- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Loka Golden Horse Film Awards ao Taiwan, nanasongadina ireo famokarana nosivanin'i Hong Kong

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Taiwan (ROC), Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hehy, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina, GV Mpisolovava

[1]

Clara Law, Jun Li ary Kiwi Chow. Sary natolotry ny The Stand News [1] [zh], nahazoana alàlana ny femerenana mamoaka azy.

[Raha tsy asiana fanamarihana manokana dia mitondra ho any amina pejy miteny anglisy ny rohy rehetra.]

Natao tao Taipei tamin'ny 27 Novambra ny andiany faha-58 amin'ny Golden Horse Film Awards [2], antsoina hoe « Oscars » amin'ny fiteny shinoa. Tamin'ny 2019, nantsoin'ny filankevitra nasiônaly ireo mpanatontosa sy ireo mpilalao mba hanao ankivy ilay hetsika [3] ka araka izany, telo taona nifanesy dia tsy nisy sarimihetsika shinoa mihitsy natao ho an'ny daholobe natolotr'ilay festivaly tao anatin'ny lisitr'ireo notendrena hifaninana.

Niantraika tamin'i Hong Kong ihany koa ny tsindry pôlitika nataon'i Beijing. Nisy ireo mpanatontosa sy mpilalao malaza eo amin'ny sehatry ny indostrian'ny sarimihetsika ara-barotra no voatery nandà ny fanendrena azy ireo hahazo ilay loka [3] noho ny tahotra ny ho very tsena any Shina tanibe. Tsy nampoizin'ny rehetra, ireny fifanenjanana ireny dia namorona habaka iray tao Hong Kong ho an'ny famokarana tsy miankina sy tsy dia mitodika amin'ny ara-barotra loatra.

Tamin'ity taona ity, ny « Revolution of Our Times » an'i Kiwi Chow [4] [fr] (Revôlisiônan'ny Vaninandrontsika), fanadihadiana voaràra, natokana ho an'ireo hetsipanoherana tamin'ny 2019 tao Hong Kong nanoherana ny didin'i Shina momba ny fanolorana olomeloka, no nahazo ny lokan'ny fanadihadiana tsara indrindra. Ny « Drifting Petals » an'i Clara Law no nandrombaka ny loka ho an'ny mpanatontosa mendrika indrindra ary ny « Drifting » an'i Jun Li nahazo ny loka natokana ho an'ny fanehoana an-tsehatra tsara indrindra. Ireo sarimihetsika telo ireo dia samy manasongadina ny fitantarana ireo hetsika fikatrohana tao an-tanàna.

Loka Fanadihadiana tsara indrindra : « Revolution of Our Times »

Ny lohateny hoe « Revolution of Our Times » dia notsoahana avy amin'ny teny faneva nandritra ireo hetsipanoherana tamin'ny 2019. Jolay tamin'ny taona lasa, ny Fitsaràna Antampony ao Hong Kong dia namoaka didy milaza fa ny fandefasana io teny faneva io dia horaisina ho toy ny fandrisihana ny olona ao anatin'ny dingam-pitsaràna an'i Tong Ying-kit [5]. Noraràna tao Hong Kong koa ny asan'i Kiwi Chow, tsy nisy hafa amin'ireo sarimihetsika niresaka momba ireo hetsika mpandala ny demaokrasia ao an-tanàna sy ny fifanenjanana pôlitika misy eo aminy sy i Shina.

Araka ny didim-pitondrana momba ny sivana sarimihetsika izay vao haingana no nasiana fanitsiana [6] [fr], ny sarimihetsika rehetra manohintohina ny filaminam-pirenena dia tsy azo alefa ao Hong Kong, ary izay rehetra olona mandefa tsy ara-dalàna ireo sarimihetsika tsy nahazo fahazoandàlana dia mety hiharan'ny sazy telo taona am-ponja sy lamandy iray tapitrisa dolara HK. Ao amin'ny Twitter, nangonin'i @MenSuen nataony lisitra iray ireo sarimihetsika voaràra na tena nasiana fanovàna goavana talohan'ny namoahana azy:

Angamba tsaroanareo fa tsy ela akory izay, nanatontosa fanontaniana&valiny izahay momba ireo sarimihetsika hàlan'ny Antoko Kaominista Shinoa (CCP), ka dia indro ny lisitra vaovao misy ireo sarimihetsika natao momba ny tolona ho amin'ny fahalalahan'i Hong Kong [8]. Marobe no voasivana ao #HK [9] nefa izany tsy mahasakana izao tontolo izao tsy hijery azy ireny. Iangaviana isika hitaky izany amin'ny  @netflix [10] ! pic.twitter.com/6gROEYNYIv [11]
– IFC (@MenSuen) 21 oktobra 2021 [12]

Taorian'ny nandefasana azy nandritra ny Festival Cannes 2021, nokianin'ireo [4] médias mpomba an'i Beijing ilay fanadihadiana nataon'i Kiwi Chow, nolazaina fa manindrahindra ny fahaleovantenan'i Hong Kong.

Kong Tsung-gan, mpikatroka avy ao Hong Kong, dia nanasongadina tao amin'ny Twitter ny fanehoankevitry ny olona sy ny kabary voarakitra an-dahatsary nataon'ilay mpanatontosa, tamin'ny fotoana nanolorana ny loka:

Ny sarimihetsika @RoOT [13] (“Revolution of Our Time”) no nahazo ny loka Fanadihadiana tsara indrindra tamin'ny “Golden Horse Awards”. Taorian'ny fandefasana azy, nokiahan'ny mpijery ny hoe : « Afaho i Hong Kong, revôlisiônan'ny vaninandrontsika ! ». Hoy ilay mpanatontosa, Kiwi Chow : « Fananan'ny olona rehetra manana fahatsarovantena sy ny maha-ara-drariny azy ao Hong Kong ary mandrotsaka ranomaso ho an'i Hong Kong ity sarimihetsika ity». https://t.co/IRmRKwSWEe [14] pic.twitter.com/poZ2iEBkU7 [15]
– Kong Tsung-gan / 江松澗 (@KongTsungGan) 27 Novambra 2021 [16]

Loka Mpanatontosa mendrika indrindra : « Drifting Petals »

Teraka tao Macao i Clara Law, lehibe tao Hong Kong ary nifindra nankany Aostralia. Ao anatin'ny sarimihetsika novokariny « Drifting Petals », niverenany notetezina ireo tanàna mpirahavavy nandritra ireo hetsipanoherana tamin'ny 2019, ary tamin'ny zoro fahitàn'ireo any ampielezana azy no nitantaràny ny tantaran'i Hong Kong sy Macao.

Tanàna roa nonenan'ny mpanjanaka fahiny i Hong Kong sy Macao any ivelan'i Shina tanibe. Tany amin'ny fiafaràn'ny andian-taona 1990s, natambatra ho ao anatin'ny tanibe Shina izy roa araka ilay fotokevitry ny lalàm-panorenana hoe « Firenena iray , Rafitra roa [17] » [fr]. Tamin'ny alàlan'ny fihaonan'ilay mpivezivezy tamin'ireo mpanao hetsipanoherana sy ny fanahin'ny lasa, nandritra ireo diany dia nisy rohy voararin'ilay mpanatontosa teo anelanelan'ireo fifandonana ankehitriny ao Hong Kong, ireo korontana tao Macao tamin'ny 1966 [18] [fr] nanoherana ny governemantan'ireo portiogey mpanjanaka ary ny fitroaram-bahoaka tao Guangzhou tamin'ny 1895 [19] nanoherana ny taranaka mpanjaka (dinastia) Qing.

Na tsy miresaka mivantana ireo hetsipanoherana tao Hong Kong tamin'ny 2019 aza ilay sarimihetsika, kely ny vintana hahafahana mandefa azy hojerena any amin'ireo efitrano ao an-tanàna, araka ny notsipihan'i Lai Chak Ling, vehivavy iray mpilalao ao anatin'ilay sarimihetsika, nisolo tena an'i Clara Law nandritra ny fanolorana ilay loka tamin'ny fetiben'ny sarimihetsika:

Lokan'ny Fanehoana An-tsehatra tsara indrindra : « Drifting »

« Drifting » an'ilay mpanatontosa, Jun Li, no hany tokana mba afaka nalefa nojerena tao Hong Kong tamin'ireo sarimihetsika telo nahazo loka. Sarimihetsika nosintonina avy amina raharaham-pitsaràna tena nisy tamin'ny 2012 ka nahavoarohirohy vondrona iray misy ireo tsy manana hialofana ao amin'ny faritr'i Sham Shui Po [20], vohitra kely fidirambola ary an-dàlana hiatrika fanovàna mahery vaika ankehitriny. Vondron'olona tsy manana fialofana no nametraka fitoriana nitaky fanonerana sy fialantsiny avy amin'ny governemanta, taorian'ny fanerena nataon'ny pôlisy sy ireo mpiasa mpanadio làlana azy ireo hiala tamin'ny toerana nitobiany, ny nanipitsipazana ny entan-dry zareo, tsy nisy fampilazàna.

Nandritra ireo hetsipanoherana tamin'ny 2019, nahita akony teny amin'ireo mpanao hetsipanoherana mpandala ny demaokrasia tao an-tanàna ny fitakiana fialantsiny ôfisialy nataon'ireo « olompirenena tsy manana fialofana ».

Araka ny notsindrian'i Michael Mo, mpikambana avy amin'ireo avy ao Hong Kong miaina any am-pielezana ao Royaume-Uni, nampiasain'ilay mpanatontosa ilay hira mamay ara-pôlitika hoe « Hong Kong Add Oil [21] » 香港加油 rehefa nandray ilay loka izy:

Ny sarimihetsika « Drifting [22] », notontosana tao Hong Kong [8], no nahazo ny loka fanehoana an-tsehatra tsara indrindra nandritra ny andiany faha-58 tamin'ny @Golden_Horse [23] Awards. Tany amin'ny farany, tamin'ny fiteny cantonais no nanaovan'ilay mpanatontosa ny kabariny, nofaranany tamin'ny #香港加油 [24] (« Mahereza Hong Kong »), teny faneva iray tsaraina ho mpikomy.
Misaotra Taiwan. pic.twitter.com/0JcYdPCGFR [26]
– Michael Mo (@michaelmohk) 27 Novambra 2021 [27]

« May you stay forever young  / Ho tanora lalandava anie ianao» sy « Coffin Homes »

Ankoatra ireo nahazo loka, nisy vokatra famokarana roa hafa avy ao Hong Kong voantendry,  ary noarahabain'ireo [28] [zh] mpandinika an'ilay fetibe.

Tamin'ny tetibolam-pamokarana latsaky ny 600 000 dolara HK (manodidina ny77 000 dolara amerikàna), ny « Will you stay forever young » an'i Rex Ren sy Lam Sum no voatendry tao anatin'ny sokajin'ireo mpamokatra tsara indrindra vao mipongatra sy ny fandrafetana tsara indrindra.

Voasivana [29] [zh] ihany koa tao Hong Kong ilay sarimihetsika satria mikitikitika ny resaka hetsipanoherana tamin'ny 2019. Asongadiny ny tarika iray mpanao vonjitaitra mikaroka ireo tanora mpanao fihetsiketsehana efa nanandrana namono tena noho ny fisian'ny fifandirana eo amin'ny andian-taranaka ao anatin'ny fianakavian'izy ireny.

Ny lohateny hoe « Will you stay forever young », dia naka ny aingampanahiny tamin'ny tovolahy iray 15 taona,  mpanao hetsipanoherana, ao anatin'ilay sarimihetsika : « voaozona tsy maintsy hiova ve ny olona rehefa miha-lehibe? Raha izany no izy, tsy te-ho lehibe aho».

Ny sarimihetsika « Coffin Homes » an'ilay mpanao hatsikana manana ny lazany, Fruit Chan, dia notendrena hifaninana tamina loka maromaro. Io hatsikana mampientanentana io, nalefa tao Hong Kong tamin'ny Aogositra 2021, dia manakiana ny fanararaotana ataon'ny kapitalista ao an-tanàna, hany ka na ireo matoatoa aza dia tsy maintsy miady toerana izy samy izy, ary amin'ny velona ihany koa.