ny mitovy aminy mba hanomezana porofo amin'ny fahaizana miteny anglisy. Hatramin'ny taona 1989 nanombohany, ny British Council, ny International Development Program (IDP) any Aostralia, ary ny Oniversiten’i Cambridge English Language Assessment no miara-nitantana ny IELTS.

Ny tsy hanaovan’ny olom-pirenena Nizeriana ny fitsapam-pahaizana amin’ny fahaizana teny anglisy no tanjon’ireo namorona ny fanangonan-tsonia, izay handoavana sarany eo anelanelan'ny 83.000 Naira (eo amin'ny 200$ USD) ho an'ny akademika ary 89.000 Naira (216$ USD) ho an'ny fitsapam-pahaizana ankapobeny. Lafo kokoa noho ny fitsapam-pahaizana amin’ny fahaizana teny frantsay, ahitana ny fanadinana DELF/DALF izay tsy handoavana sarany afa-tsy  16.000 Naira (eo amin'ny 39$ USD) monja ny IELTS izay lany daty aorian'ny roa taona.

Nanombatombana ny tatitra nataon'ny International Center for Investigative Reporting (ICIR), gazety anjotra Nizeriana, fa teo anelanelan'ny taona 2016 ka hatramin'ny taona 2021 dia vola mitentina 771,2 tapitrisa dolara (N319,2 lavitrisa) no niditra tamin’ny Governemanta Britanika tamin’ny tombom-barotra azo tao ambadik’ireo mpianatra Nizeriana sy ny mpangataka visa izay nanao ny fitsapam-pahaizana.

 Laharana fahatelo aty Afrika amin'ny vondrona mahay miteny anglisy ary faha-29 maneran-tany araka ny Tondro Fahaizana Miteny Anglisy 2021 EF i Nizeria. Nilaza ny Policy Shapers fa ambony kokoa noho ny an’ireo firenena miisa 18 tsy ampanaovan'ny Minisiteran’ny Atitany Britanika fanadinana ny fahaizan'i Nizeria amin'ny fampiasana ny teny anglisy.

Amin'ny maha zanatanin’i Fanjakana Britanika teo aloha azy, ny teny anglisy no teny ifandraisana ao Nizeria ary fiteny enti-mampianatra any an-tsekoly. Na izany aza, tsy firenena esorina amin'ny fanalana io fanadinana io i Nizeria sy ireo firenena afrikana hafa, izay zanatany anglisy teo aloha ary ao anatin’ny Commonwealth.

Mila fanavaozana ny IELTS!

Maro amin'ireo mpiseran’ny media sosialy no mihevitra fa ahazoana tombom-barotra be ny IELTS:

Tsy misy firenena afrikana miteny anglisy afa-bela amin’ny fanadinana IELTS satria fantatr'izy ireo fa fidiram-bola ho azy ireo isika.

Sahiko ny milaza fa mety ho avy aty Nizeria  ny ankamaroan'ny tombony amin'ny IELTS.

Fotoana izao hamaranana izao fanararaotana izao. #ReformIELTSpolicy pic.twitter.com/FCvFs2M0kp

Nanatevin-daharana ny Nizeriana aho mangataka ny fanovana amin'ny politikan'ny IELTS

Nahoana no tokony ho lany daty ny fahaizako miteny anglisy rehefa vita ny 2 taona?

Henoko fa tsy lany daty ny fitsapam-pahaizana miteny frantsay ary mora kokoa noho ny IELTS

Aparitaho io mandra-pahazoana valiny. Fandresena izany ho an'ny rehetra @UKinNigeria

#ReformIELTSPolicy

Fanambakana tsotra izao ny IELTS.
Teny ifampiresahana eto Nizeria ny teny anglisy ka tsy tokony ho terena hanao fanadinana IELTS alohan'ny hiasana na hianarana any Angletera,
tsy ilaina akory izany.
Niasa tany Angletera aho ary tsy nanana olana tamin’ny fifandraisana na dia tsy nisy IELTS aza

Nanaiky ny filoha lefitra ao Nizeria, Profesora Yemi Osinbajo, fa mila fanavaozana ny IELTS. Tamin'ny 31 Oktobra 2021, raha niresaka tamin'i Ebenezar Wikina, izay Mandela Washington Fellow 2021 i Osinbajo dia nilaza izy hoe, “Ekeko tanteraka hoy izy fa tokony hahazo tombontsoa amin'ireo fanomezana alalana sasany isika amin'ny maha-firenena miteny anglisy antsika fa tsy tokony ho terena isaky ny roa taona hanao fitsapam-pahaizana mitovy amin’izany, indrindra raha efa nandalo izany teo aloha.”

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.