Malalaka ny lalan'i Mia Mottley tamin'ny fifidianana voalohany amin'ny maha-repoblika an'i Barbados

Ny praiminisitra Barbade Mia Mottley nandray fitenenana nandritra ny Fampianarana faha-16 Raúl Prebisch natao tany Genève, Soisa, ny 10 septambra 2019. Sary avy amin'i Timothy Sullivan (UNCTAD) tao amin'ny Flickr, CC BY-SA 2.0.Barbados Prime Minister Mia Mottley speaking at the 16th Raúl Prebisch Lecture held in Geneva, Switzerland, on September 10, 2019. Photo by Timothy Sullivan (UNCTAD) on Flickr, CC BY-SA 2.0.

Voatsikera mafy rehefa nanambara fifidianana mialoha ny fotoana hototonsaina amin'ny 19 Janoary 2022 — herintaona sy tapany alohan'ny anatanterahana azy araka ny lalàm-panorenana — ny praiminisitra Mia Mottley, angamba noho ny tabataba be avy amin'ny mpanohitra ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa Demaokratika (DLP), ary niantso ny fanapahan-kevitra ho “mampanaitra” amin'ny demaokrasian'ny firenena sy fikasan'i Mottley sy ny Antokon'ny Mpiasa Barbados (BLP) hanamafy ny fahefana eo aminy. Tamin'ny 20 janoary anefa, rehefa niha-hita soritra ny valim-pifidianana farany, nihaniharihary fa nisy vokany ny fahasahian'i Mottley, ka nizotra nankany amin'ny fandresena farany ny antokony.

Tao anatin'ny fikasana farany tsy hanatontosana ny fifidianana, izay voalohany hatramin'ny nahatongavan'i Barbados ho repoblika tamin'ny 30 Novambra, nametraka fitoriana teny amin'ny fitsarana (izay nolavina avy eo) ny mpanao politika iray, Philip Catlyn, avy ao amin'ny Antokon'ny Fiandrianam-pirenena (BSB), milaza fa mpikambana maherin'ny 5.000 ao amin'ny mpifidy voan'ny COVID-19 no tsy afaka mampiasa ny zony hifidy. Fanampin'izany, niampanga ny Sampan-draharahan'ny Paositra Barbados (BPS) ho tsy nahavita namoaka ny tenimita momba ny fifidianana ny kandidà sasany.

Niroso araka ny nokinasa ho amin'ny 19 janoary ny fifidianana narahana fepetra henjana momba ny COVID. Raha ny zava-misy, amin'ny mponina latsaky ny 300.000 monja, mety tsy hitondra fiovana firy ireo voalaza fa vato 5.000, indrindra fa toa hita fa mitolona mafy mifandray amin'ny mpifidy ny mpifaninana lehibe.

Raha nihazohazo tao amin'ny fanamaivanan-ketra sy fametrahana ny fitsipiky ny saran'ny banky ho anisan'ny manifesto amin'ny fifidianana ny DLP, dia nifantoka tamin'ny fiarovana ara-bola lovain-jafy, fiarovana ara-tsakafo, trano fonenana ary amin'ny tetikasa angovo azo havaozina kosa i Mottley. Ny antokony, izay nitana toerana 29 amin'ny 30 amin'ny toeran'ny solombavambahoaka amin'ny fifidianana, no nisandratra ery am-pahatongavana nahazo ny fari-pifidianana rehetra miisa 30 ho eo amin'ny fifehezany.

Nanao fianianana indray i Mia Mottley amin'ny maha-praiminisitra Barbados azy, taorian'ny fandresena goavana tamin'ny fifidianana mialoha ny fotoana omaly. Ny lanonam-pianianana natao androany ihany koa dia nahitana ny fianianan'i Dale Marshall ho Tonia Mpampanoa Lalàna

Tamin'ny kabarim-pandreseny, nilaza i Mottley fa mipetraka ao amin'ny vahoaka ny fahefana ary nikasa ny hanomana ny firenena amin'ireo “fanamby matotra” izay hatrehiny “ao anatin'ny folo ka hatramin'ny 15 taona ho avy.” Anisan'ireo fanamby ireo ny krizin'ny toetrandro, olana iray nanaovany fanambaràna teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena. Nilaza i Mottley fa ny governemantany dia hitarika an'i Barbados “voalohany ho amin'ny fiarovana ary avy eo amin'ny fanambinana.”

Niarahaba an'i Mottley tamin'ny fifidianana “nilaza mazava” sy “nanakoako” indray ireo mpanao politika ao amin'ny faritra, anisan'izany i Lisa Hanna avy any Jamaika sy Bharrat Jagdeo ao Guyana, raha toa kosa fantatra fa nanolotra fanomezana manokana hanehoana ny fanohanany i Ifaan Ali filohan'i Guyana.

Tao amin'ny Twitter, fantatry ny mpikirakira media sosialy ihany koa ny halehiben'ny zava-bitany:

Miarahaba anao izahay; mankasitraka mandrakizay, ary tena manentana ny fanahy ny mahita an'i Mia, araka ny fiantsoanay Bajans azy amim-pitiavana, mihazona mafy sy amin-kambo ny tehin'ny fandrosoana amin'ny fikatsaham-pirenena ho amin'ny fahalehibeazana lehibe sy voajanahary kokoa!

Nanatevin-daharana ny fiarahabana ny mpihira reggae Maxi Priest:

Arahabaina ianao
Praiminisitra Mia Mottley voafidy indray amin'ny fe-potoana iray hafa hitarika an'i Barbados 🇧🇧 Nuff manaja an'i Mia 👊🏾 !! Tsy mpitarika ao Karaiba fotsiny ianao, fa mpitarika mahafatifaty amin'ny 🌎!

Na izany aza, nisy Jamaikana iray nanontany hoe:

Amin'ny maha-Jamaikana ahy, liana aho nahita ny Fifidianana Ankapobeny ao Barbados omaly nanome an'i Mottley fe-potoana faharoa ho PM.

Mazava ho azy fa mpanao politika mahay izy.

Fa tsara ho an'ny demaokrasia ve raha ny antoko iray no mitana seza IRAY TSY MISY MPANOHITRA amin'ny fifidianana in-2 misesy?

Raha nisy iray hafa nanapoka ny fiarahabana nataony tamin'ny fampitandremana mitovy amin'izany:

Nandresy tamin'ny isa 49-14 i Andrew Holness ary samy milaza fa ratsy amin'ny demaokrasia izany ary hipoitra ny didy jadona sns Mia Mottley dia nandresy ny seza 30 fanindroany ary arahabaina daholo 🍾 amin'ny fihetseham-po faly😂Mihatsaravelatsihy be izahay 😂😂 @miaamormottley miarahaba anao sy ny BLP

Raha ny zava-misy dia tsy manana mpanohitra ofisialy i Barbados, saingy araka ny nomarihin'i Mottley, dia “niray feo, tamin'ny fomba hentitra, tsy nisy volo nanoha-randrana ary mazava” ny vahoakany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.