- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kambodziàna mpiangaly RAP nivoady hanoratra hira fanakianana na efa nigadra taona iray aza noho ny fandrisihana olona

Sokajy: Azia Atsinanana, Kambodza, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Kea Sokun. Loharano [1]: Facebook

Namita sazy herintaona am-ponja ilay Kambodziàna mpiangaly RAP, Kea Sokun, taorian'ny nanamelohana azy ho “nandrisika ho amin'ny fanaovana heloka” tamin'ireo hira roa nosoratany ary nalefany tao amin'ny YouTube.

Tamin'ny Septambra 2020 i Sokun no nosamborina [2] taorian'ny nametrahan'ny Ministeran'ny Kolontsaina sy ny Zavakanto teny amin'ny pôlisy ny fitoriana an'ilay tovolahy 22 taona mpiangaly RAP, noho ny nandefasany hira roa tao amin'ny tambajotra sôsialy nambara ho nandrisika ny vahoaka hanongana ny governemanta. Nandà ny fiampangàna azy i Sokun saingy tamin'ny Desambra 2020 dia nohelohin'ny [3] fitsaràna izy, ary nafahana sivy volana taty aoriana.

Tena mbola tao anatin'ny fahatanoràny,  voatery nandao ny sekoly i Sokun mba hitady fivelomana sy hanampy ny fianakaviany, nanao asa fakàna sary. Nanangana fantsona [4] Youtube iray izy tamin'ny 2015 ary nanomboka nandefa ireo hirany izay nahasarika ireo tanora kambodziàna mpiray tanindrazana. Misy hira eo amin'ny 35 eo ao amin'ny fantsony ary misy mpamandrika mihoatra ny 200.000.

Matetika ireo hiran'i Sokun no mitrandraka ny maripamantarana maha-Kambodziàna azy sy ny fomba fijeriny momba ireo tolona ataon'ny fireneny. Ao anatin'ilay hirany “Sad Race [5]“, avoitran'i Sokun ny tsy fitoviana misy amin'ny manan-katao sy ny mahantra. Ao anatin'ilay hirany miparitaka be ‘Khmer Land’, [6] mampalahelo azy ny fanesorana tamin'ny taniny ireo Kambodziàna. Hitanao eto ambany ny sombiny [7] avy amin'ny dika tsy ofisialin'ilay tononkira:

Tany amin'ny faritra mahantra aho no teraka, niaraka tamina fo tsy manantsiny.
Hàlako ny jadona sy ny famelezana ny lovantsika,
ary toheriko ny famoretana,
dia ampiako amin'ny alàlan'ity hira ity ny firenena.

Fony nesorina tamintsika ny tanintsika, isika sahirana tamin'ny fisotroana.
Tandremo: eny an-tànan'olon-kafa ny sarintanintsika.
Raha ireo foko hafa manitsakitsaka ny faritra—
raha isika kosa misamantsamaka —
Hanani-bohitra eo ry zareo.

Tamin'ny fotoana nanoratanay azy ity, efa nahazo jery mihoatra ny efatra tapitrisa ilay lahatsary.

Taorian'ny nanafahana azy, tanaty antsafa iray nataony ho an'ny VOD, masoivohom-baovao kambodziàna, i Sokun no nanazava [8] ny hevitr'ilay hirany:

Ao anatin'ilay [hira] Khmer Land, ny fahiny no tiako noresahana. Ary io dia miresaka ny momba izay tokony hifohazan'ny olompirenena tsirairay mba hitiavany ny fiarahamoniny, ny finoany ary ny fireneny.

Saingy nisisihan'ireo manampahefana ny amin'ny hoe mety handrisika ny olona hanao heloka ireo tonon'ilay hira. Nandritra ny fitsaràna, tsy nisy porofo naseho ka hoe mampifandray ilay hira amina hetsika iray fanaovana heloka bevava.

Am Sam Ath, tomponandraikitra iray mpanaramaso eo anivon'ny vondrona mpiaro zon'olombelona Licadho, namintina [9] ireo fiarovana nataon'ny mpisolovava an'i Sokun toy izao:

Betsaka ireo fanamby [natao] ho atrehana — ny singa fototra navoitran'ny mpisolovava dia ny fahalalahan'ny isambatan'olona maneho hevitra, isan'izany ny fanoratana sy fiantsàna hira, ary  hatramin'ny finiavana tsy handrisika ny olona ho anaty korontana ao anaty fiarahamonina na hiarovana tombontsoan'olona manokana. Ny hahazo vola avy ao amin'ny Youtube no tanjony.

Mbola notànan'ny mpampanoa lalàna anefa ny heviny hoe heloka ilay izy ary manana endrika fandrisihana ny olona ilay hira. Amin'ny maha-fiarahamonina sivily, izahay tsy mahita an'io ho toy ny heloka bavava na vesatra. Fa izahay mahita hoe ananany ny talenta famoronana hira sy fanehoana ny fomba fijeriny.

Tafahaona tamin'ny fianakavian'i Kea Sokun, ilay tanora mpiangaly RAP izahay, tao amin'ny faritanin'i Siem Reap. Nomena tolotra izy mba haka sary ny fampakarambady iray, saingy hay fitaka ilay izy, araka izany dia nentina tany amin'ny biraon'ny pôlisy izy, toerana nisamborana sy niampangàna azy ho nandrisika ny olona hanao herisetra. Ny Janoary 2021 no nanaovana fampakarana ilay fiampangàna azy. pic.twitter.com/npCbAa8Tzc [10]

Ampahany amina toedraharaha [12] iray mahavelom-panahiana ny fisamborana sy fanamelohana an'i Sokun, izay manaporofo ny fiharatsian'ny habaka natao hanehoana hevitra ao Kambodza eo ambany fitarihan'ny governemantan'i Hun Sen, izay efa ho efapolo taona izao no teo amin'ny fitondrana. Tamin'ny fitanisana ireo fepetran'ny hamehana nateraky ny valanaretina, namoahan'ny manampahefana didy ny fampisamborana olompirenena maro, isan'ireny ny mpanao gazety sy mpanakanto, noho izy ireo niteny nanohitra ny politikan'ny governemanta.

Mba hahazoany fitsaràna maivamaivana kokoa dia nangatahana i Sokun haneho fialantsiny, sangy nolaviny izany ary nohamafisiny fa tsy nanao ratsy izy. Nohamafisiny [8] ny fomba fijeriny taorian'ny namotsorana azy avy any am-ponja. Nolazainy tamin'ny media fa:

Rehefa mitodika ny lasa, tsy tokony mihitsy aho hanao fialantsiny. Satria mino aho fa tsy nanao [fandrisihana] tahaka izay nolazain-dry zareo.

Tamin'ity tolakandro ity, nafahana avy any amin'ny fonjan'i Siem Keap i Kea Sokun. Tamin'ny Septambra tamin'ny taona lasa ilay Kambodziàna mpiangaly RAP no voasambotra sy nohelohina ho nandrisika ny olona tamin'ny alàlan'ny tononkirany. Raha mila fanazavana fanampiny : https://t.co/dnddBFiAWZ [13] pic.twitter.com/f33XgsZ6Bl [14]

Nivoady [16] izy ny hamoaka hira vaovao taorian'ny fankafizany ny fotoana niarahany tamin'ny fianakaviany:

Tsy hitsahatra hanoratra sy hihira ireo hirako momba ny fireneko aho. Hotohizako ny hanabe ny vahoaka amin'ny alàlan'ny hirako sy hitaiza ny fanahin'ny fitiavan-tanindrazana hitohy hatrany.

Lasa lohahevitra resahan'ny sarimihetsika fohy iray navoaka [17] tamin'ny Novambra 2021 ny sedra nolalovan'i Sokun. Nomena lohateny hoe “Not Love Songs / Tsy Hiram-Pitiavana” ilay sarimihetsika novokarin'ny mpanao gazety mipetraka ao Kambodza, Jackson Brook, nanasongadinana [18] ny fidonan'ny nisamborana an'i  Sokun tamin'ny fianakaviany sy ny fomba nataon'izy ireo “nivondronany niaraka niampanga ny fisamborana ilay mpiangaly RAP, sy nahitan-dry zareo ny tohankevitra azy ireo manokana nentina niatrika ity tsy rariny ity.”